Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izao Tontolo Izao

Izao Tontolo Izao

Teny malagasy nandikana ny teny grika hoe kôsmôs ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ao amin’ny 1 Petera 3:3 ihany izy io no nadika hoe ‘haingo.’ Ireto avy no mety ho dikany: 1) Ny olombelona rehetra, na manao ahoana na manao ahoana ny fitondran-tenany sy ny fiainany, 2) ny tontolo misy ny olombelona (mitovitovy amin’ny dikan’ilay teny grika hoe aiôn, “rafitr’ity tontolo ity”, indraindray), na 3) ny olona rehetra tsy manompo an’i Jehovah.

Tsy ilay hoe kôsmôs ihany no nadikan’ny Fandikan-teny Protestanta hoe “tontolo”, fa indraindray koa ny teny grika roa hafa (aiôn; ôikomene) sy ny teny hebreo telo (ʼerets; heled; tevel). Nadikan’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques hoe “tontolo” koa ny teny grika hoe ge sy ny teny hebreo roa (hedel; ʽôhlam). Lasa nisafotofoto àry ny fahazoana ny hevitr’ireo andininy ahitana an’ilay teny hoe “tontolo.” Mazava kokoa anefa ny hevitr’izy io rehefa ampitahaina ny Baiboly samy hafa.

Midika hoe “tany; nofon-tany” (Ge 6:4; 41:55; Mt 2:6; 5:5; 10:29; 13:5) ny teny hebreo hoe ʼerets sy ny teny grika hoe ge. Mety hidika hoe mponin’ny tany koa anefa ireo teny ireo indraindray, toy ny ao amin’ny Genesisy 11:1 sy Apokalypsy 13:3. Ilazana halavam-potoana tsy voafetra (Ge 6:3; 17:13; Lk 1:70) kosa ny hoe ʽôhlam (heb.) sy ny hoe aiôn (gr.). Mety hidika koa hoe ‘rafitry ny tontolo’ mampiavaka taona na vanim-potoana iray ny hoe aiôn. (Mt 24:3) Mitovitovy amin’izany koa ny dikan’ilay hoe heled (heb.), ka azo adika hoe ‘androm-piainana.’ (Jb 11:17) Midika hoe “tany onenana” (Lk 21:26) kosa ny hoe ôikomene (gr.), ary “tany lonaka” (2Sa 22:16) ny hoe tevel (heb.). Ao amin’ny Isaia 38:11 ihany no ahitana ny teny hoe hedel (heb.) izay nadikan’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques hoe “tontolo.” Milaza anefa Ny Diksionera Ara-baibolin’ireo Mpanazava Teny (nataon’i G. Buttrick, 1962, Boky Faha-4, p. 874) fa tokony hadika hoe “mponin’ny (tontolon’ny) fahafatesana” izy io, na dia mihevitra aza ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa tokony hoe heled no eo, fa tsy hoe hedel. Heled mantsy no ao amin’ny sora-tanana hebreo sasany. Ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao kosa nandika azy io hoe “mponina any amin’ny tanin’ny fahafatesana.”​—Jereo FOTOANA TSY VOAFETRA; RAFITR’ITY TONTOLO ITY; TANY.

Ireo dikan’ny hoe “kôsmôs.” “Lamina” na “fandaharana” no tena dikan’ny teny grika hoe kôsmôs. Midika hoe milamina sy mirindra tsara koa izy io rehefa misy ifandraisany amin’ny hatsaran-tarehy, ka nampiasain’ny Grika matetika amin’ny heviny hoe “haingo”, indrindra fa ny an’ny vehivavy. Toy izany, ohatra, no nandikana azy io ao amin’ny 1 Petera 3:3. Ny matoanteny hoe kôsmeô kosa midika hoe ‘manamboamboatra’ (Mt 25:7) na “mandravaka” na “mihaingo.” (Mt 12:44; 23:29; Lk 11:25; 21:5; 1Ti 2:9; Tit 2:10; 1Pe 3:5; Ap 21:2, 19) Ilazana an’izay “milamina tsara” na “tia filaminana” kosa ny mpamari-toetra hoe kôsmiôs.​—1Ti 2:9; 3:2.

