Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Isaka

Isaka

(Isàka) [Fihomehezana].

Zanaka lahitokan’i Abrahama sy Saraha vadiny. Midika izany fa nitana toerana lehibe izy, satria avy aminy no nipoiran’ireo taranaka nifandimby niavian’i Kristy. (1Ta 1:28, 34; Mt 1:1, 2; Lk 3:34) Nosarahi-nono i Isaka tamin’izy 5 taona teo ho eo; saika maty ho sorona izy, angamba tamin’izy 25 taona; nanambady tamin’izy 40 taona; niteraka kambana mirahalahy tamin’izy 60 taona; ary maty tamin’izy 180 taona.​—Ge 21:2-8; 22:2; 25:20, 26; 35:28.

Tsy fahita firy ny zava-nitranga nahatonga an’i Isaka ho teraka. Samy efa antitra be mantsy ny ray aman-dreniny, ary ny reniny aza efa ela be no tsy tonga fotoana intsony. (Ge 18:11) Nihomehy àry i Abrahama rehefa nilazan’Andriamanitra hoe hitera-dahy i Saraha. Hoy izy: “Hiteraka ihany ve ny lehilahy efa zato taona? Ary hiteraka ve i Saraha, izay vehivavy efa sivifolo taona?” (Ge 17:17) Nihomehy koa i Saraha rehefa fantany izay hitranga. (Jereo FIHOMEHEZANA.) Rehefa niherina àry ny taona, dia teraka ‘tamin’ny fotoana voatondro’ ilay zaza. Porofo izany fa tsy misy “zava-mahagaga tsy vitan’i Jehovah.” (Ge 18:9-15) Hoy i Saraha, avy eo: “Nataon’Andriamanitra izay hihomehezako, ka hiara-mihomehy amiko izay rehetra mandre izany.” Nasain’i Jehovah natao hoe Isaka ny anaran’ilay zaza. Tena nety izany, satria midika hoe “Fihomehezana” ny hoe Isaka.​—Ge 21:1-7; 17:19.

Noforana tamin’ny andro fahavalo i Isaka, ary izany no tokony ho izy satria anisan’ny ankohonan’i Abrahama izy, sady mpandova an’ireo fampanantenan’Andriamanitra.​—Ge 17:9-14, 19; 21:4; As 7:8; Ga 4:28.

Firy taona i Isaka no nosarahi-nono?

Nanomana fanasambe i Abrahama tamin’ny andro nampisaraha-nono an’i Isaka. Toa tamin’io fotoana io i Saraha no nahatsikaritra an’i Ismaela “nihomehy naneso” an’i Isaka, rahalahiny hafa reny. (Ge 21:8, 9) Milaza ny Baiboly sasany (DIEM, BFC, JB) fa “nilalao” niaraka tamin’i Isaka fotsiny i Ismaela teo, izany hoe sangisangin’ankizy no nataony. Misy heviny manafintohina koa anefa ilay teny hebreo hoe tsahak. Any amin’ny andininy hafa, ohatra, (Ge 19:14; 39:14, 17) dia adika hoe ‘manadala’ (DIEM) na “manamavo” (Da) na “manevateva” (JB) io teny io.

“Manaraby” no andikan’ny Targoma sasany sy ny Peshitta syriàka an’ilay tenin’i Ismaela ao amin’ny Genesisy 21:9. Hoy ny Fanazavana Hevi-teny nataon’i Cook, momba ilay teny hebreo hoe tsahak: “Angamba midika hoe ‘mihomehy maneso’ izy io ao amin’io andininy io. Izany rahateo matetika no ahazoana ny heviny. Nihomehy i Ismaela satria naneso, ary angamba nanao izany noho ny fanenjehany an’i Isaka sy noho izy te hanjakazaka taminy. I Abrahama kosa nihomehy satria faly noho ny amin’i Isaka, ary i Saraha koa nihomehy satria tsy nampino azy ny zavatra nambara taminy. Notarihin’ny fanahy masina ny apostoly Paoly ka nilaza mazava hoe fampahoriana sy fanenjehana no nataon’i Ismaela tamin’i Isaka, fa tsy sangisangin’ankizy. (Ga 4:29) Misy mpivaofy teny mihevitra fa nifamaly tamin’i Isaka angamba i Ismaela (izay zokin’i Isaka 14 taona) ka naneso azy, ary resaka fandovana no nanesoany azy. Ilay tenin’i Saraha eo amin’ny andininy manaraka (Ge 21:10) no nahatonga azy ireo hilaza izany. Nanizingizina mantsy i Saraha hoe: “Tsy hiray lova amin’i Isaka zanako ny zanak’io mpanompovavy io!”

