Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iskariota

Iskariota

(Iskariòta) [avy amin’ny teny heb., ary mety hidika hoe Lehilahy avy any Keriota].

Anaran’i Jodasy, ilay apostoly namadika an’i Jesosy. Simona Iskariota no anaran-drainy. Ilay anarany hoe Iskariota no nanavahana azy tamin’ilay apostoly hafa nantsoina koa hoe Jodasy. (Mt 10:4; Lk 6:16; Jn 6:71) Maro no mihevitra fa midika hoe “Lehilahy avy any Keriota” ilay hoe “Iskariota.” Raha izany no izy, dia azo inoana fa avy any Keriota-hezrona, tanànan’i Joda, i Simona sy Jodasy zanany.​—Js 15:25; jereo JODASY No. 4.