Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ie-abarima

Ie-abarima

(Iè-abarìma) [Korontam-baton’ny Toerana Fiampitana Rano (Fiampitana); Korontam-baton’ny Sisin-tany (Faritra eny Ampita)].

Toerana iray nitobian’ny Israelita tany an-tany efitra. Tsy fantatra tsara ny toerana nisy azy, fa azo inoana kosa hoe teo amin’ny ilany atsimon’ny sisin-tanin’i Moaba ary tsy lavitra ny lohasaha falehan-driakan’i Zareda. (No 21:11, 12; 33:44) I Ie-abarima angamba no toerana farany atsimo amin’ilay faritra atao hoe Abarima. (No 33:47, 48; jereo ABARIMA.) Milaza i Yohanan Aharoni fa ilay toerana atao hoe el-Medeiyineh no i Ie-abarima. Toerana fiampitana ny Sakelidranon’i Zareda io el-Medeiyineh io, ary eo amin’ny 60 km eo ho eo any atsimon’i Dibona-gada izay toerana nanaraka voalaza fa nitobian’ny Israely.​—Ilay Tany Resahin’ny Baiboly, 1979, p. 202, 436.