Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Isaia, Bokin’i

Isaia, Bokin’i

Asongadin’ny bokin’i Isaia fa i Jehovah no “ilay Masin’ny Israely”, satria in-25 ilay boky no miantso azy amin’io anaram-boninahitra io. Resahina mazava ao koa ny momba an’ilay Mesia na Voahosotr’i Jehovah izay hanafaka ny vahoakany.

Toy izao no votoatin’ilay boky araka ny resahin’ny andininy voalohany: “Ny fahitana azon’i Isaia zanak’i Amoza momba an’i Joda sy Jerosalema.” Misy ifandraisany amin’i Joda sy Jerosalema daholo àry ireo faminaniana ao amin’ilay boky, na dia faminaniana momba ny firenena maro aza izy ireny.

Zava-nitranga ara-tantara. Nahazo an’ilay fahitana i Isaia tamin’ny andron’i Ozia, Jotama, Ahaza, ary Hezekia, izay samy mpanjakan’ny Joda. (Is 1:1) Nifandrafy ny firenena maro tamin’izany, ary nanaraka fivavahan-diso ny mponin’i Joda. Vao nanomboka kelikely ny fanompoany i Isaia no maty i Ozia Mpanjaka, izay lasa boka satria sahisahy ratsy nanao ny asan’ny mpisorona. (2Ta 26:16, 19-21) Mpanjaka tsara kosa i Jotama zanak’i Ozia, nefa ‘mbola nanao ratsy ihany ny vahoaka.’​—2Ta 27:2; 2Mp 15:34.

Nandimby an’i Jotama i Ahaza, izay nanjaka 16 taona. Ohatra ratsy ho an’ilay firenena izy, satria nanompo an’i Bala sy nanao sorona olona. “Nivadika tamin’i Jehovah” àry ilay vahoaka. (2Ta 28:1-4, 19) Nanao fahirano an’i Jerosalema tamin’izay ny mpanjakan’i Syria sy Israely izay niray dina. Tsy noraharahain’i Ahaza ny torohevitr’i Isaia mpaminany, fa nandefa iraka kosa izy hangataka fanampiana tamin’i Tiglato-pilesera III, mpanjakan’i Asyria. (2Mp 16:5-8; Is 7:1-12) ‘Niantehitra tamin’ny sandry nofo’ izy, ‘ka niala tamin’i Jehovah ny fony.’ (Je 17:5) Nanaiky ny hanao dina taminy i Asyria nefa izy io nikendry fotsiny ny hanitatra ny fanjakany. Notafihin’ny Asyrianina i Damaskosin’i Syria ka azony, ary toa nataony sesitany ny Israely nivadi-pinoana nonina tany atsinanan’i Jordana.​—1Ta 5:26.

Natao fahirano i Samaria ary nobaboina ny mponina tao, rehefa tsy nety nandoa hetra intsony. (2Mp 16:9; 17:4-6; 18:9-12) Tsy nisy intsony àry ny fanjakan’ny foko folo, ka hafa firenena daholo no nanodidina an’i Joda. Notafihin’ny Asyrianina avy any andrefana foana ireo tanànan’i Joda sy ireo firenena nanodidina azy. Nodidian’i Sankeriba hitolo-batana mihitsy aza ny mponin’i Jerosalema. Niova anefa ny toe-javatra tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka. Natoky an’i Jehovah mantsy izy ka nomba azy i Jehovah.​—2Mp 18:5-7; Is toko 36, 37.

