Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ira

Ira

(Ira) [Ampondra].

1. Jairita voalaza fa anisan’ny “mpisoron’i Davida”, izany hoe manamboninahitra nitana andraikitra ambony. (2Sa 20:26) Mety ho taranak’ilay Jaira resahin’ny Nomery 32:41 io Ira io. Raha izany no izy, dia mety hidika hoe “manamboninahitra ambony” na “andriana” ilay teny hoe ‘mpisorona.’ Tsy milaza mihitsy ny Baiboly hoe Levita ny Jairita. Raha marina anefa izay lazain’ny Peshitta syriàka, dia mety ho mpisorona avy any Jatira (Jathira) tanànan’ny Levita i Ira.​—Ampit. 2Sa 8:18; 1Ta 6:57; 18:17.

2. Zanak’i Ikesy Tekoita, ary anisan’ny lehilahy mahery tao amin’ny tafik’i Davida Mpanjaka.​—2Sa 23:24, 26; 1Ta 11:26, 28.

3. Jitrita iray anisan’ny lehilahy maherin’i Davida Mpanjaka koa.​—2Sa 23:38; 1Ta 11:40.