Itamara
(Itamàra) [mety hidika hoe Rain’ny (na Rahalahin’ny) Hazo Palmie].
Zanakalahin’i Arona, ary ny anarany no voatonona fahefatra. (Ek 6:23; No 26:60; 1Ta 6:3) Izy no nanara-maso ny fanaovana ny lisitr’ireo zavatra momba ny tranolay masina. Napetraka teo amin’ny toeran’ny mpisorona niaraka tamin-drainy sy ny rahalahiny izy taorian’izay, araka ny tantarain’ny Eksodosy 29. (Ek 28:1; 38:21; 40:12-15) Avy eo, dia nanolotra “afo tsy ara-dalàna” i Nadaba sy Abiho, zokiny lahy, ka naringana. Norarana tsy hisaona azy roa lahy i Itamara sy Eleazara rahalahiny fahatelo. Nitombo ny asan’ny mpisorona nampanaovina an’i Itamara sy Eleazara, taorian’izay, ary nohazavain’i Jehovah tsikelikely ilay izy. (Le 10:1-20) Lasa mpiandraikitra nanara-maso ny fanompoan’ny Gersonita sy ny Merarita tao amin’ny tranolay masina i Itamara.—No 3:2-4; 4:28, 33; 7:8.
Nanao ny asan’ny mpisorona foana ny taranak’i Itamara, ary nisy aza lasa mpisoronabe nandritra ny fotoana kelikely, anisan’izany ny sasany tamin’ny taranak’i Ely, tamin’ny andro nanjakan’i Saoly sy Davida ary Solomona. Rehefa nalamin’i Davida ny mpisorona nanompo tao amin’ny tempoly, dia nozarainy ho fizarana 24 izy ireo ka avy amin’ny taranak’i Itamara ny fizarana 8. (1Ta 24:1-6; 1Sa 14:3; 22:9; jereo MPISORONABE.) Taranak’i Itamara ny sasany tamin’ireo lohan’ny fianakaviambe voasoratra anarana teo amin’ny Israely, taorian’ny sesitany tany Babylona.—Ezr 8:2.