Isakara
(Isakàra) [Izy no Karama [izany hoe lehilahy no karama]].
1. Zanakalahy fahasivy naterak’i Jakoba, ary fahadimy tamin’ireo zanakalahy fito naterak’i Lea taminy tany Padana-arama. Nihevitra i Lea fa i Isakara no valisoa nomen’i Jehovah azy, na karamany, noho izy namela ny mpanompovaviny hiteraka zanakalahy tamin’ny vadiny, tamin’izy mbola tsy afa-niteraka.—Ge 29:32–30:21; 35:23, 26; 1Ta 2:1.
Valo taona angamba i Isakara rehefa nifindra tany Kanana ny fianakaviany, tamin’ny 1761 T.K. Tsy re intsony ny momba azy, taorian’izay. Fantatra fotsiny hoe rehefa nisy zavatra tantarain’ny Baiboly hoe nataon’ireo “zanakalahin’i Jakoba”, dia tafiditra tamin’izany koa izy. (Ge 34:5-7, 13, 27; 37:3-27; 42:1-3; 45:15) Nifindra tany Ejipta i Isakara tamin’izy 41 taona teo ho eo, tamin’ny 1728 T.K., niaraka tamin’ireo zanany lahy, izany hoe i Tola, Pova (Poha), Joba (Jasoba), ary Simrona. Anisan’ireo olona “fitopolo” tao amin’ny ankohonan’i Jakoba izy ireo.—Ge 46:13, 27; Ek 1:1-3; 1Ta 7:1.
Nitso-drano an’ireo zanany lahy 12 i Jakoba tamin’izy efa ho faty, ary i Isakara no fahenina nahazo tsodrano. Hoy i Jakoba tamin’izay: “Isakara dia ampondra mafy taolana, izay matory eo ambany lasely, eo anelanelan’ny kitapon-dasely roa. Ho hitany fa tsara ny toerana onenany sady mahafinaritra ilay tany. Ary hanaiky hitondra entana eo an-tsorony izy ka hampanaovina asa an-terivozona.” (Ge 49:14, 15) Nanazava i Jakoba eo hoe inona no zavatra hisongadina sy hitranga eo amin’ny fiainan’i Isakara. Tsy izay ihany anefa! Naminany koa izy eo, toy ny nataony tao amin’ny tsodranony ho an’ireo rahalahin’i Isakara, hoe inona no toetra sy fitondran-tena hampiavaka an’ilay foko sy ny taranany “any am-parany.”—Ge 49:1.
2. Iray amin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely. Nantsoina hoe Isakara koa ny taranak’i Jakoba avy tamin’i Isakara zanany.
Rehefa natao ny fanisam-bahoaka voalohany taorian’ny nialana tany Ejipta, dia nisy 54 400 ireo vatan-dehilahy 20 taona no ho miakatra sy azo nalefa tao amin’ny tafika, tao amin’io foko io. (No 1:17-19, 28, 29) Tokotokony ho 39 taona tatỳ aoriana, dia nisaina indray ireo vatan-dehilahy, ka hita fa 64 300 izy ireo. Niakatra ho 87 000 izany tamin’ny andron’i Davida. (No 26:23-25; 1Ta 7:5) Nisy 200 lahy, lehiben’ny tafika teo amin’ilay foko, nankany Hebrona tamin’ny 1070 T.K., mba hanao an’i Davida ho “mpanjakan’ny Israely rehetra.”—1Ta 12:23, 32, 38.
Nitoby teo atsinanan’ny tranolay masina ny fokon’i Isakara, tany an-tany efitra, niaraka tamin’ny fokon’i Zebolona. Teo ankavia sy ankavanan’ny fokon’i Joda ireo foko roa ireo, izay taranaky ny mpirahalahy iray tam-po. (No 2:3-8) Io fizarana nisy foko telo io no niainga voalohany rehefa nifindra lasy ny Israelita. (No 10:14-16) Nampiarahin’i Mosesy ny fokon’i Isakara sy Zebolona, rehefa nitso-drano farany ny firenen’Israely izy. (De 33:18) Nosarahina anefa izy ireo, taona vitsivitsy tatỳ aoriana, rehefa nozaraina roa ireo fokon’ny Israely mba hihaino an’ireo fitahiana sy ozona tao amin’ny Lalàna, izay novakina teo amin’ny Tendrombohitra Gerizima sy Tendrombohitra Ebala.—De 33:18; 27:11-13; Js 8:33-35; jereo EBALA, TENDROMBOHITRA.
