Jabeza
(Jabèza).
1. [avy amin’ny fototeny midika hoe “maharary” na “manaintaina”]. Taranak’i Joda. Nomen-dreniny azy ny anarana hoe Jabeza satria naharary an-dreniny ny niteraka azy. Nahazo voninahitra kokoa noho ny rahalahiny i Jabeza. Nahazo valim-bavaka izy ka notahin’i Jehovah sy narovany.—1Ta 4:1, 9, 10.
2. Mety ho tanàna iray any Joda, ary naorin’i Jabeza No. 1. Telo ny fianakavian’ny mpitan-tsoratra nonina tany Jabeza. (1Ta 2:55) Tsy tena fantatra ny toerana nisy azy io.