Nilazan’i Jehovah i Abrahama fa ho vahiny any an-tanin’olona ny taranany, ka hampahorina 400 taona. Nifarana io fampahoriana io rehefa nafahana avy tany Ejipta ny Israely tamin’ny 1513 T.K. (Ge 15:13; As 7:6) Raha manisa 400 taona miverina, dia hita fa ny taona 1913 T.K. no nanombohan’io fampahoriana io. Io taona 1913 io koa, araka izany, no taona nampisaraha-nono an’i Isaka, satria asehon’ny fitantarana fa tamin’ny fotoana nampisaraha-nono azy no nampijalin’i Ismaela azy. Midika izany fa dimy taona teo ho eo i Isaka tamin’izy nosarahi-nono. Teraka tamin’ny 1918 T.K. mantsy izy. Tsara homarihina fa ny fotoana nahaterahany no nanombohan’ilay 450 taona voalazan’ny Asan’ny Apostoly 13:17-20. Nifarana tamin’ny taona 1467 T.K. tany ho any io fe-potoana io, rehefa tapitra ireo fanafihana nisesisesy nataon’i Josoa tany Kanana, ary nozaraina tamin’ny foko samihafa ilay tany.

Vehivavy maro be any amin’ny tany tandrefana ankehitriny no tsy mety hampinono ny zanany, na mampinono ihany fa mandritra ny enim-bolana ka hatramin’ny sivy volana fotsiny. Mety ho tena lava be amin’izy ireo àry ny mampinono zaza mandritra ny dimy taona. Milaza anefa ny Dr. Derrick Jelliffe fa tsy sarahi-nono ny zaza any amin’ny faritra maro amin’ny tany, raha tsy efa herintaona sy tapany na roa taona. Fanao any Arabia ny mampinono zaza mandritra ny herintaona sy iray volana ka hatramin’ny roa taona sy valo volana. Hitan’ny mpitsabo fa mbola afaka mampinono ny vehivavy, na dia efa bevohoka volana vitsivitsy ny zanany manaraka aza.​—Sakafon-jazakely any Amin’ny Tropika sy ny Manodidina, Genève, 1968, p. 38.

Roa taona teo ho eo vao nosarahi-nono ny zaza tany Eoropa, tamin’ny Moyen Âge (taona 500-1500 tany ho any). Nampinono ny zanany nandritra ny telo taona kosa ny vehivavy, tamin’ny andron’ny Makabeo (taonjato voalohany sy faharoa T.K.). (2 Makabeo 7:27) Tsy mahagaga raha afaka nampinono an’i Isaka nandritra ny dimy taona i Saraha. Tsy nirotoroto mantsy ny fiainan’ny olona, 4 000 taona lasa izay. Tsy nanenjika fotoana koa izy ireo, ary tsy voatery namita zavatra be dia be tao anatin’ny androm-piainana fohy kokoa toy ny an’ny olona ankehitriny. Ankoatra izany, dia zanaka lahitokan’i Saraha i Isaka, ary momba efa an-taonany maro i Saraha vao nahazo azy.

Nanaiky hatao sorona. Tsy miresaka momba ny fahazazan’i Isaka intsony ny Baiboly, taorian’ny nampisaraha-nono azy. Miresaka azy indray ny Baiboly, rehefa niteny toy izao tamin’i Abrahama rainy Andriamanitra: “Ento, azafady, i Isaka zanakao, ilay lahitokanao izay tena tianao, ka mankanesa any amin’ny tany Moria. Ary atolory ho fanatitra dorana izy rehefa any.” (Ge 22:1, 2) Tonga teo amin’ilay toerana nofidin’Andriamanitra izy mianaka rehefa afaka telo andro. I Isaka no nitondra ny kitay, fa ny rainy kosa no nitondra ny afo sy ny antsin-kena. “Aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana?”, hoy i Isaka. ‘Andriamanitra ihany no hanome ny ondry’, hoy i Abrahama.​—Ge 22:3-8, 14.