Kôsmôs indraindray no niantsoan’ny filozofa grika ny zavaboary rehetra hita maso, satria milamina tsara izao rehetra izao. Tsy tena nitovy hevitra anefa izy ireo. Ny sasany nilaza fa ny zavatra eny amin’ny lanitra ihany no atao hoe kôsmôs, fa ny hafa indray hoe izao rehetra izao mihitsy. Ilazana ny zavaboary rehetra hita maso ny hoe kôsmôs ao amin’ny boky apokrifa sasany (ampit. Fahendrena 9:9; 11:17), izay nosoratana tamin’ny fotoana nahazoan’ny filozofia grika vahana tany amin’ny faritra maro nisy Jiosy. Tsy io anefa no heviny ao amin’ny Soratra Grika Kristianina, na dia toa manana an’io heviny io aza ilay teny ao amin’ilay lahateny nataon’ny apostoly Paoly teo amin’ny Areopago tany Atena, hoe: “Ilay Andriamanitra nanao izao tontolo izao [endriny hafa amin’ny hoe kôsmôs] sy ny zava-drehetra ao aminy, eny, Izy izay Tompon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy mba mitoetra ao amin’ny tempoly nataon-tanana.” (As 17:22-24) Nampiasa ny hoe kôsmôs angamba i Paoly eo mba hilazana an’izao rehetra izao, satria izay no fampiasan’ny Grika an’io teny io. Mety hanana ny iray amin’ireto heviny manaraka ireto koa anefa izy io eo.

Misy ifandraisany amin’ny olombelona. Nanazava i Richard Trench fa izao rehetra izao no nolazain’ny filozofa hoe kôsmôs. Hoy izy avy eo: “Avy amin’ilay hoe κόσμος [kôsmôs] izay midika hoe izao rehetra izao hita maso ... no niavian’ilay ... heviny hoe lalam-piainana tsy maintsy diavin’ny olombelona sy natao ho azy ireo, ka izy ireo no mamaritra an’izay mety sy tsy mety (Jaona 16:21; 1 Kor. 14:10; 1 Jaona 3:17); ... sy ny hoe olombelona, izany hoe ny olona velona rehetra eto amin’ity tontolo ity (Jaona 1:29; 4:42; 2 Kor. 5:19); ary ny hoe izay rehetra tsy anisan’ny ἐκκλησία [ekklesia; ny fiangonana], lavitra ny fiainana sitrak’Andriamanitra sady fahavalony satria manao ratsy (1 Kor. 1:20, 21; 2 Kor. 7:10; Jak. 4:4).”​—Teny Mitovy Dika ao Amin’ny Testamenta Vaovao, Londres, 1961, p. 201, 202.

Nilaza toy izao koa i Cremer, manam-pahaizana momba ny teny grika, hoy i K. Wuest ao amin’ilay boky hoe Fandalinana ny Voambolana ao Amin’ny Testamenta Vaovao Grika (1946, p. 57): “Ny olombelona no tena ifantohan’ny saina amin’ilay hoe kôsmôs izay midika hoe lamina natao ho an’ny olombelona. Ny olombelona ao anatin’io lamina io àry no atao hoe kôsmôs ... (Mat. 18:7).”

Ny olombelona rehetra. Misy ifandraisany akaiky amin’ny olombelona àry ny hoe kôsmôs na “izao tontolo izao.” Izany no hita ao amin’ny haisoratra grika ary indrindra fa ny Baiboly. Toy ny hoe ny planeta Tany hazavain’ny masoandro ilay “tontolo” noresahin’i Jesosy, rehefa niteny izy fa ‘mahita ny fahazavan’izao tontolo izao [endriny hafa amin’ny hoe kôsmôs]’ izay mandeha amin’ny antoandro. (Jn 11:9) Nanohy ny teniny anefa izy hoe midona amin-javatra ireo mandeha amin’ny alina, “satria ny fahazavana tsy ao anatiny.” (Jn 11:10) Ho an’ny olona no tena nanomezan’Andriamanitra ny masoandro sy ny zavatra hafa eny amin’ny lanitra. (Ampit. Ge 1:14; Sl 8:3-8; Mt 5:45.) Nampiasa ny hoe hazavana amin’ny heviny an’ohatra koa i Jesosy, rehefa nilaza hoe “fahazavan’izao tontolo izao” ny mpianany. (Mt 5:14) Tsy hoe hanazava ny Tany akory izy ireo, fa hamirapiratra kosa “eo anatrehan’ny olona.” (Mt 5:16; ampit. Jn 3:19; 8:12; 9:5; 12:46; Fi 2:15.) Nilaza koa izy fa hotorina “eran’izao tontolo izao”, izany hoe amin’ny olon-drehetra, ny vaovao tsara. (Mt 26:13) “Olon-drehetra” mantsy no dikan’ny hoe “izao tontolo izao” amin’ny fiteny sasany (teny frantsay hoe tout le monde sy teny espaniola hoe todo el mundo).​—Ampit. Jn 8:26; 18:20; Ro 1:8; Kl 1:5, 6.

