Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona avy no Hita ato Amin’ity Boky Ity?

Inona avy no Hita ato Amin’ity Boky Ity?

Ny tanjony: Hanampy anao handalina ny Soratra Masina ity boky ity. Natao ao amin’ny lahatsoratra iray, ohatra, ny tsipiriany rehetra resahin’ny boky samihafa ao amin’ny Baiboly momba ny foto-kevitra iray. Omena koa ny teny tany am-boalohany sy ny dikany ara-bakiteny. Nodinihina ny tantara sy ny vokatry ny fikarohan’ny manam-pahaizana samihafa, ary nojerena raha mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly ilay izy. Misy sary sy sarintany koa ato. Asongadina ato koa fa zava-dehibe ny manaraka izay voalazan’ny Baiboly.

Resahina ao amin’ny Baiboly ny fifandraisan’i Jehovah Andriamanitra amin’ny olombelona, ary tena nitranga teo amin’ny fiainan’ilay olona ilay izy. Miresaka anaran’olona sy toerana, firenena sy mpitondra, ary zavamaniry sy biby isan-karazany izy ity. Rehefa mamaky andinin-teny miresaka momba an’ireny àry ianao, dia tena hanampy anao hahafantatra tsara kokoa an’ireny ity Fandalinana ny Soratra Masina ity. Misy lahatsoratra manazava momba ny olona 3000 mahery resahin’ny Baiboly mantsy ato, ary misy manazava momba ny firenena sy foko 97. Misy lahatsoratra 1000 mahery momba ny toerana voafaritra tsara koa ato, sy lahatsoratra 96 momba ny zavamaniry isan-karazany, ary 106 momba ny vorona sy biby. Maro koa ny lahatsoratra mamakafaka foto-kevitra lehibe ao amin’ny Soratra Masina.

Hazavaina ato ny boky tsirairay ao amin’ny Baiboly. Misy hoe Hevitra Misongadina ny lahatsoratra momba ny boky tsirairay, dia tanisaina ao ireo hevi-dehibe ao amin’ilay boky mba ho mora vakina sy tadidina. Raha tsy misy fanamarihana manokana, dia avy amin’ilay dikan-teny hoe Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao ny andinin-teny ato, na dia misy koa aza ireo nalaina tao amin’ny Baiboly hafa 40 latsaka kely.

Misy sary sy sarintany koa ato. Maro ny sarintany ahitana toerana nalaza tamin’ny fotoana nitrangan’ilay tantara. Betsaka koa ny sary manampy anao hahazo sary an-tsaina an’ireo tany resahin’ny Baiboly sy ny zava-nitranga tao. Misy koa sary vitsivitsy nataon’ny mpanakanto izay mampiseho zava-nitranga lehibe teo amin’ny tantara. Ahitana sarina toerana sy fampirantian’ny tranombakoka maromaro koa ato, ary misy ifandraisany amin’izay tantarain’ny Baiboly izy ireny. Ao amin’ny Boky Faha-2, pejy 1276, ny anaran’ireo olona sy toerana ary tranombakoka nanome alalana ny hamoahana ny sary sasany ato.

Misy lahatsoratra mamakafaka ny teny hebreo, grika ary aramianina nanoratana ny Baiboly tany am-boalohany koa ato. Hazavaina ao ny dikan’ny teny sasany tany am-boalohany, fa tsy izay fahazoana azy amin’ny fiteny fampiasa ankehitriny fotsiny. Omena koa ny dikan’ny anarana resahin’ny Baiboly. Manampy hahafantarana an’izany izay lazain’ny andininy hafa momba ny dikan’ireo teny ao amin’ilay anarana.

Ahoana no ahitanao ny valin’ny fanontanianao? 1) Tianao ho fantatra ve ny dikan’ny teny iray ao amin’ny Baiboly? Sa te hianatra momba ny olona, toerana, na toetra iray ianao? Tadidio fa milahatra araka ny abidy ny lahatsoratra rehetra ato, ary izay anarana sy teny ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao no hazavaina ato. Mety ho lohatenin’ny lahatsoratra iray ilay anarana na foto-kevitra tadiavinao. Raha tsy tonga dia hitanao ilay izy, dia jereo ny Fanondroana Teny any amin’ny faran’ny Boky Faha-2, fa mety ho any amin’ny pejy tsy ampoizinao ilay izy. 2) Fanazavana momba ny andininy iray ve no tadiavinao? Jereo ny Fanondroana Andinin-teny, ao amin’ny Boky Faha-2.

Tena irinay ny hanampian’ity boky ity anao hankasitraka bebe kokoa an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Nampanoratra ny Baiboly. Enga anie izy ity koa hanampy anao handalina sy hampihatra bebe kokoa ny Teniny, ary hitory ny fahamarinana amin’ny hafa!