Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Italia

Italia

[mety ho avy amin’ny teny lat. hoe vitulus, “zanak’omby”].

Saikinosy miendrika baoty any amin’ny kontinanta eoropeanina, ary mitsofoka mianatsimoatsinanana any amin’ny Ranomasina Mediterane. Misy 1130 km eo ho eo avy eo amin’ny tendrombohitr’i Alpes any avaratra, ka hatreny amin’ny Andilan-dranomasin’i Messine any atsimo. Miovaova ny sakan’i Italia satria mety hahatratra 160 km ka hatramin’ny 240 km. Ny Ranomasina Adriatika no eo atsinanany, ary ny Ranomasina Tyrenianina no eo andrefany. Mamakivaky ny lavan’ilay tany ny tandavan-tendrombohitra Apennin, ary misy lohasaha lonaka eny akaikin’ireo lemaka amoron-tsiraka. I Tibre sy Pô no renirano lehibe indrindra, ary 301 000 km toradroa eo ho eo ny velaran’ilay tany.

Nilaza i Antiokosa avy any Syrakosa (taonjato fahadimy T.K.) fa ny faritanin’i Calabre tany atsimo ihany no nantsoina hoe Italia, tany am-boalohany. Tany no nipetraka ireo Itali. Toa Italia no teny grika ilazana ny hoe Vitelia, izay misy ifandraisany amin’ny teny latinina hoe vitulus, midika hoe “zanak’omby.” Nantsoina toy izany angamba io faritra io satria nisy kijana sy omby, na satria nihevi-tena ho taranak’ilay ombilahy nivavahany ny mponina tany. Mitovitovy habe amin’i Italia ankehitriny ilay Italia tamin’ny taonjato voalohany.

Nisy olona avy tamin’ny firenen-tsamihafa nifindra monina tao amin’io tany lonaka be io, nandritra ny taonjato maro. Niady foana àry ny mponina tao sy ireo mpiavy nanafika an’ilay tany. Nanorim-ponenana sy nifanambady anefa ireny olona samy hafa fiaviana ireny, ka lasa nifangaroharo be ny fiteny sy ny fombafomba tany Italia.

Efa ela no tonga tany Italia ny Fivavahana Kristianina. Nisy Jiosy avy any Roma sy Italianina niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy mantsy nahita ny nilatsahan’ny fanahy masina sy nihaino ny fanazavan’i Petera, tamin’ny Pentekosta taona 33. Azo antoka fa anisan’ireo olona “tokony ho telo arivo” natao batisa tamin’iny andro iny ny sasany taminy. (As 2:1, 10, 41) Mety ho izy ireo no Kristianina voalohany teo anivon’ny fiangonan’i Roma, rehefa tafaverina tany Italia izy ireo. Nandefasan’i Paoly taratasy io fiangonana io, tatỳ aoriana. (Ro 1:1-7) Anisan’izy io angamba i Akoila sy Prisila tany Italia, tamin’i Klaodio Mpanjaka nandidy an’ireo Jiosy hiala tany, tamin’ny taona 49 na tany am-piandohan’ny taona 50. Tonga tany Korinto izy mivady, taloha kelin’ny nitsidihan’i Paoly voalohany azy io tamin’ny diany misionera faharoa.​—As 18:1, 2.

Nanana trano tao Kaisaria i Kornelio, izay manamboninahitra tao amin’ny “Andia-miaramila Italianina.” (As 10:1) Tao Kaisaria koa i Paoly no notsaraina teo anatrehan’i Festosy, ka nampiakatra ny raharaha tany amin’i Kaisara. Nentina an-tsambo nankany Myra àry izy, ary avy eo nafindra tamin’ny sambo mpitondra varimbazaha avy any Aleksandria niaraka tamin’ny voafonja hafa. Io indray no nitondra azy ireo nankany Italia. (As 25:6, 11, 12; 27:1, 5, 6) Vaky sambo izy ireo, ka voatery nijanona tao amin’ny nosy Malta nandritra ny ririnina. Tamin’ny voalohandohan’ny taona 59 angamba i Paoly no sambany nigadona tany Italia, rehefa tonga tao Regioma, ilay tendrony farany atsimon’i Italia. Nidina tao amin’ny seranan-tsambon’i Potioly tany amin’ny Helodranomasin’i Pouzzoles (Naples) izy, taoriana kelin’izay. Tany amin’ny 160 km mahery atsimon’i Roma no nisy azy io. Nijanona herinandro tao amin’ilay fiangonana tao i Paoly. Nandeha tamin’ny Lalana Apianina nankany Roma izy avy eo. Nitsena azy teo amin’ny “Tsenan’i Apio sy ny Tranombahiny Telo” ny rahalahy avy any Roma. (As 28:11-16) Tany Italia izy no nanoratra ny boky ho an’ny Hebreo, taloha kelin’ny nanafahana azy tamin’izy nigadra voalohany angamba, na taoriana kelin’izay (taona 61 tany ho any).​—He 13:24.