Jairo
(Jàiro).
Mpitantana ny synagoga (angamba tao Kapernaomy), ary natsangan’i Jesosy tamin’ny maty ny zanany vavitokana.—Mt 9:18; Mr 5:22; Lk 8:41, 42.
Narary mafy efa ho faty ilay zanany vavy 12 taona, tamin’ny faramparan’ny taona 31 na teo am-piandohan’ny taona 32. Nitady an’i Jesosy àry i Jairo, ary niankohoka teo an-tongony sady niangavy azy mba ho any an-tranony ka hanasitrana an’ilay zanany, dieny mbola tsy tara loatra. Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nanasitrana vehivavy iray nandeha ra efa nandritra ny 12 taona i Jesosy. Azo antoka fa tena nampahery an’i Jairo ny nahita izany. Tsy maintsy ho kivy be indray anefa izy rehefa nisy nilaza taminy fa maty ilay zanany vavy! Hoy i Jesosy taminy: “Aza matahotra fa minoa fotsiny.” Tonga tao an-tranon’i Jairo i Jesosy ka nahita an’ireo olona nitomany sy nitabataba. Hoy izy: “Tsy maty ilay zaza fa matory.” Naneso sy nihomehy azy izy ireo noho izany. Niditra tao amin’ny nisy an’ilay zaza i Jesosy, Jairo sy ny vadiny, ary ny apostoly telo, ary natsangan’i Jesosy ilay zaza. “Faly tsy nisy hoatr’izany” i Jairo sy ny vadiny.—Mr 5:21-43; Mt 9:18-26; Lk 8:41-56.