I Isakara no foko fahefatra nahazo ny anjara lovany, rehefa natao ny antsapaka tamin’ny nizarana ny Tany Nampanantenaina. Tao amin’ilay lohasaha lonaka atao hoe Jezirela ny ampahany lehibe tamin’ny anjara lovany. Ny faritanin’i Zebolona sy Naftaly no tany avaratry ny faritanin’i Isakara, ary ny Reniranon’i Jordana no teo atsinanany. Ny faritanin’i Manase no teo atsimony, ary ampahany tamin’ny faritanin’i Asera no teo andrefany. Teo amin’ny sisin-taniny avaratra, izay nanasaraka azy tamin’ny faritanin’i Zebolona, no nisy ny Tendrombohitra Tabara. Ny tanànan’i Megido kosa no teo akaikin’ny sisin-taniny atsimoandrefana, ary i Beti-sana teo akaikin’ny sisin-taniny atsimoatsinanana. Nisy tanàna kananita maromaro sy tanàna kely niankina taminy, tao amin’ny faritanin’i Isakara. (Js 17:10; 19:17-23) Teo amin’io lohasaha kanto io ny fokon’i Isakara no ‘nifaly tao an-tranolainy’, araka ny tsodranon’i Mosesy.—De 33:18.
Azo inoana fa nolazaina hoe toy ny “ampondra mafy taolana” i Isakara noho ny toetra iray nampiavaka azy, izay hita taratra koa tamin’ilay foko avy aminy. (Ge 49:14, 15) “Mahafinaritra” ilay tany nomena azy ireo, satria anisan’ny faritra lonaka sy nahavokatra tao Palestina. Nitaky asa mafy izany nefa toa tsy nitsoaka an-daharana i Isakara. Vonona hisahirana izy matoa nolazaina hoe “hanaiky hitondra entana eo an-tsorony.” Mendri-koderaina àry ilay foko, na dia tsy foko niavaka aza, satria tsy niamboho adidy.
Nisy tanànan’ny fokon’i Manase tao amin’ny faritanin’i Isakara, anisan’ireny ny tanàna niavaka toa an’i Megido sy Beti-sana. (Js 17:11) Nomena ho an’ny fokon’i Levy koa ny tanàna sasany tao amin’ny faritanin’i Isakara, sy ny kijanan’ireny tanàna ireny. (Js 21:6, 28, 29; 1Ta 6:62, 71-73) Nanao ny anjara adidiny koa ny fokon’i Isakara, tatỳ aoriana, ka namatsy sakafo an’ireo tao an-dapan’i Solomona, nandritra ny iray volana isan-taona.—1Mp 4:1, 7, 17.
Iray tamin’ireo olona niavaka tao amin’ny fokon’i Isakara i Jigala. Anisan’ireo voafidy mba hijery taratra ny Tany Nampanantenaina izy, ary nanakivy an’ireo Israelita mba tsy hiditra tao. (No 13:1-3, 7, 31-33) Niavaka koa i Netanela, mpiadidy taorian’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta (No 1:4, 8; 7:18; 10:15), sy Paltiela, mpiadidy rehefa niditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita (No 34:17, 18, 26), ary Omry, mpiadidy nandritra ny fanjakan’i Davida.—1Ta 27:18, 22.
Anisan’ireo foko nanampy an’i Baraka Mpitsara mba handresy ny tafik’i Jabina notarihin’i Sisera i Isakara. (Mpts 4:2; 5:15) Tatỳ aoriana, dia nitsara ny Israely nandritra ny 23 taona i Tola, izay anisan’ny fokon’i Isakara. (Mpts 10:1, 2) Nizara roa ny firenen’Israely rehefa nandeha ny fotoana. Avy amin’ny fokon’i Isakara koa i Basa, izay mpanjaka fahatelo tao amin’ilay fanjakana tany avaratra. Ratsy fanahy izy, ka novonoiny ilay mpanjaka teo alohany mba hahazoany ny fanjakana, ary nanjaka 24 taona izy. (1Mp 15:27, 28, 33, 34) Nanasa an’ireo tao amin’ilay fanjakana tany avaratra mba hiaraka hankalaza ny Paska taminy i Hezekia mpanjakan’ny Joda, 200 taona teo ho eo taorian’izay. Olona maro anisan’ny fokon’i Isakara no nanaiky izany ka nankany Jerosalema.—2Ta 30:1, 13, 18-20.
Notononina niaraka tamin’ny foko hafa i Isakara, tao amin’ireo fahitana ao amin’ny bokin’i Ezekiela sy Apokalypsy. Mazava fa misy heviny an’ohatra izany, satria faminaniana no ambaran’ireo fahitana ireo.—Ezk 48:25, 26, 33; Ap 7:7.
3. Levita iray mpiandry vavahady. Zanakalahy fahafito naterak’i Obeda-edoma Korahita izy. Voatendry hiambina ny vavahady atsimo tamin’ilay toerana masina tao Jerosalema i Isakara sy ny havany.—1Ta 26:1-5, 13, 15.