Rehefa tonga teo amin’ilay toerana izy mianaka, dia nanorina alitara ka nandahatra kitay. Nofatorana tongotra aman-tanana i Isaka, avy eo, ka natao teo ambony kitay. Noraisin’i Abrahama àry ilay antsin-kena, ary raha iny izy nampakatra ny tanany hamono an’i Isaka iny, dia niditra an-tsehatra ny anjelin’i Jehovah ka tsy nahahetsika ny tanan’i Abrahama. Tsy finoana diso toerana àry ny finoan’i Abrahama satria nanome ondrilahy tokoa i Jehovah. Voasaringotry ny kirihitrala teo an-tendrombohitra izy io, ary azo natolotra ho fanatitra dorana ho solon’i Isaka. (Ge 22:9-14) Nihevitra i Abrahama fa “hain’Andriamanitra na dia ny manangana an’i Isaka amin’ny maty aza”, ka toy ny hoe avy tamin’ny fahafatesana no nandraisany an’i Isaka. “Tandindon-javatra izany.”​—He 11:17-19.

Porofoin’io tantara mampihetsi-po io fa tena nanam-pinoana sy vonona hankatò i Abrahama sy Isaka zanany. Milaza i Josèphe fa 25 taona i Isaka tamin’io fotoana io, araka ny lovantsofina jiosy. Na ahoana na ahoana, dia efa lehibe sy natanjaka izy matoa afaka nitondra kitay be dia be nianika tendrombohitra. Afaka nanohitra an-drainy izay efa 125 taona àry i Isaka tamin’izy nofatorana, raha nifidy ny hikomy tsy hankatò ny didin’i Jehovah. (Rakitry ny Ela Jiosy, I, 227 [xiii, 2]) Nankatò kosa i Isaka ka namela an-drainy hanolotra azy ho sorona, satria izany no sitrapon’Andriamanitra. Voaporofo hoe nanam-pinoana i Abrahama ka nohamafisin’i Jehovah sy nitariny ilay fifanekena nataony taminy. Nataon’Andriamanitra tamin’i Isaka indray io fifanekena io, taorian’ny nahafatesan’ny rain’i Isaka.​—Ge 22:15-18; 26:1-5; Ro 9:7; Jk 2:21.

Mbola misy zava-dehibe raketin’io tantara io, satria faminaniana lehibe koa izy io. Asehon’izy io fa azo lazaina hoe mifanitsy amin’i Isaka i Kristy Jesosy. Vonona hamoy ilay ain’olombelona nananany i Kristy, rehefa tonga ny fotoana voatondro. Ho Zanak’ondrin’Andriamanitra izy amin’izay, ka hamonjy ny olombelona.​—Jn 1:29, 36; 3:16.

Nanam-bady aman-janaka. Taorian’ny nahafatesan’ny renin’i Isaka, dia nihevitra ny rainy fa tonga ny fotoana hanambadian-janany. Tsy vehivavy kananita mpanompo sampy mihitsy anefa no tian’i Abrahama ho vadin’i Isaka. Ny loham-pianakaviana no tena nanam-pahefana tamin’izany fotoana izany, ka nirahin’i Abrahama hiverina tany amin’ny havany tany Mezopotamia ilay mpiasa an-trano nitokisany, mba hitady vehivavy izay sady anisan’ny taranak’i Sema no nanompo an’i Jehovah Andriamanitr’i Abrahama koa.​—Ge 24:1-9.

Azo antoka fa hahomby ny dian’io olona nirahin’i Abrahama io, satria efa nankininy tamin’i Jehovah efa hatramin’ny voalohany ny fifidianana ilay ho vadin’i Isaka. Hita, avy eo, fa i Rebeka, izay zafikelin’ny rahalahin’i Abrahama, no nofidin’Andriamanitra. Nanaiky handao ny havany i Rebeka, ary niara-dia tamin’ilay mpanompo sy ny olona rehetra niaraka taminy, ka nankany Negeba, toerana nonenan’i Isaka. Mitantara an’ilay fotoana nihaonan’izy roa voalohany ny Baiboly, ary milaza toy izao, avy eo: “Ary i Rebeka nentin’i Isaka nankao an-tranolain’i Saraha reniny. Dia nalainy i Rebeka ka lasa vadiny. Koa raiki-pitia taminy i Isaka, ary nionona tamin’ny nahafatesan-dreniny izy.” (Ge 24:10-67) Tamin’ny 1878 T.K. àry i Isaka no nanambady, satria 40 taona izy tamin’izay.​—Ge 25:20.

