Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Idomea

Idomea

(Idomeà) [avy amin’ny teny grika ary midika hoe “[Tanin’ny] Edomita”].

Ampahany tamin’ny faritanin’i Simeona sy Joda fahiny, tamin’ny andron’ny Makabeo sy ny Romanina. Tsy anisan’i Idomea kosa ny faritra afovoan’i Edoma fahiny, teo atsinanan’i Araba. Milaza ny boky voalohan’ny Makabeo (4:29, 61; 5:65, Kat.) fa anisan’i Idomea ny faritra nanodidina an’i Hebrona hatrany Betsora (Beti-zora) tany avaratra, 26 km teo ho eo atsimo atsimoandrefan’i Jerosalema. Voalaza fa resin’i Jodasy Makabeo ny mponin’i Idomea. (1 Makabeo 5:3) Nanoratra i Josèphe fa resin’i Joany Hirkana I ny Idomeanina rehetra tatỳ aoriana, ka nilazany fa mahazo mijanona ao amin’ilay tany izy ireo raha manaiky hoforana sy manaraka ny lalàna jiosy. Naleon’izy ireo nanao izany toy izay handao ny taniny. (Rakitry ny Ela Jiosy, XIII, 257, 258 [ix, 1]) Anisan’ireo tonga teo amin’i Jesosy ny olona avy any Idomea, rehefa “nandre ny amin’ny zavatra maro nataony.”​—Mr 3:8; jereo EDOMA, EDOMITA.