Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jakoba

Jakoba

(Jakôba).

[1, 2, 4-8: Ilay Mihazona Voditongotra; Mpangala-toerana]

1. Zanakalahin’i Isaka sy Rebeka i Jakoba. Kambana tamin’i Esao izy, saingy izy no zandriny. Nivady 20 taona i Isaka sy Rebeka vao niteraka azy mirahalahy, ary ireo ihany no zanany tamin’ny 1858 T.K. Efa 60 taona i Isaka tamin’izay. Nivaly ihany ny vavaka nataony ka nahazo zanaka izy, rehefa niharihary fa tena nanam-paharetana sy nino ny fampanantenan’Andriamanitra. Toy izany ihany no nitranga tamin’i Abrahama.​—Ge 25:20, 21, 26; Ro 9:7-10.

Nijaly i Rebeka tamin’izy bevohoka, satria niady ireo zaza tao an-kibony. Nanazava i Jehovah fa ho lasa firenena roa mifandrafy ireo. Nilaza koa izy fa ilay zokiny no hanompo ny zandriny, na dia tsy nahazatra aza izany. Nihazona ny voditongotr’i Esao tokoa i Jakoba zandriny, rehefa teraka izy ireo. Izany no nanaovana ny anarany hoe Jakoba, izay midika hoe “Ilay Mihazona Voditongotra.” (Ge 25:22-26) Nasehon’i Jehovah àry fa mahay mamantatra ny fototarazon’ny zaza ao an-kibo sy izay ho toetran’ny olona izy, ary mampiasa an’izany fahaizany izany mba hifantenana amin’izay olona hanatanteraka ny fikasany. Zony rahateo izany. Tsy mandahatra ny hoavin’ny tsirairay mihitsy anefa izy.​—Ro 9:10-12; Ho 12:3.

Tian’ny rainy kokoa i Esao. Mpihaza izy, ary azo lazaina hoe olon-dia sy tsy tamana an-trano. I Jakoba kosa voalaza fa “lehilahy tsy nanan-tsiny [heb.: tam], nipetraka an-tranolay.” Mpiandry ondry nanana fiainana nilamindamina izy, ary azo nanankinana andraikitra tao an-trano. Tena tia azy ny reniny. (Ge 25:27, 28) Ampiasain’ny andininy hafa io teny hebreo hoe tam io, mba hilazana olona ankasitrahan’Andriamanitra. Manome toky, ohatra, i Jehovah fa “fiadanana no miandry [ny tsy manan-tsiny] amin’ny hoavy.” Voalaza kosa fa “halan’ny lian-dra ny tsy manan-tsiny.” (Oh 29:10; Sl 37:37) ‘Tsy nanan-tsiny [heb.: tam] sady marina’ i Joba, ilay lehilahy tsy nivadika.​—Jb 1:1, 8; 2:3.

Azony ny zon’ny lahimatoa sy ny tsodrano. Efa 15 taona i Jakoba rehefa maty i Abrahama raibeny, tamin’ny 1843 T.K. Imbetsaka àry izy no nandre mivantana an’i Abrahama niresaka momba ny fifanekena nataon’Andriamanitra tamin’io raibeny io. Nandre mivantana momba izany tamin’ny rainy koa izy. (Ge 22:15-18) Takatr’i Jakoba fa voninahitra lehibe ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatanterahana izany fampanantenan’Andriamanitra izany. Tatỳ aoriana, dia azony natao ny nividy ara-dalàna tamin’ny rahalahiny ny zon’ny lahimatoa sy izay rehetra tafiditra amin’izany. (De 21:15-17) Fa inona no nitranga? Reraka be avy tany an-tsaha i Esao, indray andro, ary reny nanentohento ny fofon’ny lantihy nandrahoin’ny rahalahiny. Hoy àry izy: “Mba omeo indray mandrapaka amin’io mena io aho! Haingana fa reraka aho! Omeo amin’io mena io aho ho’aho!” Dia hoy i Jakoba: “Amidio amiko àry aloha ny zonao amin’ny maha lahimatoa anao!” ‘Nataon’i Esao tsinontsinona ny zon’ny lahimatoa’, ka vetivety dia raikitra ny varotra sady nohamafisina tamin’ny fianianana. (Ge 25:29-34; He 12:16) Izany no antony nilazan’i Jehovah, tatỳ aoriana, hoe: “Tiako i Jakoba, fa i Esao kosa halako.”​—Ro 9:13; Ml 1:2, 3.

