Ivoara
Ny vangy roa lava be sy somary fotsy amin’ny elefanta, hipopotama, môrsa, ary biby
hafa. Mafy izy io, ary mavesatra kokoa noho ny hazo sedera efa voakarakara sy mitovy habe aminy. Na izany aza, dia tsy mora tapaka izy io na folahina aza. Tena mora koa ny manao sokitra aminy. Tsy marokoroko izy io ka mahafinaritra ny manafosafo azy sady tsy mora simba. Azo ampiasaina amin-javatra maro ny ivoara sady tena kanto, satria misy sosona maromaro ny ao anatiny ary misy loko mifandimbindimby. Ny teny hebreo hoe shen (a.b.t.: nify) sy shenhabbim (nadika hoe “nifin’elefanta” ao amin’ny LXX) no nadika hoe “ivoara.” Midika hoe “vita amin’ny ivoara” ilay teny grika hoe elefantinôs.Zavatra kanto sy lafo vidy no tonga ao an-tsaina rehefa miresaka momba ny ivoara, ohatra hoe asa tanana miavaka, fanaka mirenty, ary harena sarobidy. Nitondra ivoara be dia be avy any lavitra ny andian-tsambon’i Solomona, isaky ny telo taona. (1Mp 10:22; 2Ta 9:21) Be voninahitra izy sady ambony, ka “nanao seza fiandrianana ivoara lehibe ..., ary nopetahany takela-bolamena voadio izy io.” (1Mp 10:18; 2Ta 9:17) Miresaka momba ny feon-dokanga avy ao amin’ny “lapa ivoara mirenty” ny Salamo 45:8. Rehefa nanoratra tononkira tena kanto i Solomona, dia nampiasa oha-pitenenana misy hoe “ivoara” mba hilazana zavatra tsara. Namerina ny tenin’ireo mpifankatia izy ka nanoratra hoe: “Ny kibony dia toy ny takelaka ivoara voarakotra safira” ary “ny vozonao dia sahala amin’ny tilikambo ivoara.” (To 5:14; 7:4) Nasian’i Ahaba Mpanjaka ivoara koa ny lapany rehefa naorina. Lasa “trano ivoara” mihitsy ilay izy. (1Mp 22:39) Nisy trano sy farafara ivoara tamin’ny andron’i Amosa. (Am 3:15; 6:4) Asehon’ny fikarohana ny any ambanin’ny tany fa nampiasa ivoara tamin-javatra maro be ny Israely sy ny firenena nanodidina azy.
Nampiasa an’io karazana plastika voajanahary io koa ny Ejipsianina mba hanamboarana fihogo, tahona fikopaka, vilia, boaty fasiana menaka fanosorana, tongo-tseza, kilalao, sarivongana kely, ary zava-kanto vita sokitra. Nifono ivoara ny lohan’ireo sambo fampiasan’i Tyro tamin’ny raharaham-barotra goavana nataony. Anisan’ny zava-tsarobidin’ireo nifanao raharaham-barotra tamin’i Tyro fahiny koa ny ivoara. Misy ivoara ireo entam-barotry ny “mpivaro-mandeha eto an-tany”, izay mitomany rehefa rava tanteraka i Babylona Lehibe.—Ezk 27:6, 15; Ap 18:11, 12.