Iro
(Ìro) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “ampondra”].
Lehilahy anisan’ny fokon’i Joda izy, ary ny anarany no voatonona voalohany amin’ireo zanakalahin’i Kaleba ilay nitsikilo ny tany Kanana. (1Ta 4:15) Misy manam-pahaizana milaza hoe Ir no tena anarany, fa mpampitohy amin’ny teny hebreo fotsiny ilay “o” izay midika hoe sy.