Jahaziela
(Jahazièla) [Hijery Anie Andriamanitra; Nijery Andriamanitra].
1. Zanakalahin’i Hebrona ary ny anarany no voatonona fahatelo. Kehatita avy tamin’ny fokon’i Levy izy.—1Ta 23:6, 12, 19; 24:23.
2. Anisan’ny lehilahy mahery niandany tamin’i Davida tany Ziklaga.—1Ta 12:1, 4.
3. Anisan’ny mpisorona nitsoka trompetra teo anoloan’ny Vata misy ny fifanekena, izay efa nentin’i Davida tao Jerosalema.—1Ta 16:1, 6.
4. Levita nomen’i Jehovah ny fanahiny mba hampahery an’i Josafata Mpanjaka sy ny fiangonan’Israely, rehefa nisy fahavalo nandrahona azy ireo. Hoy izy: “Izao no lazain’i Jehovah aminareo: ‘Aza matahotra na mihorohoro noho ny amin’io vahoaka be io, satria tsy anareo ny ady fa an’Andriamanitra. ... Tsy mila miady ianareo amin’ity indray mandeha ity. Samia maka ny toerany ka mijoroa tsara fotsiny, ary jereo ny famonjen’i Jehovah anareo.’” (2Ta 20:14-17) Zanak’i Zakaria, taranak’i Asafa avy amin’ny Levita fianakavian’i Gersoma (Gersona [Ge 46:11]) i Jahaziela. Tsy mpisorona àry izy.—1Ta 6:39-43.
5. Rain’i Sekania, izay anisan’ireo niara-niverina tamin’i Ezra tany Jerosalema tamin’ny 468 T.K.—Ezr 8:1, 5.