Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Imera

Imera

(Imèra).

1. Taranak’i Arona. Izy no voatendry ho lehiben’ny antoko-mpisorona faha-16 tamin’ny andron’i Davida. (1Ta 24:1, 6, 14) Toa nisy 1052 ny taranany niaraka tamin’i Zerobabela avy tany Babylona, tamin’ny 537 T.K. (Ezr 2:37; Ne 7:40) Anisan’ireo nandroaka ny vadiny hafa firenena ny roa tamin’ny “taranak’i Imera”, tamin’ny andron’i Ezra.​—Ezr 10:20, 44.

2. Rain’i Mesilemita (na Mesilemota). Mety ho izy ihany ilay Imera No. 1.​—1Ta 9:12; Ne 11:13.

3. Razamben’i Pasora mpisorona, na rainy. Mpanohitra an’i Jeremia io Pasora io sady nangeja azy tamin’ny boloky hazo. Naminany i Jeremia fa hoentina any Babylona i Pasora sy izay rehetra ao an-tranony. (Je 20:1, 2, 6) Raha tena “taranak’i Imera” tokoa i Pasora fa tsy zanany lahy, satria azo ilazana zanakalahy koa ilay teny hebreo nadika hoe ‘taranaka’, dia mety ho ilay No. 1 ihany ity Imera ity.

4. Rain’ilay Zadoka nanamboatra ny simba tamin’ny mandan’i Jerosalema. (Ne 3:29) Mety ho ilay No. 1 ihany ity Imera ity raha midika hoe taranak’i Imera ilay hoe “zanak’i Imera”, satria mety hidika hoe taranaka ilay teny hebreo nadika hoe ‘zanaka.’

5. Toa anaran-toerana tany Babylonia. Avy tany Imera no niainga ny mpisorona sasany izay tsy afaka nanamarina ny razambe niaviany.​—Ezr 2:59; Ne 7:61.