Isaia
(Isaià) [Famonjen’i Jehovah].
Mpaminany zanak’i Amoza (fa tsy i Amosa mpaminany). Nanompo tany Joda sy Jerosalema i Isaia tamin’ny andron’i Ozia, Jotama, Ahaza, ary Hezekia izay samy mpanjakan’ny Joda (Is 1:1), sy tamin’ny andron’i Peka sy Hosea mpanjakan’ny fanjakan’ny Israely tany avaratra (fanjakana nifarana tamin’ny 740 T.K.). Mpaminany niara-belona taminy i Mika, Hosea, ary Odeda, fa i Hosea nanomboka naminany talohany, ary i Mika kosa nanomboka taoriany.—2Ta 28:9; Ho 1:1; Mi 1:1.
Nanjakan’ny faharatsiana i Joda tamin’i Isaia naminany tany, indrindra fa tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka. Nikomy ny andriana sy ny vahoaka, ka tamin’i Jehovah dia narary ny fo sy ny lohan’ilay firenena. Natao hoe “mpitondra jadon’i Sodoma” ny olona ambony, ary noharina tamin’ny “mponin’i Gomora” ny vahoaka. (Is 1:2-10) Nilazan’i Jehovah i Isaia fa ho lalodalovana ny sofin’izy ireo, mandra-paharipak’ilay firenena ka ny “ampahafolony” na ny “taranaka masina” no ho sisa tavela, toy ny fototry ny hazo lehibe nokapaina. Tsy maintsy ho nampionona sy nanatanjaka ny finoan’ireo olom-bitsy ireo ny faminanian’i Isaia, na dia tsy nety nihaino aza ny ankamaroan’ny olona.—Is 6:1-13.
Naminany ho an’ny Joda i Isaia, nefa koa ho an’ny Israely sy ny firenena nanodidina, satria nisy vokany tamin’ny Joda sy nanova ny tantarany ny nataon’izy ireo. Nanomboka naminany izy tamin’ny 778 T.K. tany ho any (rehefa maty i Ozia Mpanjaka na mety ho talohan’izay), ka hatramin’ny 732 T.K. (taorian’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia). Naharitra ela izany.—Is 36:1, 2; 37:37, 38.
Fianakaviany. Nanambady i Isaia. Natao hoe “mpaminanivavy” ny vadiny (Is 8:3), angamba tsy hoe satria vadina mpaminany fotsiny izy, fa nasain’i Jehovah naminany koa, toa an’i Debora tamin’ny andron’ny Mpitsara, sy Holda tamin’ny andron’i Josia Mpanjaka.—Mpts 4:4; 2Mp 22:14.
Resahin’ny Baiboly ny anaran’ny zanak’i Isaia roa lahy, izay nomena azy ho “famantarana sy fahagagana eo amin’ny Israely.” (Is 8:18) I Seara-jasoba ny iray. Efa lehibebe izy tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka, ka nentin’i Isaia tamin’izy nampita hafatra tamin’i Ahaza. Midika hoe “Hiverina Ireo Sisa Tavela” ilay hoe Seara-jasoba. Misy heviny ara-paminaniana izy io, satria antoka fa ho rava ny fanjakan’ny Joda, ka ho olom-bitsy sisa no hiverina avy any an-tsesitany. (Is 7:3; 10:20-23) Niverina tokoa izy ireo tamin’ny 537 T.K., rehefa namoaka didy hanafahana an’ireo natao sesitany 70 taona tany Babylona i Kyrosy mpanjakan’i Persa.—2Ta 36:22, 23; Ezr 1:1; 2:1, 2.
Mbola tsy bevohoka ny vadin’i Isaia, dia efa nahazo anarana ilay ho zanany faharoa. Nosoratana teo amin’ny takela-kazo ilay anarana, ary nohamarinin’ny vavolombelona mendri-pitokisana. Toa tsy nolazalazaina izany rehetra izany raha tsy rehefa teraka ilay zaza, ka tonga ny vavolombelona ary nanamarina fa efa nolazain’i Isaia ny hahaterahan’i Mahera-salala-hasi-baza. Midika izy io hoe “Faingàna ry Zavatra Nobaboina! Nohafainganiny ny Fandrobana; na Nihazakazaka Haka Babo Izy ka Nohafainganiny ny Fandrobana.” Raha mbola tsy mahay miantso hoe “Dada” sy “Neny” akory ilay zaza, dia handamòka ny tetik’i Syria sy ny fanjakan’ny foko folon’ny Israely hanafika an’i Joda.—Is 8:1-4.