Ny olombelona rehetra àry no atao hoe kôsmôs. Izany no antony ilazan’ny Baiboly fa mpanota ny kôsmôs na izao tontolo izao (Jn 1:29; Ro 3:19; 5:12, 13), ka mila mpamonjy mba hanome azy ny fiainana. (Jn 4:42; 6:33, 51; 12:47; 1Jn 4:14) Ny olona ihany no mila azy io, fa tsy ny zavaboary tsy mananaina na ny biby. Tena tian’Andriamanitra io tontolo io, ka “nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jn 3:16, 17; ampit. 2Ko 5:19; 1Ti 1:15; 1Jn 2:2.) Ny olombelona koa ilay tanimbary namafazan’i Jesosy Kristy ny voa tsara, dia “ny zanak’ilay fanjakana.”​—Mt 13:24, 37, 38.

Nilaza i Paoly fa ‘ny [toetran’Andriamanitra] tsy hita maso dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony.’ (Ro 1:20) Hatramin’ny namoronana ny olombelona no tiany holazaina eo, satria ny sain’ny olona ihany no afaka ‘mahita’ na mahatakatra hoe inona no toetran’Andriamanitra, rehefa mandinika ny zavaboary hita maso izy.

Hoy ny Jaona 1:10: “Tamin’ny [alalan’i Jesosy] no nisian’izao tontolo izao [kôsmôs].” Ny olombelona no tena tondroin’ilay hoe kôsmôs eo, na dia nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra, toy ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra eo aminy, koa aza i Jesosy. (Ampit. Jn 1:3; Kl 1:15-17; Ge 1:26.) Hoy àry ny tohin’ilay andininy: “Nefa tsy nahalala azy izao tontolo izao [na ny olombelona].”

“Ny nanorenana an’izao tontolo izao.” Manampy antsika hahazo ny dikan’ny hoe “nanorenana an’izao tontolo izao” ny fahatakarana fa olombelona no hevitr’ilay hoe kôsmôs. Ireto, ohatra, no resahin’ny andininy vitsivitsy fa nitranga “hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao”: ‘Nalatsaka ny ran’ny mpaminany’ nanomboka tamin’ny ran’i Abela, ‘nomanina ilay fanjakana’, ary nisy ‘anarana nosoratana tao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana.’ (Lk 11:50, 51; Mt 25:34; Ap 13:8; 17:8; ampit. Mt 13:35; He 9:26.) Mahakasika ny fiainan’ny olona sy ny ataony ireo voalaza ireo. Ny niandohan’ny taranak’olombelona, fa tsy ny niandohan’ny zavatra tsy mananaina na ny biby, àry ilay hoe “nanorenana an’izao tontolo izao.” ‘Efa hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao no vita’, fa tsy hoe nanomboka ny asa famoronan’Andriamanitra, hoy ny Hebreo 4:3. I Eva no zavaboary noforonin’i Jehovah farany teto an-tany, ka tsy maintsy ho taorian’ny namoronana azy ilay nanorenana an’izao tontolo izao.

Midika ara-bakiteny hoe “manipy [voa, na taranaka]” ny teny grika hoe katabôle nadika hoe ‘manorina.’ Mety hidika koa izy io hoe manana anaka sy miteraka, araka ny hita ao amin’ny lahatsoratra hoe ABELA (No. 1) sy FANTATRA MIALOHA, VOATENDRY MIALOHA (Voatendry mialoha ny Mesia). Izany, ohatra, no nandikana azy ao amin’ny Hebreo 11:11 (Prot., TV). Nanjary nanan-taranaka mantsy i Saraha rehefa nahabevohoka azy i Abrahama.