Mety ve ny nataon’i Jakoba rehefa mody nanao hoe Esao izy?

Rehefa antitra i Isaka ary nieritreritra fa efa tsy haharitra intsony, dia naniraka an’i Esao mba hihaza ho azy izy. Hoy izy: ‘Anaovy sakafo matsiro aho, mba hitsofako rano anao, alohan’ny hahafatesako.’ Ren’i Rebeka anefa izany, ka naniraka haingana an’i Jakoba izy mba haka zanak’osy roa hanaovany sakafo matsiro ho an’i Isaka. Hoy izy tamin’i Jakoba: “Ento any amin-drainao izany hohaniny, mba hitsofany rano anao, alohan’ny hahafatesany.” Nataony teo amin’ny tanan’i Jakoba sy teo amin’ny vozony koa ny hoditry ny zanak’osy. Hihevitra an’i Jakoba ho i Esao mantsy i Isaka amin’izay, rehefa mitsapa azy. Nitondra ilay sakafo teo amin’i Isaka i Jakoba avy eo. Dia hoy i Isaka: “Iza moa ianao, anaka?” Hoy i Jakoba: “Esao lahimatoanao.” Fantatr’i Jakoba tsara fa nanan-jo ara-dalàna haka ny toeran’i Esao, lahimatoan’i Isaka, izy. Nitsapatsapa an’i Jakoba i Isaka mba hahafantarany raha i Esao tokoa io, na tsia. Hoy izy avy eo: “Ny feo dia feon’i Jakoba, fa ny tanana kosa tanan’i Esao.” Nahomby ilay tetik’i Jakoba sy ny reniny, ary voalaza fa “nitso-drano” an’i Jakoba i Isaka. (Ge 27:1-29) Nety ve ny nataon’i Rebeka sy Jakoba?

Tsy isalasalana fa nanan-jo hahazo an’ilay tsodrano i Jakoba. Efa nilaza tamin’i Rebeka mantsy i Jehovah, talohan’ny nahaterahan’i Esao sy Jakoba, hoe: “Ny zokiny hanompo ny zandriny.” (Ge 25:23) Ankoatra izany, dia namidin’i Esao ny zon’ny lahimatoa, tatỳ aoriana, ho takalon’ny lantihy iray vilia. Toetra efa hitan’i Jehovah mialoha tao amin’i Esao izany, ka nahatonga azy ho tia kokoa an’i Jakoba.​—Ge 25:29-34.

Fantatr’i Isaka avy tamin’ireo zavatra efa nitranga ireo ve hoe i Jakoba no tokony hahazo ilay tsodrano? Tsy milaza izany ny Baiboly. Nahoana no tsy fomba hafa no nataon’i Rebeka sy Jakoba mba hahazoana an’ilay tsodrano? Tsy fantatsika ny antony. Ny hany fantatsika dia samy nahalala izy mianaka fa i Jakoba no tokony hahazo izany. Tsy hoe ratsy toetra i Jakoba rehefa nilaza ny tenany ho Esao, ary tsy hoe mba hahazoana zavatra tsy nananany zo no nanaovany izany. Tsy manameloka ny nataon’i Rebeka sy Jakoba koa ny Baiboly. Nahazo an’ilay tsodrano tokony ho azy i Jakoba, tamin’ny farany. Azo inoana koa fa takatr’i Isaka hoe tanteraka ny sitrapon’i Jehovah. Mbola nitso-drano an’i Jakoba indray mantsy izy taoriana kelin’izay, rehefa naniraka azy haka vady tany Harana. Hoy izy: ‘Ilay Andriamanitra Mahery Indrindra [anie] hanome tsodrano anao, dia ilay tsodrano nataony tamin’i Abrahama.’ (Ge 28:3, 4; ampit. He 11:20.) Afaka milaza àry isika fa araka izay nikasan’i Jehovah azy tokoa ny fizotran’ny tantara. Inona no ianarantsika avy amin’iny zava-nitranga iny? Hoy ny Baiboly: “Tandremo koa sao hisy mpijangajanga eo aminareo, na olona tsy manaja zava-masina tahaka an’i Esao, izay nahafoy ny zon’ny lahimatoa ho takalon’ny hanina indray mihinana.”​—He 12:16.

