Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hozatra

Hozatra

Karazana nofo matanjaka mitsiratsiraka lavalava, ary mampifandray ny taolana na mihazona ny taova ho eo amin’ny toerany. Voalaza fa taolana sy hozatra voarary ny olombelona.​—Jb 10:11; jereo koa Jb 40:15-18.

“Hozatra” no andikan’ny Baiboly maoderina an’ilay teny grika hoe syndesmôn (endriny hafa amin’ny syndesmôs) ao amin’ny Kolosianina 2:19 (TV; Prot.; Kat.; DIEM). Midika hoe “izay manambatra, fatorana mampiray, famehezana” ny hoe syndesmôs, ary ampiasaina mba hilazana ny hozatra. (Rakibolana Grika-Anglisy, nataon’i H. Liddell sy R. Scott, nohavaozin’i H. Jones, Oxford, 1968, p. 1701) Ilay teny grika hoe syndesmôs ihany koa no hita ao amin’ny teny nadika hoe “voafatotry ny tsy fahamarinana.” (As 8:23), sy ny hoe “fatorana mampiray” (Ef 4:3), ary ny hoe “fatorana mampiray tonga lafatra” (Kl 3:14).

Nitolona tamin’ny anjely iray i Jakoba, indray mandeha. Nokasihin’izy io ny foto-pen’i Jakoba ka nipitsoka. Hoy i Mosesy tatỳ aoriana: “Izany no antony tsy ihinanan’ny zanak’Israely ny hozatra eo amin’ny foto-pe mandraka androany, satria nokasihin’ilay lehilahy ny hozatry ny foto-pen’i Jakoba.” (Ge 32:32) Maro ny Jiosy mbola manaraka an’io fanao io, ka manaisotra ny hozatra sy ny lalan-dra rehetra eo amin’ny foto-pen’ny biby iray alohan’ny hihinanana an’ilay biby. Misy Jiosy mpivaofy teny mihevitra fa io fitsipika io dia mampahatsiahy fa nitarika ny Israely Andriamanitra, ary mampiseho izany izay nitranga tamin’i Jakoba rain’ireo foko 12.

Heviny an’ohatra. Voalaza fa “vy ny hozatry” ny hatoky ny Israelita. Midika izany hoe mafy loha sy be di-doha ary mafy hatoka izy ireo. (Is 48:4; ampit. Ek 32:9.) Nahita taolana nifanatona i Ezekiela tao amin’ny fahitana iray, ary naniry nofo sy hozatra ireo taolana ireo. Sary an’ohatra izany mampiseho izay nataon’Andriamanitra mba hahatonga ny vahoakany harisika indray teo amin’ny lafiny ara-panahy.​—Ezk 37:6-8.

Hoy i Paoly momba an’ireo nanana “fanetren-tena sarintsariny” nefa nihambo ho Kristianina: “Izy anefa tsy mifikitra akory amin’ny loha, dia ilay itomboan’ny vatana manontolo araka ny fampitomboan’Andriamanitra azy. Ny tonon-taolana sy hozatra [syndesmôn] mampifandray azy no manome izay ilain’ilay vatana manontolo sady manakambana azy mirindra tsara.” (Kl 2:18, 19) Nampitahainy tamin’ny vatana manan-doha ny fiangonana, izany hoe ny Kristianina voahosotra rehetra. Mifampiankina ireo Kristianina ireo, ary izany no tiana holazaina amin’ny hoe ‘ny tonon-taolana sy hozatra no manakambana azy mirindra tsara.’ An’ohatra no nampiasan’i Paoly an’ilay teny hoe “hozatra” eo, satria nampifandraisiny tamin’ny vatan’i Kristy ilay izy. I Jesosy no lohan’ilay vatana, ka izy no manome izay ilain’ireo rantsambatana, ary “ny tonon-taolana sy hozatra” no ampiasainy mba hanomezana sakafo ara-panahy tsy tapaka ho an’ny rantsambatana rehetra, sy mba hifandraisana amin’izy ireo, ary mba hampirindra tsara azy ireo. (Ampit. 1Ko 12:12-30; Jn 15:4-10.) Toy izao no mitranga ao amin’ny vatan’ny olombelona: Mifarimbona ny rantsambatana tsirairay mba hampitombo an’ilay vatana sy hampirindra ny fiasany. Manao izany izy ireo rehefa mandray otrikaina sy toromarika ka mampita izany amin’ny rantsambatana hafa. Toy izany koa no izy eo anivon’ny fiangonana, dia ny vatan’i Kristy.