Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jabesi-gileada

Jabesi-gileada

(Jabèsi-gileàda) [mety hidika hoe Toerana Maina any Gileada].

Tanàna fahiny tao amin’ny faritanin’ny fokon’i Gada, tany atsinanan’i Jordana. Tsy fantatra izay tena nisy azy io. Milaza anefa ny ankamaroan’ny manam-pahaizana fa teo atsinanana kelin’i Jordana no nisy azy io, teo akaikin’ny Lohasaha Falehan-driaka Yabis (Jabesy), tokotokony ho 35 km atsimon’ny Ranomasin’i Galilia.

Tamin’ny andron’ny Mpitsara no voaresaka voalohany i Jabesi-gileada. Nosazina ny fokon’i Benjamina teo akaiky teo tamin’izay, noho izy ireo tsy nanameloka an’ireo nanao zava-betaveta mamoafady teo aminy. (Mpts 21:8) Saika fongotra tanteraka ny fokon’i Benjamina, satria 600 lahy sisa no afa-nandositra. Tsy niaraka tamin’ny foko hafa anefa ny lehilahy tao Jabesi-gileada tamin’io fanasaziana ara-drariny io. Notapahina àry ny hevitra fa haripaka ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra tao Jabesi-gileada, afa-tsy ny virjiny ihany. Virjiny 400 no sisa tavela, ka nomena ho vadin’ireo Benjamita mba tsy ho lany tamingana ilay foko.​—Mpts 20:1–21:14.

Telonjato taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia nangataka mpanjaka olombelona toy ny an’ny firenen-kafa ny Israely manontolo. Norahonan’ny Amonita ny mponina tao Jabesi-gileada tamin’izay hoe: Hopotsirina ny maso ankavanan’ny lehilahy rehetra tao. Nanafika an’ireo Amonita anefa i Saoly sy ireo miaramila 330 000 voangony, ka vaky nandositra ny Amonita. (1Sa 11:1-15) Efapolo taona tatỳ aoriana, dia resin’ny Filistinina ny Israelita. Nahanton’izy ireo teo amin’ny manda tandrifin’ny kianjan’ny tanànan’i Beti-sana ny fatin’i Saoly sy ny zanany telo lahy efa tapa-doha. Rehefa nandre an’io fanalam-baraka io ny lehilahy mahery fo tao Jabesi-gileada, dia nandeha alina ka sahy naka an’ireo faty. Nentiny tany Jabesi-gileada ireo faty ka nodorany, ary naleviny tamim-panajana ny taolambalo. Nifady hanina fito andro izy ireo taorian’izay.​—1Sa 31:8-13; 1Ta 10:8-12.

Nidera sy nitso-drano an’ireo mponina tao Jabesi-gileada ireo i Davida noho izy ireo naneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’ilay voahosotra maty an’ady teo amin’ny Israely. Vao voahosotra ho mpanjakan’ny Joda i Davida tamin’izay. (2Sa 2:4-7) Nampanalain’i Davida tany Jabesi-gileada ny taolambalon’i Saoly sy Jonatana, tatỳ aoriana, ary naleviny tao amin’ny fasan-drazan’i Saoly tao amin’ny faritanin’ny Benjamita.​—2Sa 21:12-14.