Nifindra tany Padana-arama. (SARINTANY, Boky 1, p. 529) Efa 77 taona i Jakoba rehefa niala tany Beri-sheba mba ho any amin’ny tany nonenan’ny razambeny, izay nipetrahany nandritra ny 20 taona nanaraka. (Ge 28:10; 31:38) Nandeha 100 km teo ho eo nianavaratra avaratratsinanana izy, ka tonga tao Lozy (Betela), teo amin’ny havoanan’i Jodia. Nijanona mba hatory tao izy, ary naka vato atao ondana. Nanonofy izy hoe nahita tohatra nipaka tamin’ny lanitra, ary nisy anjely niakatra sy nidina teo amin’ilay izy. Hitany teo an-tampon’ilay tohatra i Jehovah, ary nohamafisin’i Jehovah taminy ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama sy Isaka.​—Ge 28:11-13; 1Ta 16:16, 17.

Sady nanamafy an’ilay fifanekena i Jehovah no nampanantena an’i Jakoba fa hiambina sy hiaro azy, ka tsy handao azy mihitsy raha tsy efa azon’i Jakoba ilay tany natoriany ary efa lasa maro tahaka ny vovoka amin’ny tany ny taranany. Hoy i Jehovah taminy: “Ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany dia hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalanao sy ny taranakao.” (Ge 28:13-15) Takatr’i Jakoba hoe tena zava-dehibe no nitranga taminy tamin’iny alina iny, ka hoy izy: “Mahatalanjona ity toerana ity! Tsy zavatra hafa ity fa ny tranon’Andriamanitra.” Novany àry ilay anarana hoe Lozy ka nataony hoe Betela, izay midika hoe “Tranon’Andriamanitra.” Nanao tsangambato teo koa izy mba ho vavolombelon’ilay zava-nitranga niavaka, ary nandrarahany menaka teo amboniny. Nankasitrahany ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hiaro azy, ka nivoady izy fa hanome an’i Jehovah ny ampahafolon’izay rehetra azony.​—Ge 28:16-22.

Nanohy ny diany ihany i Jakoba, ka tonga tany akaikin’i Harana, ary nihaona tamin’i Rahely, zanakavavin’i Labana anadahin-dreniny. Nanasa azy mba hijanona tao aminy i Labana. Raiki-pitia tamin’i Rahely i Jakoba, ka nifanaraka tamin’i Labana fa hiasa fito taona ho azy mba hahazoany an’i Rahely. “Toa andro vitsy monja” anefa izany taminy, satria tena tia an’i Rahely izy. Tonga ny andro fampakaram-bady: Namitaka an’i Jakoba anefa i Labana, ka i Lea zokin’i Rahely indray no nomeny ho vadin’i Jakoba. Nanazava i Labana hoe: “Tsy fanao ... ny mamoaka ny zandriny alohan’ny zokiny.” Naharitra herinandro io fampakaram-bady io. Taorian’izay, dia nomen’i Labana ho vadin’i Jakoba koa i Rahely, rehefa nanaiky hiasa fito taona ho azy indray i Jakoba. Nomen’i Labana mpanompovavy i Lea sy Rahely, ka i Zilpa ho an’i Lea ary i Bilaha ho an’i Rahely.​—Ge 29:1-29; Ho 12:12.

