Ikaboda
(Ikabòda) [Nankaiza ny Voninahitra?].
Zanakalahin’i Finehasa, teraka taorian’ny nahafatesan-drainy. Rahalahin’i Ahitoba izy, ary zafikelin’i Ely Mpisoronabe. Ikaboda no anarana nomen-dreniny azy teo am-pialana aina. Midika io anarana io fa afa-boninahitra ny Israely, satria lasa babo ny Vata masina ary maty i Finehasa sy Ely.—1Sa 4:17-22; 14:3.