Jaira
(Jaìra).
1. Taranak’i Joda avy tamin’i Hezrona zafikeliny, izay nanambady vehivavy avy tamin’ny fokon’i Manase. (1Ta 2:21, 22) Nisaina ho anisan’ny taranak’i Manase fa tsy taranak’i Joda i Jaira, angamba satria namabo tanàna tranolay maromaro tao amin’ny faritanin’i Manase izy. Nampitondrainy ny anarany ireny, ary mbola nantsoina tamin’ny anarany ela be tatỳ aoriana.—No 32:41; De 3:14; Js 13:30; 1Mp 4:13; jereo HAVOTA-JAIRA.
2. Mpitsara fahafito teo amin’ny Israely. Gileadita nanana toerana ambony izy. Samy nanana tamin’ireo tanàna tranolay voaresaka etsy aloha ny zanany 30 lahy. Azo inoana àry fa taranak’ilay No. 1 i Jaira. Nitsara 22 taona izy dia maty, ary nalevina tao Kamona.—Mpts 10:3-5.
3. Rain’i Mordekay, ary anisan’ny fokon’i Benjamina.—Es 2:5.
4. Rain’i Elanana, izay namono an’i Lamy rahalahin’i Goliata. (1Ta 20:5) Misy fahadisoan’ny mpanao dika soratra ny fitantarana mifanitsy amin’io ao amin’ny 2 Samoela 21:19.—Jereo LAMY.