Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jafia

Jafia

(Jafìa).

[1, 2: [Andriamanitra] Anie Hamirapiratra; Namirapiratra [Andriamanitra]]

1. Ilay mpanjakan’i Lakisy niaraka tamin’ny mpanjaka amorita efatra mba hanafay an’i Gibeona, noho i Gibeona nihavana tamin’ny Israely. (Js 10:3-5) Niantso vonjy tamin’i Josoa anefa i Gibeona. Niainga avy tany Gilgala àry ny tafik’i Josoa mba hamonjy azy. Raikitra ny ady, ary hitan’ny Israelita niafina tao anaty lava-bato tao Makeda i Jafia sy ireo mpanjaka namany ka nohidiany tao. Novonoina izy ireo avy eo, ary nahantona teo amin’ny tsato-kazo ny fatiny, mandra-pilentiky ny masoandro. Natsipy tao amin’ilay lava-bato niafenany ihany ny fatiny.​—Js 10:6-27.

2. Zanakalahin’i Davida teraka tany Jerosalema.​—2Sa 5:14, 15; 1Ta 3:7; 14:6.

3. Toerana anisan’ny sisin-tanin’i Zebolona. (Js 19:10, 12) Maro no mihevitra fa i Yafa (Yafia) ankehitriny izy io, tsy ampy 3 km eo atsimoandrefan’i Nazareta.