Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jady

Jady

Vato mafy sy mateza natao haingo ary miloko maitso matetika ny jady (heb.: yashefeh). Fanao amin’ny firavaka koa izy io ary atao sokitra. Misy karazany roa izy io, dia ny “nefrita” sy ny “jadeita.” Nefrita ilay jady fahita matetika. Misy ny nefrita tantera-pahazavana ary misy ny tsy tantera-pahazavana. Ao ny maitso antitra, mainty, volondavenona, mavo, ary fotsy. Ny jadeita no lafo kokoa satria tsy fahita firy sady tsara kokoa ny lokony. Ny akora voajanahary ao amin’ny jady no mahatonga azy ho mora atao sokitra.

Jady tsara tarehy no vato fahatelo teo amin’ny laharana fahefatra tamin’ireo vato nandravaka “ny saron-tratra fitsarana” nanaovan’i Arona Mpisoronabe. Natao sokitra teo amin’izy io ny anaran’ny iray tamin’ireo foko 12 teo amin’ny Israely. (Ek 28:2, 15, 20, 21; 39:9, 13, 14) “Rakotra” vatosoa isan-karazany ny mpanjakan’i Tyro, ka anisan’izany ny jady.​—Ezk 28:12, 13.