Fantatsika avy amin’ny tantaran’i Isaka fa momba nandritra ny 20 taona i Rebeka. Hanao toa an-drainy àry ve i Isaka, ka mbola hino an’ilay fampanantenan’i Jehovah hoe hitahy ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany amin’ny alalan’ny taranaka iray mbola tsy teraka akory? Nasehony fa nino tokoa izy, satria tsy nitsahatra niangavy an’i Jehovah izy mba hanome azy zanakalahy. (Ge 25:19-21) Tsy hoe nandeha ho azy fotsiny ny fahatongavan’ilay taranaka nampanantenaina. Voaporofo indray teto fa tsy ho tonga mihitsy ilay taranaka, raha tsy i Jehovah mihitsy no nandray an-tanana ny raharaha. Efa izany koa no nataon’Andriamanitra vao nisy i Isaka. (Js 24:3, 4) Ela ny ela ka nahazo fitahiana roa sosona i Isaka tamin’ny 1858 T.K., satria niteraka kambana, dia i Esao sy Jakoba. Efa 60 taona izy tamin’izay.​—Ge 25:22-26.

Nifindra tany Gerara, tanin’ny Filistinina, ry Isaka mianakavy vokatry ny mosary. Nilazan’Andriamanitra mantsy izy mba tsy hidina tany Ejipta. Tamin’io fotoana io no nanamafisan’i Jehovah fa amin’ny alalan’i Isaka no hanatanterahany an’ilay fampanantenany tamin’i Abrahama. Naverin’i Jehovah tamin’i Isaka àry ilay fampanantenana, ka hoy izy: “Hataoko maro tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra ny taranakao, ary homeko ny taranakao izao tany rehetra izao. Ary ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao.”​—Ge 26:1-6; Sl 105:8, 9.

Tsy dia tia olona loatra ny Filistinina. Nampiasa tetika toy ny nataon’i Abrahama rainy àry i Isaka, ka nolazainy hoe anabaviny ny vadiny. Nialona azy anefa ny Filistinina rehefa afaka elaela, noho ny nitahian’i Jehovah azy. Voatery nifindra monina izy, noho izany. Nankany amin’ny lohasaha falehan-driakan’i Gerara aloha izy, ary avy eo nankany Beri-sheba, eo amin’ny sisin’i Negeba. Tonga tany amin’i Isaka tany amin’io tany karakaina io ireo Filistinina tsy tia azy taloha, satria te hifanao “fianianana” na fifanekem-pihavanana taminy. Niaiky mantsy ny Filistinina hoe: “Ianao ankehitriny no tahin’i Jehovah.” Nahita rano tany ambanin’ny tany ny mpanompon’i Isaka, ka nantsoin’i Isaka hoe Shiba io toerana io. “Izany no antony nanaovana ny anaran’ilay tanàna hoe Beri-sheba [midika hoe “Lavadranon’ny Fianianana; na Lavadranon’ny Fito”] mandraka androany.”​—Ge 26:7-33; jereo BERI-SHEBA.

Efa tia an’i Esao foana i Isaka, satria mpikarenjy teny rehetra teny i Esao, sady mpihaza sy mpankeny an-tsaha, ka nitondra haza hohanin’i Isaka. (Ge 25:28) Efa tsy nahita intsony ny mason’i Isaka, ary tsapany hoe efa ho faty izy. Nieritreritra ny hitso-drano ny lahimatoany àry izy, ka niantso an’i Esao. (Ge 27:1-4) Tsy fantatra raha fantany hoe efa namidin’i Esao tamin’i Jakoba rahalahiny ny zon’ny lahimatoa, na koa tsy tsaroany hoe talohan’ny nahaterahan’izy roa lahy Andriamanitra no efa nandidy hoe “ny zokiny hanompo ny zandriny.” (Ge 25:23, 29-34) Na ahoana na ahoana, dia nahatsiaro izany kosa i Jehovah, ary tsy izy ihany fa i Rebeka koa, izay nanao zavatra haingana mba hahazoan’i Jakoba an’ilay tsodrano. Fantatr’i Isaka, avy eo, ilay fitaka, nefa tsy nety niova hevitra izy satria azony antoka fa izany no sitrapon’i Jehovah. Naminany i Isaka fa tsy ho eny akaikin’ny faritra lonaka no honenan’i Esao sy ny taranany. Nilaza koa izy fa ny sabatr’izy ireo no hivelomany, ary hotapahin’izy ireo hiala amin’ny vozony ny ziogan’i Jakoba amin’ny farany.​—Ge 27:5-40; Ro 9:10-13; jereo ESAO.

