Jahaza
(Jahàza).
1. [Hijery Anie i Jah; Nijery i Jah]. Zanakalahin’i Tikva, ary mety ho anisan’ireo nanohitra ny soso-kevitr’i Ezra hoe tokony horoahin’ny zanak’Israely ny vadiny hafa firenena sy ny zanany. (Ezr 10:3, 10, 11, 15) Misy anefa milaza fa tsy ilay soso-kevitra no tsy neken’i Jahaza sy Jonatana, fa ny fomba hanatanterahana ilay izy. Nanampy fa tsy nanohitra an’i Ezra mantsy i Jahaza sy ny namany, araka ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Vulgate latinina. Misy Baiboly àry mandika ny Ezra 10:15 hoe i Jonatana sy Jahaza “ihany no nampiasaina” hanatanteraka izany.—JM.
2. Tanàna tany atsinanan’i Jordana, ary azo inoana hoe tany avaratr’i Arnona. Toa nalain’i Sihona mpanjakan’ny Amorita teo an-tanan’ny Moabita izy io. (No 21:23-26) Tao Jahaza ny Israelita no nandresy ny tafik’i Sihona, ary lasa fananan’i Robenita ilay tanàna avy eo. (De 2:32, 33; Js 13:15, 18, 23; Mpts 11:20, 21) Lasa tanànan’ny Levita Merarita izy io taorian’izay. (Js 21:34, 36) Voalazan’ny tantaran’ny Israely fa lasan’ny Moabita i Jahaza tatỳ aoriana. Nirehareha erỳ i Mesa Mpanjaka rehefa jerena ny soratra nataony teo amin’ilay antsoina hoe Vato Moabita. Nolazainy fa azony avy teo am-pelatanan’ny mpanjakan’ny Israely i Jahaza, rehefa nitondra miaramila 200 izy. Notononin’i Isaia sy Jeremia mpaminany koa ilay tanàna tamin’izy ireo nilaza ny fanamelohana an’i Moaba.—Is 15:1, 4; Je 48:1, 34.
Maromaro ny toerana nolazain’ireo manam-pahaizana fa nisy an’i Jahaza fahiny. Mbola tsy fantatra anefa izay tena nisy azy io.