Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ido

Ido

(Ìdo)

[1-5: fanafohezana ny hoe Adaia, izay midika hoe “Nampihaingoin’i Jehovah [ilay tompon’anarana]”].

1. Zanakalahin’i Joa, ary Levita taranak’i Gersoma.​—1Ta 6:19-21.

2. Rain’i Ahinadaba, ilay lehibem-paritra namatsy sakafo an’i Solomona ary niandraikitra an’i Mahanaima.​—1Mp 4:7, 14.

3. Mpahita fahitana izay nanoratra boky mirakitra ny fahitany. Io boky io no nodinihin’ilay mpanoratra ny bokin’ny Tantara, mba hahalalany ny tantaran’i Solomona sy Rehoboama ary Abia Mpanjaka. Antsoina hoe ‘fitantarana’, ‘boky’, ‘boky fitadidiana’ na ‘tsiahy’ io boky nosoratan’i Ido io.​—2Ta 9:29; 12:15; 13:22, Prot., Kat., DIEM.

4. Rain’i Berekia ary dadaben’i Zakaria mpaminany. (Ezr 5:1; 6:14; Za 1:1, 7) Mety ho ilay Ido No. 5 ihany ity Ido ity.

5. Mpisorona anisan’ireo niara-niverina tamin’i Zerobabela tany Jerosalema, tamin’ny 537 T.K. I Zakaria no mpisorona lohan’ireo fianakaviamben-dry Ido, tamin’ny andron’i Joiakima Mpisoronabe. (Ne 12:1, 4, 12, 16) Mety ho ilay Ido No. 4 ihany ity Ido ity.

6. [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “midera”; na avy amin’ny fototeny hafa iray midika hoe “mahalala”]. Zanakalahin’ny olona iray atao hoe Zakaria. Andriana tao amin’ny antsasaky ny fokon’i Manase tany Gileada i Ido, tamin’ny andron’i Davida Mpanjaka.​—1Ta 27:21, 22.

7. Lohandohany teo amin’ireo Netinima nanompo tao amin’ny tempoly sy nipetraka tao Kasifia. Nisy 220 tamin’izy ireo no niaraka tamin’i Ezra nankany Jerosalema, tamin’ny 468 T.K.​—Ezr 8:17, 20.