Nalefan’i Isaka nankany Padana-arama i Jakoba, avy eo, mba ho azony antoka hoe tsy hanao toa an’i Esao rahalahiny izay nanambady vehivavy kananita, ka nampitondra alahelo ny ray aman-dreniny. Nipetraka tao Kiriata-arba i Isaka rehefa niverina i Jakoba, taona maro tatỳ aoriana. Tanàna teny amin’ny havoana i Kiriata-arba, izany hoe Hebrona. Tao koa i Isaka no maty, teo amin’ny faha-180 taonany, “rehefa antitra sady voky andro.” Maty tamin’ny 1738 T.K. àry izy. Lasa praiminisitra tany Ejipta i Josefa zafikeliny ny taona nanaraka. Nalevina tao amin’ilay lava-bato tao Makpela i Isaka. Tao koa no nandevenana ny ray aman-dreniny sy ny vadiny. Nalevina tao koa i Jakoba zanany, tatỳ aoriana.​—Ge 26:34, 35; 27:46; 28:1-5; 35:27-29; 49:29-32.

Ny hevitr’ireo andininy hafa miresaka momba an’i Isaka. Fahita matetika ao amin’ny Baiboly ilay teny hoe “Abrahama sy Isaka ary Jakoba”, ary voatonona ao amin’izy io ny anaran’i Isaka. Te hilaza ny sasany amin’ireny andinin-teny ireny hoe i Jehovah no Andriamanitra notompoin’ireo loham-pianakaviana ireo. (Ek 3:6, 16; 4:5; Mt 22:32; As 3:13) Miresaka momba an’ilay fifanekena nataon’i Jehovah tamin’izy ireo kosa ny andininy sasany. (Ek 2:24; De 29:13; 2Mp 13:23) Manana heviny an’ohatra koa io teny io, raha jerena ny fomba nampiasan’i Jesosy azy ao amin’ny Matio 8:11. Misy andininy hafa koa mampiasa hevitra mifanitsy ka manonona an’i Isaka sy ny taranany, izany hoe ny firenen’Israely, satria i Isaka no razamben’izy ireo.​—Am 7:9, 16.

Taranak’i Abrahama i Isaka ka mifanitsy aminy i Kristy, izay hahazoana fiainana mandrakizay. Hoy mantsy ny Baiboly: “Tamin’i Abrahama sy tamin’ny taranany no nilazana ny fampanantenana. Tsy voalaza hoe: ‘Ary ho an’ireo taranaka’, toy ny milaza maro, fa toy ny milaza tokana, dia hoe: ‘Ary ho an’ny taranakao’, dia i Kristy izany.” Tsy i Kristy ihany anefa no mifanitsy amin’i Isaka, fa eo koa ireo “an’i Kristy”, izany hoe ireo “tena taranak’i Abrahama, sady mpandova araka ny fampanantenana.” (Ga 3:16, 29) “Sary an’ohatra” koa izy roa lahy, izany hoe i Isaka sy Ismaela, ary toy izany koa i Saraha sy Hagara renin’izy ireo. “Nateraka araka ny nofo” mantsy ny Israely ara-nofo (toa an’i Ismaela), fa ireo anisan’ny Israely ara-panahy kosa “zanaky ny fampanantenana toa an’i Isaka.”​—Ga 4:21-31.

Misy “vavolombelona maro be toy ny rahona manodidina antsika”, ary anisan’ireny i Isaka. Anisan’ireo niandry “ilay tanàna manana fototra tena izy” mantsy izy. “Andriamanitra no mpanorina sy mpanao azy io.”​—He 12:1; 11:9, 10, 13-16, 20.