Jakina
(Jakìna) [[I Jehovah] Anie Hanamafy Orina].
1. Zanakalahin’i Simeona, ary ny anarany no voatonona fahefatra. (Ge 46:10) Toa antsoina koa hoe Jariba izy. (1Ta 4:24) Anisan’ny fianakavian’ny Simeonita tany Israely ny Jakinita taranany.—Ek 6:15; No 26:12.
2. Mpisorona nanana fianakaviambe voafidy tamin’ny antsapaka ho fizarana faha-21 tamin’ny antoko-mpisorona 24 nalamin’i Davida. (1Ta 24:7, 17) Nonina tao Jerosalema ny iray na maromaro tamin’ny taranany (na taranaka mpisorona hafa natao koa hoe Jakina), taorian’ny sesitany tany Babylona.—1Ta 9:3, 10; Ne 11:10.
3. Ny farany atsimo tamin’ny andry roa teo anoloan’ny tempolin’i Solomona.—1Mp 7:15-22; jereo BOAZA, II; LOHA ANDRY.