Nataon’i Jehovah nitombo tsikelikely ka lasa firenena lehibe ny ankohonan’i Jakoba. Niteraka zazalahy efatra nifanarakaraka i Lea. Ireto avy izy ireo: Robena, Simeona, Levy, ary Joda. Rehefa hitan’i Rahely fa momba izy, dia nomeny ho an’i Jakoba i Bilaha mpanompovaviny, ka niteraka zazalahy roa ho an’i Rahely, dia i Dana sy Naftaly. Tsy afa-niteraka i Lea tamin’izay fotoana izay. Nomeny ho an’i Jakoba koa àry i Zilpa mpanompovaviny ka nahazo zazalahy roa izy, dia i Gada sy Asera. Bevohoka indray i Lea taorian’izay, ka niteraka an’i Isakara sy Zebolona ary zanakavavy atao hoe Dina. Bevohoka ihany i Rahely tamin’ny farany, ka niteraka an’i Josefa. Tao anatin’ny fito taona monja àry dia nahazo zanaka maro i Jakoba.​—Ge 29:30–30:24.

Lasa nanan-karena i Jakoba talohan’ny nialany tao Harana. Naniry mafy hiverina tany amin’ny taniny i Jakoba, rehefa tapitra ireo 14 taona nifanarahany tamin’i Labana hoe hiasany ho azy mba hahazoany an’ireo vadiny. Niangavy mafy an’i Jakoba anefa i Labana mba hijanona, ka hanohy hiandry ny ondry aman’osiny. Hitany mantsy fa nitahy azy i Jehovah, noho i Jakoba teo aminy. Nasainy nilaza izay ho karamany mihitsy aza i Jakoba. Any amin’iny faritra iny, dia mazàna no fotsy ranoray ny ondry ary mainty ranoray ny osy. Izao ihany àry no nangatahin’i Jakoba: Ny zanak’ondry rehetra teraka nanomboka tamin’izay ka mivolontsôkôlà, sy ny zanak’osy rehetra teraka ka misy pentina fotsy. Hoy i Labana: “Mety izany.” Tiany ho faran’izay kely ny karaman’i Jakoba, ka nanaiky izy rehefa nanolo-kevitra i Jakoba hoe hatokana ny osy rehetra misoritsoritra sy sada ary mara, ary ireo vantotr’ondrilahy mivolontsôkôlà. Ny zanany lahy no nasain’i Labana niandry an’ireo, ary lalana telo andro no nataony nanelanelana an’ireo sy ny andiany nandrasan’i Jakoba, mba tsy ho afaka hivady ireo biby. Izay zanak’ondry na zanak’osy teraka taorian’izay, ka tsy fotsy ranoray na mainty ranoray, no ho an’i Jakoba.​—Ge 30:25-36.

Ondry fotsy sy osy mainty ihany àry no nandrasan’i Jakoba nanomboka teo. Niasa mafy anefa izy, ary nanao izay noheveriny fa hahabetsaka an’ireo biby mivolontsôkôlà sy misoritsoritra sy sada ary mara. Naka tsorakazo mbola maitso tamin’ny hazo stiraksa sy hazo amandie ary hazo platana izy. Nanesorany ny hoditr’ireo, mba hisy soritsoritra sy pentimpentina hiseho. Nataony tao anaty tavin-drano fisotroam-biby ireny tsorakazo ireny avy eo. Nino angamba izy fa raha nijery an’ireo soritsoritra ireo ny biby rehefa nitady lahy, dia ho sada na mara na misoritsoritra na mivolontsôkôlà ny zanaka haterany. Tsy napetrany tao anaty tavin-drano anefa ireo tsorakazo, raha tsy ny ondry na osy matanjaka no nitady lahy.​—Ge 30:37-42.

Inona no vokany? Betsaka kokoa noho ireo zanak’ondry fotsy sy zanak’osy mainty, izay ho an’i Labana, ireo misoritsoritra sy sada sy mara ary mivolontsôkôlà, izay karaman’i Jakoba. Tanteraka àry izay nirin’i Jakoba, ka angamba izy nihevitra fa nandaitra ireo tsorakazo misoritsoritra. Diso hevitra anefa izy, toa an’ireo olona maro izay mino hoe misy vokany eo amin’ny taranaka ny zavatra toy ireny. Nanitsy azy tamin’ny alalan’ny nofy ilay Mpamorona.