Tsy ny nanombohan’ny famoronana an’izao rehetra izao àry no dikan’ilay hoe “ny nanorenana an’izao tontolo izao.” Tsy ny fotoana talohan’ny namoronana an’izao rehetra izao koa ilay hoe “talohan’ny nanorenana izao tontolo izao.” (Jn 17:5, 24; Ef 1:4; 1Pe 1:20) Ny fotoana nanombohan’i Adama sy Eva nanana anaka sy niteraka tany ivelan’ny zaridainan’i Edena kosa ilay fotoana “nanorenana an’izao tontolo izao.” Nanomboka nisy mantsy tamin’izay ny taranak’olombelona, izay ho afaka hanantena ny hafahan’Andriamanitra amin’ny ota.​—Ge 3:20-24; 4:1, 2.

“Ho fizàhan’izao rehetra izao, na anjely na olona.” Hoy ny 1 Korintianina 4:9 (Prot.): “Izahay dia natao ho fizàhan’izao rehetra izao [kôsmôs], na anjely na olona.” Misy àry mihevitra fa ny anjely sy ny olombelona ilay hoe kôsmôs eo. Misy fanazavana toy izao anefa ao amin’ny Fiainana Feno, Baiboly Fianarana (f.a.p., p. 2123): “Mba ho hitan’izao tontolo izao, sy ny anjely, ary ny fiangonana.” Ny Baiboly hafa kosa mandika an’io tapany farany io hoe: “sy ny anjely, ary ny olona.” (JM, Vg, Jé, TOB) Efa nampiasa ny teny hoe kôsmôs i Paoly ao amin’ny 1 Korintianina 1:20, 21, 27, 28; 2:12; 3:19, 22, ary olombelona no dikan’izy io ao amin’ireo andininy ireo. Azo inoana fa mbola izay ihany no heviny ao amin’ny 1 Korintianina 4:9, 13. Raha marina àry ny ao amin’ny Fandikan-teny Protestanta, dia fanamafisana fotsiny ilay hoe “na anjely na olona”, fa tsy fanazavana ny dikan’ny hoe kôsmôs akory. Tiana hasongadina fa tsy ny “olona” ihany no mijery na mizaha an’ireo Kristianina, fa ny “anjely” koa.

Ny tontolo misy ny olombelona. Tsy hoe olombelona fotsiny anefa no dikan’ny hoe kôsmôs, fa mbola manana an’ilay heviny voalohany ihany hoe “lamina” na “fandaharana.” Azo lazaina ho milamina ihany mantsy ny olombelona satria mitsinjara ho fianakaviana sy foko izy ireo, ary lasa firenena sy vondron’olona samy manana ny fiteniny (1Ko 14:10; Ap 7:9; 14:6) izay ahitana olona samy hafa saranga (manankarena na mahantra, ohatra). (Jk 2:5, 6) Lasa nisy rafitra niforona koa satria nihamaro ny olona rehefa nandeha ny fotoana. Nilaza i Jesosy fa nisy olona ‘nahazo an’izao tontolo izao nefa very ny ainy.’ Te hilaza izy fa nahazo an’izay rehetra azon’ilay tontolo misy ny olombelona sy izay azon’ny fiaraha-monina natolotra ilay olona. (Mt 16:26; ampit. 6:25-32.) Izay azon’ny tontolo misy ny olombelona atolotra koa ilay “tontolo” noresahin’i Paoly tamin’ilay hoe “mampiasa an’izao tontolo izao”, sy ilay hoe “manahy ny amin’izay an’izao tontolo izao” ny olona manambady. (1Ko 7:31-34) Ny tontolo misy ny olombelona kosa no tian’i Jaona holazaina amin’ilay hoe “manam-pananana eto amin’ity tontolo ity.”​—1Jn 3:17; ampit. 1Ko 3:22.

Mitovitovy amin’ny dikan’ilay teny grika hoe aiôn ny hoe kôsmôs, rehefa midika hoe rafitra, lamina, na tontolo misy ny olombelona. Azo ampifamadihana ireo teny ireo indraindray. Nilaza, ohatra, i Paoly fa “tia an’ity tontolo ity [aiôna]” i Demasy ka nandao azy. (2Ti 4:10) I Jaona kosa nampitandrina ny Kristianina mba tsy ho “tia an’izao tontolo izao [kôsmôn]” sy ny fomba fiainany manintona ny nofo mpanota. (1Jn 2:15-17) “Ilay mpitondra an’izao tontolo izao [kôsmo]” resahin’ny Jaona 12:31 ihany, ilay “andriamanitr’ity tontolo ity [aiônôs]” ao amin’ny 2 Korintianina 4:4.

