Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ismaela

Ismaela

(Ismaèla) [Mandre (Mihaino) Andriamanitra].

1. Zanakalahin’i Abrahama tamin’i Hagara, ilay Ejipsianina mpanompovavin’i Saraha. Teraka tamin’ny 1932 T.K. i Ismaela, ary 86 taona i Abrahama rainy tamin’izay.​—Ge 16:1-4, 11-16.

Nilazana i Abrahama fa hitera-dahy koa i Saraha, ary avy amin’io zanany io no ipoiran’ny “mpanjakan’ny firenena maro.” Nitalaho toy izao tamin’Andriamanitra àry i Abrahama ho an’i Ismaela lahimatoany: “Ho velona eo anatrehanao anie i Ismaela!” Nanazava taminy Andriamanitra fa i Isaka, izay zanaka mbola haterany, no handova ny fifanekena. Hoy koa anefa Izy: ‘Efa reko koa izay nolazainao momba an’i Ismaela. Hotahiko izy ka hataoko manan-taranaka. Ary hataoko maro dia maro ny taranany. Hiteraka mpiadidy roa ambin’ny folo izy, ka hataoko ho lasa firenena lehibe.’ (Ge 17:16, 18-20) Noforana i Ismaela avy eo, ary 13 taona izy tamin’izay. Niara-noforana taminy koa ny rainy sy ny mpanompon-drainy.​—Ge 17:23-27.

Teraka i Isaka herintaona taorian’izay, ary 14 taona i Ismaela tamin’izay. (Ge 16:16; 21:5) Nosarahi-nono i Isaka rehefa afaka dimy taona (tamin’ny 1913 T.K.), ary tamin’izay andro izay i Ismaela no tratra “nihomehy naneso” an’i Isaka zandriny hafa reny. (Ge 21:8, 9) Tsy sangisangin’ankizy tsotra fotsiny no nataon’i Ismaela. Hita amin’ny andininy manaraka fa mety ho resaka fandovana no nanesoan’i Ismaela an’i Isaka. Nohazavain’ny apostoly Paoly fa “sary an’ohatra” izany, ary nantsoiny hoe fanenjehana ilay fampijalian’i Ismaela, metisy ejipsianina, an’i Isaka. Nanomboka tamin’izay àry ilay 400 taona voalaza fa hampahoriana ny Israely. Nifarana izany rehefa nafahana avy tany Ejipta ny Israely, tamin’ny 1513 T.K.​—Ga 4:22-31; Ge 15:13; As 7:6; jereo ISAKA.

Nanambany an’i Isaka i Ismaela, ka voaroaka tsy ho anisan’ny ankohonan’i Abrahama izy sy ny reniny. Nomena vatsy hoentiny teny an-dalana izy mianaka, na izany aza. “Naka mofo sy siny hoditra feno rano” i Abrahama, ary “nomeny an’i Hagara izany, ka napetrany teo an-tsorony. Ary nomeny azy koa ny zaza, ka nalefany nandeha ravehivavy.” (Ge 21:14) Misy milaza fa natao teo am-baben’i Hagara, hono, i Ismaela izay efa 19 taona. Izany mihitsy aza no andikan’ny Baiboly hafa an’izay nitranga. (Kat., Li, TOB) Hoy, ohatra, ny Fandikan-teny katolika: “Naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray [Abrahama]; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy.” Misy kosa manam-pahaizana mihevitra fa teny nasisika fotsiny ny hoe “sy nataony teo an-tsorony”, mba hanazavana ny fomba nitondrana an’ilay mofo sy rano. Raha atao ao anaty fonon-teny, hono, ireo teny ireo, na atao eo anelanelan’ny faingo roa, dia mazava avy hatrany ny hevitr’ilay andininy. Manizingizina i Keil sy Delitzsch, mpivaofy teny ara-baiboly, fa miaraka amin’ilay matoanteny fototra hoe “naka” ilay hoe “ary ny zaza koa”, fa tsy miaraka amin’ilay matoanteny hoe “nomeny” na ilay hoe “nataony.” Ilay mpampitohy hoe “ary” no mampifandray an’ilay hoe “naka” amin’ny hoe “ny zaza.” Izao àry no tokony ho hevitr’ilay andininy: Naka mofo sy rano i Abrahama ary nomeny an’i Hagara ireo (nataony teo an-tsorony), ary naka an’ilay zaza izy ary nomeny an’i Hagara koa.​—Fanazavana ny Testamenta Taloha, 1973, Boky I, Ny Boky Voalohany Nosoratan’i Mosesy, p. 244-245.

Toa very tany an-tany efitr’i Beri-sheba i Hagara. “Nadabony teo ambanin’ny kirihitra iray [àry] ny zaza”, rehefa lany ny rano ary reraka be i Ismaela. (Ge 21:14, 15) Tsy hoe zazakely mbola notrotroina i Ismaela, na dia voalaza aza hoe ‘ny zaza.’ Tsy zazakely foana mantsy no dikan’ilay teny hebreo hoe yeled (zaza), fa matetika aza izy io no midika hoe ankizilahy na tovolahy. Efa 17 taona, ohatra, i Josefa tamin’izy namidy ho andevo, nefa hoy i Robena momba azy: “Aza manota amin’ny zaza [vaiyeled].” Nilaza koa i Lameka fa “tovolahy iray [yeled]” no nandratra azy.​—Ge 42:22; 4:23; jereo koa 2Ta 10:8.