Nanomboka naminany i Isaia tamin’ny andron’i Ozia, izay lasa mpanjaka tamin’ny 829 T.K. Mbola naminany izy tamin’ny andron’i Hezekia, izay nanjaka hatramin’ny 717 T.K. tany ho any. Milaza ny Isaia 6:1 fa tamin’ny “taona nahafatesan’i Ozia Mpanjaka” (t. 778 T.K.) i Isaia no nahazo an’ilay fanendrena avy amin’i Jehovah resahin’ilay toko. Mety ho efa talohan’izay anefa izy no nanoratra an’ireo teny ireo. Miresaka momba ny “taona fahefatra ambin’ny folo nanjakan’i Hezekia Mpanjaka” (732 T.K.) ny Isaia 36:1. Nandefa miaramila hanafika an’i Jerosalema i Sankeriba tamin’izay, nefa tsy tafiditra tao izy ireo. Nitantara i Isaia fa natao fahirano i Jerosalema nefa novonjena, ka niverina tany Ninive i Sankeriba ary nisy namono. (Is 37:36-38) Raha i Isaia no nanoratra an’io tantara io fa tsy olon-kafa tatỳ aoriana, dia azo lazaina fa mbola naminany izy taoriana kelin’ny taona faha-14 nanjakan’i Hezekia. Toa mbola nanjaka 20 taona teo ho eo i Sankeriba taorian’ny nanafihany an’i Jerosalema, araka ny tantara asyrianina sy babylonianina (izay tsy tena azo antoka). Maty notsofana, hono, i Isaia tamin’ny andron’i Manase Mpanjaka, araka ny lovantsofina jiosy (tsy tena azo antoka koa). (Misy milaza fa izy ilay noresahin’i Paoly ao amin’ny Hebreo 11:37, nefa tsy voaporofo izany.)​—Is 1:1.

Misy andininy vitsivitsy koa manampy antsika hahalala ny fotoana nitrangan’ny zavatra sasany voatantara ao amin’ny bokin’i Isaia. Resahin’ny Isaia 7:1, ohatra, fa niakatra hiady tamin’i Jerosalema i Peka mpanjakan’ny Israely, tamin’ny andron’i Ahaza Mpanjaka. Talohan’ny 758 T.K. izany no nitranga satria tokotokony ho tamin’io taona io no nifarana ny fanjakan’i Peka, na dia nanjaka nanomboka tamin’ny 761 ka hatramin’ny 746 T.K. aza i Ahaza. Milaza koa ny Isaia 14:28 fa nisy fanambarana momba an’i Filistia natao “tamin’ny taona nahafatesan’i Ahaza Mpanjaka” (746 T.K.). Manampy antsika izany hamantatra ny fotoana nitrangan’ireo tantara ao amin’ilay boky.

Olona iray ihany no nanoratra azy. Misy mpitsikera milaza fa tsy i Isaia irery no nanoratra an’ilay boky. Olon-kafa tsy fantatra anarana velona tamin’ny faramparan’ny fotoana nanaovana sesitany ny Jiosy tany Babylona, hono, no nanoratra ny Isaia toko faha-40-66. Misy ampahany hafa koa tsy nosoratan’i Isaia, hoy ny mpitsikera sasany. Tsy manamarina izany anefa ny Baiboly.

Neken’ireo mpanoratra ny Soratra Grika Kristianina nahazo herin’ny fanahy masina, fa i “Isaia mpaminany” no nanoratra an’ireo tsinjaraina ankehitriny hoe Isaia toko 1-39 sy toko faha-40-66. Tsy nilaza an-kolaka mihitsy izy ireo hoe nisy olona roa nantsoina hoe Isaia, na hoe tsy fantatra ny anaran’ilay nanoratra ny tapany farany amin’ilay boky. (Ampitahao, ohatra, Mt 3:3; 4:14-16 sy Is 40:3; 9:1, 2; ary Jn 12:38-41 sy Is 53:1; 6:1, 10.) Naka andininy maro tamin’ny tapany farany amin’ny bokin’i Isaia koa ireo mpanoratra ny Soratra Grika, ary nilaza hoe i “Isaia mpaminany” fa tsy olon-kafa tsy fantatra anarana no nanoratra azy ireny. (Ampitahao Mt 12:17-21 sy Is 42:1-4; Ro 10:16 sy Is 53:1.) Ny Isaia 61:1, 2 ilay novakin’i Jesosy Kristy tao amin’ny “horonam-bokin’i Isaia mpaminany” tao amin’ny synagogan’i Nazareta.​—Is 61:1, 2; Lk 4:17-19.

Heverina fa natao dika mitovy tamin’ny faramparan’ny taonjato faharoa T.K. ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty Misy ny Isaia (IQIsa). Tsy nihevitra anefa ilay nanao dika mitovy azy io fa nifarana teo amin’ny toko faha-​39 ny tapany voalohany amin’ilay faminaniana. Eo amin’ny andalana farany amin’ilay tsanganana misy ny teny farany ao amin’ny toko faha-​39 ihany mantsy no anombohany ny toko faha-​40.

