Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANAZAVANA MAHALIANA

Ireo Firenena tao Amin’ilay Tany Nomen’Andriamanitra ny Israely

Ireo Firenena tao Amin’ilay Tany Nomen’Andriamanitra ny Israely

FIRENENA ratsy fitondran-tena no tao amin’ilay tany nampanantenain’i Jehovah an’i Abrahama fa homeny ny Israely. Resahin’ny Baiboly fa nodidian’Andriamanitra handringana an’ireny firenena ratsy fanahy ireny ny Israelita. (De 7:2) Maro no milaza fa tsy mety ny nataon’Andriamanitra. Ny olona manetry tena kosa miaiky fa tsy anjaran’olombelona tsy lavorary ny mitsara azy. (Ampit. Ezk 18:29.) Tian’izy ireo hofantarina kosa ny antony nanaovan’Andriamanitra izany.

Takatr’izy ireo avy amin’ilay fitantarana fa afaka manao ampamoaka na iza na iza i Jehovah Andriamanitra, ilay Mpamorona, na mino azy izy ireny na tsia. Manam-paharetana izy, nefa koa tsy manakimpy ny masony manoloana ny fanaovan-dratsy. (Ge 15:16) Nankininy ho andraikitry ny ray aman-dreny ny ankizy madinika. Tsy tiany izy ireo hihevitra hoe tsy hisy fiantraikany amin-janany ny zavatra ataony. (De 30:19; Js 10:40) Tsy haringany kosa anefa izay rehetra miala amin’ny fanao ratsy ka manompo azy.​—Js 6:25; 9:3–10:11.

Resahin’ny Baiboly mazava tsara ireo fanao ratsin’ny Kananita. Hoy àry ilay boky hoe Ny Boky Ara-baiboly Nosoratan’i Halley (1964, p. 161): “Manontany tena ireo nanao fikarohana tany amin’ny tanàna kananita efa ravarava hoe nahoana Andriamanitra no tsy nandringana azy ireo taloha kokoa.” Tsy milefitra mandrakizay amin’ny faharatsiana tokoa i Jehovah.

SARITANY: Ireo Firenena tao Amin’ilay Tany Nomen’Andriamanitra ny Israely

Tsangambaton’i Tanita sy Bala, sy sarivongan’i Tanita (na Astarta) nofongarina tao amin’ny fasana tany akaikin’i Carthage (Tonizia, Afrika Avaratra)

Fasana nahitana taolan’ireo ankizy an’arivony natao sorona ho an’i Tanita andriamanibavy. Ny tantsambo fenisianina (kananita) no nampiditra an’io fombafomba mahatsiravina io. Tena ratsy fanahy tokoa ny Kananita