Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ikonioma

Ikonioma

(Ikôniôma).

Tanàna fahiny tany Azia Minora, tokony ho 1027 m ambonin’ny haabon’ny ranomasina. Konya (Konia) ankehitriny no iantsoana an’i Ikonioma. Tokotokony ho 240 km any atsimon’i Ankara no misy azy io, eo amin’ny sisiny atsimoandrefan’ilay lembalemba eo afovoan’i Torkia. Tamin’ny taonjato voalohany, i Ikonioma dia iray tamin’ireo tanàna lehibe tany Galatia, faritany romanina. Namakivaky an’ilay tanàna ny lalana fivezivezen’ny entam-barotra avy any Efesosy nankany Syria.

Betsaka ny Jiosy nonina tao Ikonioma, ary nanana fahefana teo amin’ny fiaraha-monina izy ireo. Nitory tao amin’io tanàna io sy tao amin’ny synagoga i Paoly sy Barnabasy, rehefa voatery niala tany Antiokia any Pisidia. Maro ny Jiosy sy ny Grika nampian’izy ireo ho tonga mpino tao Ikonioma. Niala tao anefa izy ireo ka nandositra tany Lystra, rehefa nisy nikasa hitora-bato azy. Tsy ela anefa dia tonga tany Lystra ny Jiosy avy tany Antiokia sy Ikonioma. Nanakorontana vahoaka izy ireo, ka nitora-bato an’i Paoly ny olona. Nankany Derbe i Paoly sy Barnabasy taorian’izay, ary sahy niverina tany Lystra sy Ikonioma ary Antiokia avy eo. Nanatanjaka an’ireo rahalahy izy ireo ary nanendry “anti-panahy” mba hiandraikitra an’ireo fiangonana tany amin’ireny tanàna ireny.​—As 13:50, 51; 14:1-7, 19-23.

Toa niverina tany Ikonioma i Paoly, rehefa voalamin’ny apostoly sy ny anti-panahin’ny fiangonana tany Jerosalema ilay adihevitra momba ny famorana. Tamin’io dia misionera faharoa io i Paoly no nitondra an’i Timoty, tovolahy tsara laza teo anivon’ireo rahalahy tany Lystra sy Ikonioma.​—As 16:1-5; 2Ti 3:10, 11.

Teo amin’ny sisin-tany nanasaraka an’i Frijia sy Lykaonia no nisy an’i Ikonioma. Mety ho izany no nahatonga ny mpanoratra fahiny toa an’i Strabon sy Cicéron hilaza hoe tany Lykaonia no nisy an’i Ikonioma. I Xénophon indray nilaza hoe tany Frijia no nisy azy io. Raha jerena ny sarintany dia tany Lykaonia no nisy an’i Ikonioma, kanefa porofoin’ireo zavatra nofongarina tao fa nanjaka tao ny kolontsaina sy ny fiteny frijianina. Nasehon’ireo soratra hita tao tamin’ny 1910, fa ny fiteny frijianina no nampiasaina tao nandritra ny 200 taona taorian’ny andron’i Paoly. Tsy diso àry ny mpanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly raha tsy nampiditra an’i Ikonioma ho anisan’i Lykaonia. “Fiteny lykaonianina” mantsy no nampiasaina tany Lykaonia.​—As 14:6, 11.