Nilaza i Jaona ao amin’ny Filazantsarany fa raha nosoratana tamin’ny an-tsipiriany daholo ny zavatra nataon’i Jesosy, dia “na izao tontolo izao [endriny hafa amin’ny hoe kôsmôs] aza tsy ho omby ny horonam-boky voasoratra.” (Jn 21:25) Tsy ity planeta ity akory no tsy ho omby an’ireo horonam-boky ireo, satria tsy nampiasa ny teny hoe ge (tany) na ôikomene (tany onenana) izy. Kôsmôs kosa no nampiasainy, satria te hilaza izy fa tsy nanana tranomboky antonona horonam-boky maro be toy izany ny olona velona tamin’izany. Ampitahao koa amin’ny Jaona 7:4; 12:19, izay mampiasa ny teny hoe kôsmôs amin’ny heviny hoe olombelona.

Tonga eo “amin’izao tontolo izao.” Nateraka mba hiara-miaina amin’ny olombelona ireo “nateraka ho amin’izao tontolo izao”, ary lasa miaina ao anatin’izay rafitra misy eo amin’ny fiaraha-monina. (Jn 16:21, DPV; 1Ti 6:7) Tsy voatery hidika foana hoe teraka eo anivon’ny tontolo misy ny olombelona anefa ilay hoe tonga eo amin’izao tontolo izao. Nivavaka, ohatra, i Jesosy hoe: “Toy ny nanirahanao ahy ho amin’izao tontolo izao, no hanirahako [ny mpianatro] koa ho amin’izao tontolo izao.” (Jn 17:18) Efa olon-dehibe ireo mpianany nirahiny ho amin’izao tontolo izao, fa tsy zaza vao teraka. Nilaza koa i Jaona fa “efa eo amin’izao tontolo izao” ny mpaminany sandoka sy mpamitaka.​—1Jn 4:1; 2Jn 7.

Tsy ny nahaterahan’i Jesosy no tena tiana holazaina amin’ilay hoe ‘tonga na nirahina ho amin’izao tontolo izao’ izy, fa ny nankanesany teo amin’ny olombelona mba hanao ny fanompoana nanendrena azy. Lasa fahazavana ho an’ilay tontolo misy ny olombelona mantsy izy, rehefa avy natao batisa sy nohosorana fanahy masina. (Ampit. Jn 1:9; 3:17, 19; 6:14; 9:39; 10:36; 11:27; 12:46; 1Jn 4:9.) Tsy maintsy nateraka anefa izy mba hahafahany hanao ny fanompoany. (Jn 18:37) Manamafy izany ny bokin’ny Hebreo, satria voalaza ao fa nilaza an’ireo teny ao amin’ny Salamo 40:6-8 i Jesosy “rehefa tonga teo amin’izao tontolo izao.” Tsy ho afaka nilaza an’ireo mihitsy anefa izy raha zaza vao teraka.​—He 10:5-10.

Fantatr’i Jesosy “fa tonga ny fotoana hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray”, rehefa hifarana ny fanompoany teo anivon’ny olombelona. Olona izy rehefa maty, fa fanahy kosa rehefa natsangana mba hiaina any an-danitra indray.​—Jn 13:1; 16:28; 17:11; ampit. Jn 8:23.

“Ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity.” Noharin’i Paoly tamin’ny mpanompo ny ankizy tsy ampy taona, satria mbola olon-kafa no miandraikitra azy. Hoy izy avy eo: “Dia toy izany koa isika: Fony mbola zaza bodo isika dia nandevozin’ny zavatra fototra [stôikeia] eto amin’ity tontolo ity.” (Ga 4:1-3) Tonga anefa, hoy izy, ny Zanak’Andriamanitra rehefa “tapitra tanteraka ny fotoana voafetra”, ka nanafaka ny mpianany tsy ho eo ambanin’ny Lalàna mba handraisan’izy ireo ny fananganana azy ho zanaka. (Ga 4:4-7) Nampitandrina an’ireo Kristianina tany Kolosia koa izy, sao izy ireo ho voataonan’ny “filozofia sy ny famitahana poakaty araka ny fampianarana nifandovan’ny olombelona, eny, araka ny zavatra fototra [stôikeia] eo amin’ity tontolo ity, fa tsy araka an’i Kristy, satria ao aminy no itoeran’ny fahafenoan’ny toetran’Andriamanitra.” ‘Niara-maty tamin’i Kristy [mantsy] izy ireo raha ny amin’ny zavatra fototra eo amin’ity tontolo ity.’​—Kl 2:8, 9, 20.

