India
(Indìa).
Tsy fantatra hoe taiza marina ilay faritra nantsoin’ny Baiboly hoe “India.” (Es 8:9) Milaza ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa ilay faritra lalovan’ny Reniranon’i Indus sy ireo sampany izy io, izany hoe ny faritr’i Pendjab sy Sind koa angamba. Nilaza i Hérodote mpahay tantara (III, 88, 94; IV, 44) fa lasan’ny Fanjakana Persianina i “India”, tamin’ny andron’i Dariosy Hystaspe Mpanjaka (521-486 T.K.). I India no sisin-tany atsinanan’ilay fanjakana, tamin’ny andron’i Ahasoerosy (heverina fa i Ksersesy I, zanakalahin’i Dariosy Hystaspe).—Es 1:1.
Azo inoana fa nisy nanorim-ponenana tany amin’ny Lohasahan’i Indus, tsy ela taorian’ny nanasafotofotoana ny fitenin’ireo nanorina an’i Babela. Misy itovizana ny kolontsaina fahiny tany sy ny tany Mezopotamia: Samy nahitana tempoly miendrika piramida, sy sarin’olona manana tarehy tsy dia voafaritra tsara, ary soratra misy marika sy sarisary. Nilaza i Samuel Kramer, manam-pahaizana momba an’i Asyria, fa lasan’ny Somerianina i Mezopotamia, ka nitsoaka ilay firenena tao ary nanorim-ponenana tany amin’ny Lohasahan’i Indus.