Nanjary fantatr’i Jakoba fa tsy ireo tsorakazo no nahatonga azy hahazo biby fiompy be dia be, fa ny resaka fototarazo. Marina fa ondry fotsy sy osy mainty ihany no andiam-biby nandrasany, nefa osilahy misoritsoritra sy sada ary misy pentimpentina no hitany tao amin’ilay nofy. Fa nahoana? Satria na dia niloko ranoray aza ireo biby nandrasany ireo, dia toa safiotra izy ireo, izany hoe taranak’ireo biby sada sy mivolontsôkôlà tao amin’ny andiam-bibin’i Labana talohan’ilay fifanarahana momba ny karaman’i Jakoba. Nisy tamin’ireo biby ranoray ireo àry afaka niteraka mara na sada, satria efa tao amin’ny fototarazony izany. Mifanaraka amin’ny lalàn’ny fandovan-toetra hitan’i Gregor Mendel tamin’ny taonjato faha-19 izany.​—Ge 31:10-12.

Nandritra ny enin-taona nanaraka, dia tena nitahy an’i Jakoba i Jehovah ka nampitombo ny isan’ny ondry aman’osiny sy ny mpanompony sy ny ramevany ary ny ampondrany. Nitombo foana ny fananany, na dia imbetsaka aza i Labana no nanova ny karama efa nifanarahana. Farany, dia niteny tamin’i Jakoba ‘ilay Andriamanitra niseho taminy tao Betela’, ka nilaza taminy mba hiverina tany amin’ny Tany Nampanantenaina.​—Ge 30:43; 31:1-13, 41.

Niverina tany amin’ny Tany Nampanantenaina. Natahotra anefa i Jakoba sao mbola tsy hamela azy hiala tamin’ny asany indray i Labana. Nentiny an-tsokosoko niampita ny Reniranon’i Eofrata àry ny vady aman-janany sy ny fananany rehetra, ary nizotra ho any Kanana izy ireo. Asehon’ny Genesisy 31:4, 21 fa angamba i Jakoba teo am-piandrasana ny ondry aman’osiny niraoka ahitra teny akaikin’i Eofrata, rehefa nieritreritra ny handeha. I Labana kosa tamin’izay nanety ny ondriny tany an-toeran-kafa, ka telo andro tatỳ aoriana vao nahalala hoe lasa i Jakoba. Mbola nila namita an’izay nataony anefa aloha izy, avy eo vao niomana hanenjika an’i Jakoba, ary nentiny niaraka taminy ireo rahalahiny. Nanam-potoana tsara mba hahatongavana tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Gileada àry i Jakoba, na dia niadam-pamindra aza ireo biby fiompiny. Tany izy vao tratran’i Labana. Miala 560 km mahery avy tao Harana io toerana io, nefa vitan’i Labana sy ireo rahalahiny tao anatin’ny fito andro monja. Nitaingina rameva mantsy izy ireo sady nirifatra.​—Ge 31:14-23.

Tratran’i Labana ry Jakoba, rehefa nitoby kilaometatra vitsivitsy teo avaratr’i Jaboka. Nanontany i Labana hoe nahoana i Jakoba no nandeha, nefa tsy namela azy hanoroka ny zanany sy ny zafikeliny akory. Nanontany koa izy hoe nahoana i Jakoba no nangalatra ny andriamaniny. (Ge 31:24-30) Mazava be ny valin’ilay fanontaniana voalohany: Natahotra i Jakoba sao tsy hamela azy handeha i Labana. Ary ilay faharoa? Tsy nahafantatra an’izany zavatra nangalarina izany mihitsy i Jakoba. Nangalarin’i Rahely tokoa anefa ny terafiman’ny rainy, fa nafeniny tao anatin’ny harony teo amin’ny laselin-drameva.​—Ge 31:31-35.