Ny Isaia 37:24–40:2 ao amin’ny Horonam-bokin’ny Ranomasina Maty. Eo amin’ny andalana farany amin’ilay tsanganana misy ny teny farany ao amin’ny toko faha-​39 no manomboka ny toko faha-​40

Noheverina ho asa soratra iray ihany, fa tsy roa na maromaro, ny bokin’i Isaia manontolo hatramin’izay. Mifampitohy ny toko faha​-39 sy 40 rehefa jerena ny Isaia 39:6, 7, izay mampahafantatra fa ho lasa babo ny Israely.

Tsy mino ny olona sasany hoe i Isaia irery no nanoratra an’ilay boky satria tsy ho hain’i Isaia, hono, ny haminany efa ho 200 taona mialoha fa hisy mpitondra antsoina hoe Kyrosy hanafaka ny Jiosy natao sesitany. Olon-kafa velona taorian’ny fandresen’i Kyrosy àry, hono, no nanoratra an’ilay izy. (Is 44:28; 45:1) Tsy takatr’izy ireny anefa fa asongadin’ny tapany farany amin’ilay boky ny fahaizan’Andriamanitra milaza mialoha izay hitranga amin’ny vahoakany. Efa ho 200 taona mialoha ilay faminaniana no nampahafantatra ny anaran’ilay olona handresy an’i Babylona sy hanafaka ny Jiosy, nefa mbola tsy teraka akory izy io. Voaporofo fa avy amin’Andriamanitra tokoa ilay faminaniana rehefa tanteraka. Tsy naminavina ny hoavy i Isaia, fa ‘izay nolazain’i Jehovah’ no nosoratany. (Is 45:1) Mbola tsy mitombina ihany anefa ny tenin’ireo mpitsikera, na dia atao aza hoe olona tamin’ny andron’i Kyrosy no nanoratra an’ilay faminaniana. Nahoana? Satria voaresaka mialoha ao amin’ilay tapany farany koa ny tsipiriany amin’ny fiainana sy ny fanompoan’ny Mesia na Jesosy Kristy teto an-tany, nefa mbola ela be tatỳ aoriana izany vao nitranga. Avy amin’Andriamanitra tokoa àry ireo faminaniana ireo, fa tsy asa soratra maromaro nataon’ny mpisandoka.

Tsy ny Isaia toko faha​-40-66 ihany no tsy eken’ny sasany hoe nosoratan’i Isaia fa ny toko faha​-13 koa, noho ny antony voalaza tetsy aloha ihany. Momba ny faharesen’i Babylona mantsy io toko io. Hoy anefa ny Isaia 13:1: “Ny fanamelohana an’i Babylona, tao amin’ny fahitana azon’i Isaia zanak’i Amoza.” Io ihany àry ilay “Isaia zanak’i Amoza” resahin’ny Isaia 1:1.

Mifanaraka amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly. Mifanaraka amin’ny boky maro hafa ny bokin’i Isaia. Zato taona na mahery taorian’ny andron’i Isaia, ohatra, no nosoratan’i Jeremia ny bokin’ny Mpanjaka, nefa mahaliana fa mitovy ny zavatra tantarain’ny 2 Mpanjaka 18:13–20:19 sy ny Isaia toko faha​-36-39. Nisy mpaminany hafa koa nanambara zavatra mitovy amin’izay nolazain’i Isaia, ary nisy mpanoratra Baiboly naka teny maromaro tao amin’ny bokiny.

Ireo nanoratra ny Soratra Grika Kristianina no tena naka teny imbetsaka tao amin’ny bokin’i Isaia. Ny faminaniana momba ny Mesia no anisan’ireo faminaniana miavaka indrindra naverin’izy ireo matetika sy nohazavainy hoe tanteraka tamin’iza, araka ny asehoan’ilay tabilao eto ankavanana. Naka teny matetika tao amin’ny bokin’i Isaia i Jesosy Kristy sy ny apostoliny, mba hampahafantarana hoe iza ilay Mesia.

Tsy ny andininy rehetra ao amin’ny faminanian’i Isaia naverina ao amin’ny boky hafa ao amin’ny Baiboly no hita eo amin’io tabilao io. Santionany amin’ireo faminaniana nampahalaza an’i Isaia fotsiny ireo. Asongadin’ireo faminaniana ireo sy ny andininy hafa ao amin’ilay boky, fa i Jehovah no ilay Masin’ny Israely sy Mpamonjy ny vahoakany amin’ny alalan’ilay Zanany voahosotra.