Hoy ny Fanazavan’ny Mpitory Teny (Galatianina, p. 181) momba ilay teny grika hoe stôikeia (mr.: stôikeiôn) nampiasain’i Paoly: “‘Tsato-kazo nalahatra’ no heviny voalohany, ... nanjary nidika hoe litera maromaro nalahatra ilay teny [stôikeia] ka ireo no lasa teny fototra ampiasaina rehefa miresaka; ny zavatra fototra rehetra eo amin’ny natiora no hevitr’izy io tatỳ aoriana, toy ireo ‘singan-javatra’ efatra (jereo 2 Pet. 3:10, 12); ary avy eo nidika hoe fahalalana ‘fototra.’ Io heviny farany io no ao amin’ny Heb. 5:12.” (Nataon’i C. Spence, Londres, 1885) Midika hoe ‘manaraka tsara’ ilay matoanteny hoe stôikeô.​—Ga 6:16.

Tsy ireo singan-javatra hita eo amin’ny zavaboary no noresahin’i Paoly tamin’ny Galatianina sy ny Kolosianina, fa “ireo zavatra fototra mampiavaka ny olona tsy kristianina”, izany hoe ny fitsipika fototra arahin’izy ireo, hoy i Heinrich Meyer manam-pahaizana alemà. (Boky Mamakafaka sy Mitsikera, 1884, Galatianina, p. 168) Anisan’izany koa, hoy i Paoly, ny filozofia sy ny fampianarana mamitaka izay mifototra amin’ny fitsipika sy ny fisainan’ny olona ary ny anganony, toy ireo nankafizin’ny Grika sy ny firenena hafa mpanompo sampy. (Kl 2:8) Anisan’ireo zavatra fototra noresahin’i Paoly koa ny fampianarana sasany ninoan’ny Jiosy nefa mifanohitra amin’ny Baiboly, toy ny hoe ilaina ny mampihafy tena be sy ‘mivavaka amin’ny anjely’ ary ny hoe tokony hitandrina ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina.​—Kl 2:16-18; Ga 4:4, 5, 21.

Marina fa avy amin’Andriamanitra ny Lalàna, saingy tanteraka tamin’i Kristy Jesosy izy io ka efa lany andro. Aloky ny zavatra ho avy mantsy izy io, fa i Kristy no “tena izy.” (Kl 2:13-17) Zavatra ‘eto amin’ity tontolo ity’ na naorin’olombelona koa ny tranolay masina (sy ny tempoly). Naorina “tetỳ an-tany” (gr.: kôsmikôn; He 9:1) izy ireo, fa tsy tany an-danitra. ‘Nitaky zavatra momba ny nofo’ ny lalàna narahin’ny mpivavaka tao, “ary tsy maintsy notandremana ireny mandra-pahatongan’ny fotoam-panitsiana voatondro.” I Kristy Jesosy anefa efa niditra “tao amin’ny tranolay lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon-tanana, izany hoe, tranolay tsy anisan’izao zavatra ary izao”, dia ny lanitra. (He 9:8-14, 23, 24) Efa nilaza tamin’ny vehivavy samaritanina iray koa izy fa ho avy ny fotoana tsy hivavahana ao amin’ny tempolin’i Jerosalema intsony. “Hivavaka amin’ny Ray araka ny fanahy sy ny fahamarinana” kosa ny tena mpivavaka. (Jn 4:21-24) Tsy nilaina intsony àry ny tranolay sy ny tempoly teo amin’ny tontolo misy ny olombelona, rehefa maty sy natsangana ary niakatra tany an-danitra i Kristy Jesosy. “Tandindon’ny” zavatra lehibe any an-danitra fotsiny mantsy izy ireny.​—He 9:23.