Inona no nahatonga an’i Rahely hangalatra an’ilay terafima, ary nahoana i Labana no nitady mafy an’ilay izy? Hoy ny boky iray: “Ny olona nanana ny andriamanitry ny fianakaviana no nanan-jo ara-dalàna ho mpandova. Izany no nahatonga an’i Labana haniry mafy haka azy io tany amin’i Jakoba, araka ny Genesisy 31:26 sy ny tohiny.”​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 220, f.a.p. 51.

Nilamina ihany ilay fifamalian’i Labana sy Jakoba. Nanangana tsangambato àry i Jakoba, ary avy eo nanao antontam-bato. Teo nandritra ny taona maro izany ho vavolombelon’ny fifanekena nataon’i Labana sy Jakoba. Nifanaiky mantsy izy ireo hoe hihavana, ary nisakafo izy ireo avy eo ho marik’ilay fifanekena. Nantsoina hoe Galeda (midika hoe “Antontam-bato Vavolombelona”) sy hoe Ny Tilikambo Fiambenana ilay antontam-bato.​—Ge 31:36-55.

Naniry mafy hamitram-pihavanana tamin’i Esao rahalahiny koa izao i Jakoba. Efa 20 taona mahery izy no tsy nahita azy. Te hanalefaka ny fon’i Esao izy, talohan’ny nihaonany taminy, raha sanatria mbola nankahala azy i Esao. Nandefa fanomezana lafo vidy ho azy àry i Jakoba, ka anisan’izany ny ondry aman’osy an-jatony, rameva sy ampondra ary omby maro. (Ge 32:3-21) Tanam-polo no nentin’i Jakoba, tamin’izy nandositra niala tany Kanana. Notahin’i Jehovah anefa izy, ka lasa mpanankarena rehefa niverina tany.

Nahoana no nampikotringa an’i Jakoba ilay anjely nifampitolona taminy?

Zavatra hafakely no nitranga tamin’i Jakoba tamin’ilay alina niampitan’ny ankohonany an’i Jaboka, raha mbola nanohy ny diany nianatsimo izy ireo mba hihaona tamin’i Esao: Nifampitolona tamin’ny anjely izy. Naneho fikirizana izy, ka izany no nahatonga ny anarany hovana hoe Israely, izay midika hoe “Mpitolona (Mpaneho Fikirizana) Amin’Andriamanitra; na Mitolona Andriamanitra.” (Ge 32:22-28) Matetika àry ny anarana hoe Jakoba sy Israely no nampiasaina, tatỳ aoriana, tao amin’ireo tononkalo hebreo misy hevitra mifanitsy. (Sl 14:7; 22:23; 78:5, 21, 71; 105:10, 23) Nokasihin’ilay anjely ny foto-pen’i Jakoba, ka nikotringa mandra-pahafatiny izy, angamba mba hampianarana azy hanetry tena. Hahatsiaro foana izy amin’izay, fa tsy tokony hihevi-tena ho zavatra loatra noho izy nataon’Andriamanitra lasa mpanankarena na noho izy nifampitolona tamin’ny anjely. Nataon’i Jakoba hoe Peniela na Penoela ny anaran’ilay toerana, mba hahatsiarovana an’izany zava-nitranga nanan-tantara izany.​—Ge 32:25, 30-32.

Nahafinaritra ny fihaonan’i Jakoba sy Esao, izay samy 97 taona teo ho eo tamin’izay. Samy nanana ny lalany izy mirahalahy avy eo, ary azo inoana fa tsy nifankahita intsony raha tsy tamin’ny fotoana nandevenan’izy ireo an’i Isaka rainy, 23 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Nianatsimo mantsy i Esao, niaraka tamin’ireo fanomezana azony, fa i Jakoba kosa nianavaratra sy niampita indray an’i Jaboka.​—Ge 33:1-17; 35:29.

Mpivahiny izy nandritra ny 33 taona nanaraka. Nanorim-ponenana tao Sokota i Jakoba, taorian’ny nisarahany tamin’i Esao. Tao no toerana voalohany nipetrahany, taorian’ny niverenany avy tany Padana-arama. Tsy voalaza hoe hafiriana izy no nijanona tao. Mety ho an-taonany maro anefa izany satria nanorina trano izy tao, sady nanao trano rantsankazo ho an’ny biby fiompiny.​—Ge 33:17.

