Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Israelita

Israelita

(Israelìta) [An’i Israely].

Taranak’i Jakoba, ilay novana anarana hoe Israely. (2Sa 17:25; Jn 1:47; Ro 11:1; jereo ISRAELY No. 1.) Ireto avy no hevitr’ilay anarana raha amin’ny endriny milaza maro: 1) Ireo anisan’ny foko 12 talohan’ny nizaran’ny fanjakan’ny Israely ho roa (1Sa 2:14; 13:20; 29:1); 2) ireo anisan’ny fanjakan’ny foko 10 tany avaratra (1Mp 12:19; 2Mp 3:24); 3) ireo Jiosy tsy Levita avy natao sesitany tany Babylona (1Ta 9:1, 2); 4) ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany.​—As 13:16; Ro 9:3, 4; 2Ko 11:22.