Tsara kokoa ny fanompoan’ny Kristianina, anisan’izany ny an’ireo tany Galatia sy Kolosia, satria mifototra amin’i Kristy Jesosy. I Jesosy, fa tsy ny olona sy ny toro lalan’izy ireo ary ny fampianarany, na ‘ny Lalàna [izay] nitaky zavatra momba ny nofo’, no tokony heken’izy ireo, satria izy no manan-jo hamaritra an’izay fitsipika tokony harahina sy izay fampianarana marina ary fomba fiaina ankasitrahan’Andriamanitra. (Kl 2:9) Tsy tokony hitondra tena toy ny ankizy ny Kristianina, ka izy ireo indray no haniry hanaraka ny Lalàn’i Mosesy, izay mpitaiza fotsiny raha ny marina. (Ga 3:23-26) Toy ny fifandraisan’ny zanaka efa lehibe amin’ny rainy kosa ny fifandraisan’izy ireo amin’Andriamanitra. Fampianarana fototra na “ny abidy amin’ny fivavahana” ny Lalàna, raha oharina amin’ny fampianarana kristianina. (Boky Mamakafaka sy Mitsikera, nataon’i Meyer, 1885, Kolosianina, p. 292) Nateraka ho amin’ny fiainana any an-danitra ny Kristianina voahosotra, ka maty sy nofantsihana izy ireo araka ny fiheveran’ilay tontolo (kôsmôs) nisy tamin’izany, izay nitaky ny famorana. Lasa “zavaboary vaovao” àry izy ireo. (2Ko 5:17; Kl 2:11, 12, 20-23; ampit. Ga 6:12-15; Jn 8:23.) Fantatr’izy ireo fa tsy avy amin’olombelona ny Fanjakan’i Jesosy. (Jn 18:36) Tsy tokony hiverina any amin’ireo “zavatra fototra tsy misy dikany sy tsy misy ilana azy” eo amin’ny tontolo misy ny olombelona àry izy ireo. (Ga 4:9) Sao mantsy izy ireo ho voafitaka ary hamoy ny “harena rehetra, izay tsy inona fa ny fatokisany tanteraka ny fomba fahazoany hevitra” sy ny “fahalalana marina tsara ny zava-miafina masin’Andriamanitra, izany hoe i Kristy” izay iafenan’ny “harenan’ny fahendrena rehetra sy ny harenan’ny fahalalana rehetra.”​—Kl 2:1-4.

Ilay tontolo tafasaraka amin’Andriamanitra. Manana heviny manokana koa ny hoe kôsmôs ao amin’ny Baiboly, dia hoe ny olona rehetra tsy manompo an’Andriamanitra. Nilaza i Petera fa nahatonga Safodrano teo amin’ny “tontolon’ny olona tsy natahotra” Azy Andriamanitra, fa niaro kosa an’i Noa sy ny fianakaviany. Toy izany no “nandravana ilay tontolo tamin’izany fotoana izany rehefa safotry ny rano.” (2Pe 2:5; 3:6) Tsy ny tany sy ny zavatra eny amin’ny lanitra akory no nopotehina fa ny tontolo nisy ny olombelona, dia ilay “tontolo” nanao ny tsy marina nomelohin’i Noa, lehilahy nanam-pinoana.​—He 11:7.

Ilay tontolo nanao ny tsy marina talohan’ny Safodrano no ringana fa tsy ny olombelona rehetra, satria voatsimbina ry Noa mianakavy. Tsy nanao ny marina intsony anefa ny ankamaroan’ny olona taorian’ny Safodrano, ka niharatsy indray ilay tontolo. Na izany aza, dia mbola nisy ihany niezaka nanao ny marina. Nofidin’Andriamanitra ho vahoakany ny Israely tatỳ aoriana, ka nanaovany fifanekena. Niavaka tamin’ilay tontolo nisy tamin’izany izy ireo, ka nantsoin’i Paoly hoe kôsmôs na “izao tontolo izao” ny “hafa firenena” tsy Israelita na “Jentilisa.” (Ro 11:12-15, TV; Prot.) Izay rehetra tsy nanompo an’Andriamanitra àry no nantsoina hoe “izao tontolo izao” na kôsmôs, taorian’ny Safodrano sy talohan’ny andro kristianina. Ny tsy Israelita indrindra no nantsoina toy izany, tamin’ny mbola nanan-kery ilay fifanekena teo amin’ny Israely sy Jehovah. (Ampit. He 11:38.) Lasa nivadi-pinoana anefa izy ireo ka nofoanan’Andriamanitra ilay fifanekena nataony taminy. Nanjary nisy hafa firenena afaka nifandray sy nihavana tamin’Andriamanitra ka nandray soa be dia be.​—Ampit. Ef 2:11-13.

