Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jaela

Jaela

(Jaèla) [Osidia].

Vadin’i Hebera Kenita, izany hoe tsy Israelita. Izy no namono an’i Sisera, lehiben’ny tafika kananita.

Nonina an-tranolay tany akaikin’i Kedesy i Jaela sy Hebera vadiny. Tsara fihavanana i Hebera sy ireo Kananita mpampahory. (Mpts 4:10, 11, 17, 21; jereo KEDESY No. 3.) Nandositra tany amin’ny tranolain’i Hebera àry i Sisera, rehefa resin’ny Israelita. Nampandroso azy tao an-tranolay i Jaela, ary nandrakotra bodofotsy azy. Nangataka rano hosotroina i Sisera, ka habobo eran’ny vilia baolina fampiasa amin’ny fanasambe no nomeny azy, ary norakofany indray izy avy eo. Nasain’i Sisera niambina ny fidirana nankao an-tranolay i Jaela. Nihevitra àry i Sisera fa tsy nisy natahorana, ka renoka tanteraka izy, satria reraka rahateo. Mponina an-tranolay i Jaela, ka azo antoka fa efa zatra manatsatoka fantsika be fanenjanan-day amin’ny tany. Nitsaitsaika àry izy nanatona an’i Sisera, sady nisy marotoa sy fantsika be fanenjanan-day teny an-tanany. Nofantsihany teo amin’ny lohany ilay izy ka niboroaka tamin’ny tany. Rehefa tonga i Baraka, izay nanenjika an’i Sisera, dia nasehon’i Jaela azy ilay lehiben’ny tafika izay maty teo “an-tanam-behivavy”, araka ny efa nolazain’i Debora. (Mpts 4:9, 17-22) Tena be herim-po i Jaela rehefa namono ny fahavalon’i Jehovah. Noderaina io zava-bitany io tao amin’ilay hiram-pandresena nataon’i Debora sy Baraka. Voalaza tao koa hoe “hotahina mihoatra noho ny vehivavy rehetra” anie i Jaela.​—Mpts 5:6, 24-27.