Voalaza hoe ‘nadabok’i Hagara’ ilay zaza. Midika ve izany hoe teny an-trotroany na teny am-babeny i Ismaela? Tsy izany mihitsy. Toa nesoriny tampoka kosa ny tanany nanohana an’i Ismaela. Azo antoka mantsy fa nanohana azy tsy hianjera i Hagara satria reraka izy io.

Niantso vonjy i Ismaela, ary “nandre Andriamanitra”, araka ny dikan’ny anaran’i Ismaela. Nomen’Andriamanitra ny rano nilainy izy, ary notsimbininy ny ainy. Lasa mpandefa zana-tsipìka, sy mpifindrafindra monina tany an-tany efitr’i Parana i Ismaela, ka nanatanteraka ilay faminaniana momba azy hoe: “Tsy ho laitra fehezina toy ny zebra izy: Ny tanany hanohitra ny rehetra, ary ny tanan’ny rehetra kosa hanohitra azy. Ary eo anatrehan’ny rahalahiny rehetra no hananganany ny tranolainy.” (Ge 21:17-21; 16:12) Nahita vehivavy ejipsianina ho vadin-janany i Hagara. Niteraka 12 lahy i Ismaela rehefa nandeha ny fotoana. Lasa mpiadidy sy lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny Ismaelita, ilay “firenena lehibe” nampanantenaina, ireo zanany ireo. Nanan-janakavavy iray koa i Ismaela, fara fahakeliny. Mahalota no anarany, ary nanambady an’i Esao izy.​—Ge 17:20; 21:21; 25:13-16; 28:9; jereo ISMAELITA.

Nanampy an’i Isaka nandevina an’i Abrahama rain’izy ireo i Ismaela, tamin’izy 89 taona. Mbola velona 48 taona izy taorian’izay, ary maty tamin’ny 1795 T.K., tamin’izy 137 taona. (Ge 25:9, 10, 17) Tsy voalaza raha nalevina tao amin’ilay lava-bato tao Makpela izy, na tsia. Io lava-bato io no nandevenana an’i Abrahama sy Isaka ary ny vadin’izy ireo avy.​—Ge 49:29-31.

2. Taranak’i Saoly avy tamin’i Jonatana. Zanakalahin’i Azela avy amin’ny fokon’i Benjamina i Ismaela.​—1Ta 8:33-38, 40; 9:44.

3. Rain’i Zebadia. Notendren’i Josafata ho solontenam-panjakana io Zebadia io, rehefa nisy raharaham-pitsarana. Avy amin’ny fokon’i Joda i Ismaela.​—2Ta 19:8, 11.

4. Anisan’ireo “lehiben’ny zato” izay nanao fifanekena tamin’i Joiada Mpisoronabe mba hanongana an’i Atalia ratsy fanahy, ka hametraka an’i Joasy eo amin’ny seza fiandrianana. Zanakalahin’i Johanana i Ismaela.​—2Ta 23:1, 12-15, 20; 24:1.

5. Mpitarika an’ireo namono an’i Gedalia Governora, telo volana monja taorian’ny naharavan’i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. Lehiben’ny tafika i Ismaela ary zanakalahin’i Netania, izay anisan’ny tarana-mpanjaka. Tany ambanivohitra izy, tamin’ny fotoana nanendren’i Nebokadnezara an’i Gedalia ho governora. Nankany amin’i Gedalia izy tatỳ aoriana. Toa nanao fifanekena izy roa lahy hoe hihavana ary nohamafisiny tamin’ny fianianana izany. Midika izany fa hanohana an’i Gedalia i Ismaela. Niray tetika mangingina hamono an’i Gedalia anefa i Ismaela sy Balisa mpanjakan’ny Amonita. Efa nampitandrina an’i Gedalia ihany ny lehiben’ny tafika hafa, anisan’ireny i Johanana, hoe te hanisy ratsy azy i Ismaela. Tsy nino anefa ilay governora ka tsy navelany hamono an’i Ismaela i Johanana.​—2Mp 25:22-24; Je 40:7-16.

Raha mbola niara-nisakafo tamin’i Gedalia àry i Ismaela sy ireo folo lahy niaraka taminy, dia nitsangana izy ireo ka namono an’i Gedalia sy ny Jiosy ary ny Kaldeanina niaraka tamin’i Gedalia. Ny ampitson’iny, dia nosamborin’ireo mpamono olona ireo ny 80 lahy tonga avy tany Sekema sy Silo ary Samaria, ka 10 ihany no tsy matiny. Natsipiny tao amin’ilay lavaka lehibe fanangonan-drano nataon’i Asa Mpanjaka ny faty. Nobaboin’i Ismaela sy ny lehilahy niaraka taminy ny olona sisa tavela tany Mizpa, ka nentiny tany amin’ny faritanin’ny Amonita. Tratran’i Johanana sy ny tafiny teny an-dalana anefa izy ireo, ary novonjeny ireo babo. Nitsoaka tany amin’ny Amonita kosa i Ismaela sy ny valo lahy niaraka taminy.​—2Mp 25:25; Je 41:1-18.

6. Iray amin’ireo mpisorona tao amin’ny fianakaviamben’i Pasora. Anisan’ireo nandroaka ny vadiny hafa firenena i Ismaela, tamin’ny andron’i Ezra.​—Ezr 10:22, 44.