Ny olona rehetra tsy Kristianina koa, na inona na inona firazanany, no matetika antsoina hoe kôsmôs. Nankahala an’i Jesosy sy ny mpianany io tontolo io, satria tsy anisan’izy io izy ireo sady nanaporofo fa nanao ny tsy marina izy io. Nankahala an’i Jehovah Andriamanitra sady tsy nahalala azy àry izy io. (Jn 7:7; 15:17-25; 16:19, 20; 17:14, 25; 1Jn 3:1, 13) I Satana Devoly Fahavalon’Andriamanitra no mifehy an’io tontolo tsy marina io sy ireo fanjakana eo aminy. Nanao ny tenany ho ‘andriamanitr’io’ tontolo io izy. (Mt 4:8, 9; Jn 12:31; 14:30; 16:11; ampit. 2Ko 4:4.) Tsy avy amin’Andriamanitra izy io fa avy amin’ilay mpanohitra azy lehibe indrindra, izay manana fahefana amin’izao “tontolo izao manontolo.” (1Jn 4:4, 5; 5:18, 19) I Satana sy “ireo fanahy ratsy any amin’ny faritry ny lanitra” no ‘mpanjakan’ilay tontolo [gr.: kôsmôkratôs]’ tafasaraka amin’Andriamanitra.​—Ef 6:11, 12.

Tsy ny olombelona fotsiny ilay “tontolo” resahin’ireo andininy ireo, fa ny fiaraha-monina ivelan’ny fiangonana kristianina koa. Olombelona koa mantsy ny Kristianina, ka tsy maintsy hoe maty sy tsy nofo aman-dra intsony izy ireo vao afaka ny tsy ho “anisan’izao tontolo izao.” (Jn 17:6; 15:19) Izy ireo dia miara-miaina amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity, anisan’izany ny mpijangajanga, mpanompo sampy, mpanao an-keriny, sy ny toy izany. (1Ko 5:9-13) Tsy maintsy miezaka ny hadio foana anefa izy ireo, sy tsy ho voapentimpentin’ny fahalotoan’ilay tontolo ary tsy hinamana aminy, sao ho voaheloka miaraka aminy. (1Ko 11:32; Jk 1:27; 4:4; 2Pe 1:4; 2:20; ampit. 1Pe 4:3-6.) Tsy tokony hanaiky hotarihin’ny fahendren’ity tontolo ity, izay hadalana amin’Andriamanitra, izy ireo. Tsy tokony hotahafiny koa “ny fanahin’izao tontolo izao”, izany hoe ny toe-tsainy tia tena sy tia manao ratsy. (1Ko 1:21; 2:12; 3:19; 2Ko 1:12; Tit 2:12; ampit. Jn 14:16, 17; Ef 2:1, 2; 1Jn 2:15-17; jereo FANAHY [Toe-tsaina sy fihetseham-po].) ‘Mandresy an’ity tontolo’ tsy marina ity àry ny Kristianina satria manam-pinoana, toa an’ilay Zanak’Andriamanitra ihany. (Jn 16:33; 1Jn 4:4; 5:4, 5) Handalo ity tontolo ity satria horavan’Andriamanitra (1Jn 2:17), toy ny nandravany tamin’ny alalan’ny Safodrano an’ilay tontolo tsy natahotra azy fahiny.​—2Pe 3:6.

Ny tontolo ratsy no hifarana fa tsy ny olombelona. Ny hanavotra an’ilay kôsmôs na ny taranak’olombelona, izany hoe ny olombelona rehetra, no antony nanoloran’i Jesosy ny ainy. (Jn 3:16, 17) Tsy nivavaka ho an’ilay tontolo fahavalon’Andriamanitra na ireo olona tafasaraka amin’Andriamanitra, kosa izy. Ho an’izay nisaraka tamin’io tontolo io sy naneho finoana azy ihany no nivavahany. (Jn 17:8, 9) Nisy olona tafavoaka velona tamin’ilay Safodrano nandringanan’Andriamanitra an’ilay tontolo tsy natahotra azy. Hisy olona ho tafavoaka velona koa àry, hoy i Jesosy, amin’ny fahoriana lehibe, izay nampitahainy tamin’ilay Safodrano. (Mt 24:21, 22, 36-39; ampit. Ap 7:9-17.) Ho lasa “fanjakan’ny Tompontsika sy ny Kristiny” ny “fanjakan’izao tontolo izao” (na ny fanjakan’olombelona). “Ho mpanjaka hitondra ny tany” ireo hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, izany hoe hanjaka amin’ireo olona tsy ho ringana miaraka amin’ity tontolo ratsy fehezin’i Satana ity.​—Ap 11:15; 5:9, 10.