Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Istoba

Istoba

(Istôba) [Lehilahin’i Toba].

Iray tamin’ireo fanjakana kely nanome miaramila ho an’ny taranak’i Amona mba hiadiany tamin’i Davida. Resy anefa ireo miaramila avy any “Istoba” sy ireo namany. (2Sa 10, TV, JM) Mihevitra ny ankamaroan’ny mpandika teny sy ny mpahay jeografia fa tokony hadika hoe “olona avy tany Toba” na “lehilahy avy any Toba” ilay hoe “Istoba”, ka ilay “Toba” nisy an’i Jefta no tiana holazaina eo. (Mpts 11:3-11; jereo 2Sa 10:6, 8, Prot., Kat.) “Istoba” anefa no ao amin’ny dikan-teny tranainy sasany. (LXX; Sy; Vg) Tsy fantatra ankehitriny hoe taiza no nisy azy io.​—Jereo TOBA.