Hafahana tsy ho ela i Joda, hoy ny faminaniana. Tsy afaka nanafika azy tokoa i Rezina mpanjakan’i Syria sy Peka mpanjakan’ny Israely, satria tonga namabo an’i Damaskosy ny Asyrianina. Norobainy sy noravany koa ny fanjakan’ny Israely tamin’ny 740 T.K., ka tanteraka ny hevitry ny anaran’ilay zaza. (2Mp 16:5-9; 17:1-6) Tsy nitoky tamin’i Jehovah anefa i Ahaza Mpanjaka, fa ny mpanjakan’i Asyria indray no nomeny tsolotra mba hiaro azy tamin’ny fanafihan’i Syria sy Israely. Navelan’i Jehovah hanafika an’i Joda sy hanenika an’ilay tany hatrany Jerosalema àry ny Asyrianina.—Is 7:17-20.
Imbetsaka i Isaia no niresaka ny “famantarana” nomen’i Jehovah, anisan’izany ny zanany roa lahy sy ny tenany. Nasain’i Jehovah nandeha nitanjaka sy tsy nanao kapa telo taona, ohatra, i Isaia, ho famantarana sy fambara hoe hobaboin’ny mpanjakan’i Asyria i Ejipta sy Etiopia.—Is 20:1-6; ampit. Is 7:11, 14; 19:20; 37:30; 38:7, 22; 55:13; 66:19.
Faminaniany momba ny sesitany sy famerenana amin’ny laoniny. I Isaia koa no naminany hoe tsy i Asyria, fa i Babylona no hanongana ny mpanjakan’ny Joda sy handrava an’i Jerosalema. (Is 39:6, 7) Toy ny rano tonga ‘hatreny am-bozon’i’ Joda i Asyria. Nampahery an’i Hezekia Mpanjaka anefa i Isaia hoe tsy ho tafiditra ao an-tanàna ny Asyrianina. (Is 8:7, 8) Nirahin’i Jehovah tokoa ny anjely iray handringana Asyrianina 185 000 (miaramila sy ny lehibeny), ka avotra i Jerosalema.—2Ta 32:21.
Nasain’i Jehovah hilaza sy hanoratra faminaniana maro momba ny famerenana an’i Jerosalema amin’ny laoniny i Isaia. Izany no tena nahafaly azy satria tanàna tsy foiny izy io. Navelan’i Jehovah hatao sesitany tany Babylona ny vahoakany Is 45:1, 2; toko 13, 14, 46-48.
nikomy, nefa hotsarainy koa i Babylona satria ratsy saina sy te hanagadra ny vahoakany mandrakizay. Imbetsaka àry i Isaia no nilaza fa nomelohin’Andriamanitra izy io, ary ho lao tanteraka ka tsy haorina intsony.—Asongadin’ny faminanian’i Isaia momba ny famerenana amin’ny laoniny, fa maneho hatsaram-panahy tsy manam-paharoa sy mamindra fo amin’ny vahoakany sy ny olona rehetra i Jehovah. Hasandratra indray eo imason’i Jehovah i Jerosalema, ho hitan’ny firenena rehetra ny voninahiny, ary ho fitahiana ho azy rehetra izy io. Naverina tamin’ny laoniny sy naorina indray tokoa i Jerosalema. Tonga tao koa ny Mesia, izay “nanambara mazava tamin’ny alalan’ny vaovao tsara, ny momba ny fiainana sy ny tsy fetezan-ko lo.” (2Ti 1:10) Mbola hisy fahatanterahany lehibe kokoa anefa ny faminaniana momba an’i Jerosalema.—Ro 15:4; 1Ko 10:11; Ga 4:25, 26.
Vokatry ny asany. Tsy ny boky mitondra ny anarany ihany no nosoratan’i Isaia, fa boky ara-tantara iray koa, fara fahakeliny, dia ny tantaran’i Ozia Mpanjaka, izay anisan’ny antontan-taratasin’ilay firenena. (2Ta 26:22) Nisy heriny be teo amin’ny tantaran’ilay firenena i Isaia rehefa nanao ny asa nampanaovin’i Jehovah azy, indrindra rehefa nanoro hevitra sy nitari-dalana an’i Hezekia, mpanjaka tsara. Misy fahatanterahany lehibe kokoa amin’ny Mesia sy ilay Fanjakana koa ny faminaniany maro. Imbetsaka ny Soratra Grika Kristianina no miresaka mivantana na an-kolaka ny bokin’i Isaia, ary mampihatra ny faminaniany amin’i Jesosy Kristy na amin’izay nitranga tamin’ny andron’ny mpanoratra kristianina.