Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Mamirapiratra

Ilay Mamirapiratra

Teny ilazana ny “mpanjakan’i Babylona.” (Is 14:4, 12) Avy amin’ny fototeny midika hoe ‘mamiratra’ (Jb 29:3) ilay teny hebreo nadika eto hoe “mamirapiratra” (TV, Kat., DIEM). Ny Baiboly sasany kosa mandika azy io hoe “Losifera” (JM), toy ny ao amin’ny Vulgate latinina.

Niteny anakampo toy izao “ilay mamirapiratra”: “Ambonin’ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako, ary hipetraka eny amin’ny tendrombohitra fivoriana aho.” (Is 14:13) Ny Tendrombohitra Ziona ilay “tendrombohitra fivoriana”, rehefa jerena ny porofo ao amin’ny Baiboly. (Jereo TENDROMBOHITRA FIVORIANA.) Kintana no iantsoana ny mpanjaka indraindray (No 24:17; Ap 22:16), ka tsy maintsy ho ireo mpanjaka taranak’i Davida nitondra teo amin’ny Tendrombohitra Ziona ireo “kintan’Andriamanitra.” Te ho ambony ny “mpanjakan’i Babylona” (tarana-mpanjaka babylonianina), tsy misy hafa amin’i Satana andriamanitr’ity tontolo ity. Ny hanandratra ny seza fiandrianany ho “ambonin’ny kintan’Andriamanitra” àry no nokendreny. Tiany ho eo ambany fahefany mantsy ireo mpanjaka taranak’i Davida, ary tiany haongana mihitsy aza amin’ny farany. Namirapiratra toy ny kintana tokoa ny “mpanjakan’i Babylona” teo amin’ny tontolo fahiny, ka nety ny niantsoana azy hoe “ilay mamirapiratra.”