Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jabniela

Jabniela

(Jabnièla) [Hanorina Anie Andriamanitra; Nanorina Andriamanitra].

1. Toerana teo amin’ny sisin-tanin’i Joda. (Js 15:1, 11) Mety ho io ihany ilay Jabne norombahin’i Ozia Mpanjaka (829-778 T.K.) tamin’ny Filistinina. (2Ta 26:6) Misy milaza an’i Jabniela ho i Yavne ankehitriny. Tokotokony ho 6 km avy eo amin’ny Ranomasina Mediterane i Yavne, ary eo amin’ny havoana mitokana sady be fasika, any amin’ny 20 km any atsimon’i Jopa.

2. Toerana teo amin’ny sisin-tanin’i Naftaly. (Js 19:32, 33) Misy milaza fa i Kirbet Yamma ilay Jabniela resahin’ny Talmoda, fa ilay Jabniela resahin’ny Baiboly kosa dia i Tell en-Naʽam (Tel Yinʽam), any akaikin’ny loharano iray tokotokony ho 8 km any atsimo atsimoandrefan’i Tiberiasy. Mbola hita ao amin’ny anaran’ilay tanàna kely hoe Yavneʼel eo akaiky eo ny hoe Jabniela.