Niankandrefana i Jakoba taorian’izay ka niampita an’i Jordana, ary tonga tany akaikin’i Sekema. Nividy sombin-tany tamin’ny zanakalahin’i Hamora izy tao, ary “farantsa volafotsy [heb.: kesitah] zato” no nividianany azy. (Ge 33:18-20; Js 24:32) Tsy fantatra ankehitriny hoe ohatrinona io vola fahiny antsoina hoe kesitah io. Mety ho nitovy vidy tamin’ny volafotsy be dia be anefa ny kesitah zato. Mbola tsy nisy vola vy mantsy tamin’izany.

Tao Sekema i Dina, zanakavavin’i Jakoba, no nanjary nifanerasera be tamin’ireo vehivavy kananita. Nisy vokany izany satria nametaveta azy i Sekema, zanakalahin’i Hamora mpiadidy. Tsy nampoizin’i Jakoba ny zava-nitranga taorian’izay. Novonoin’ireo zanany lahy mantsy ny lehilahy rehetra tao Sekema. Nentin’izy ireo ho babo koa ny vehivavy sy ny ankizy. Norobain’izy ireo ny fananana sy ny harenan’ny olona. Lasa nankahala an’i Jakoba rain’izy ireo ny mponina tao amin’ilay tany.​—Ge 34:1-31.

Nasain’Andriamanitra niala tao Sekema sy nifindra tany Betela i Jakoba, taorian’izay. Talohan’ny nifindran’izy ireo anefa, dia hoy i Jakoba tamin’ny ankohonany: “Ario ny andriamani-kafa any aminareo, ary diovy ny tenanareo, ka soloy ny lamba fitafinareo.” Anisan’ireny andriamani-kafa ireny angamba ny terafiman’i Labana. Nasain’i Jakoba nariana koa ny kavina, izay angamba natao ody fiaro. Naleviny tany akaikin’i Sekema izany.​—Ge 35:1-4.

Tonga tao Betela indray izy ireo. Hafa mihitsy i Betela (na “Tranon’Andriamanitra”) tamin’i Jakoba. Tao mantsy i Jehovah, angamba 30 taona teo ho eo talohan’izay, no nanamafy tamin’i Jakoba ny fifanekena nataony tamin’i Abrahama. Nanorina alitara ho an’ilay Andriamanitra lehibe sady Andriamanitry ny razany àry i Jakoba tao. Taorian’izay, dia namerina an’ilay fifanekena i Jehovah sady nanamafy hoe novana ho Israely ny anaran’i Jakoba. Nanorina tsangambato teo i Jakoba ary nandraraka fanatitra zava-pisotro sy menaka teo amboniny, mba hahatsiarovana an’ireo zava-nitranga niavaka ireo. Tao Betela koa no maty sy nalevina i Debora, ilay vehivavy nampinono an-dreniny.​—Ge 35:5-15.

Tsy fantatra koa hoe hafiriana i Jakoba no nipetraka tao Betela. Niala tao izy tatỳ aoriana ary nianatsimo. Raha mbola teny an-dalana ho any Betlehema (Efrata) ry Jakoba mianakavy, dia nihetsi-jaza i Rahely ary saro-piterahana izy ka maty raha vao teraka i Benjamina, zanany lahy faharoa. Nalevin’i Jakoba teo i Rahely malalany, ary nanorina tsangambato teo ambonin’ny fasany izy.​—Ge 35:16-20.

Nanohy ny diany nianatsimo izao i Jakoba ary efa nantsoina hoe Israely izy. Efa feno 12 ny isan’ny zanany lahy, izay hiteraka an’ireo foko 12 teo amin’ny Israely. Voalaza fa “niala kely teo amin’ny tilikambo Edera” ny toerana nanaraka nilasian’izy ireo, izany hoe teo anelanelan’i Betlehema sy Hebrona. Tao i Robena, lahimatoan’i Jakoba, no nanao firaisana tamin’i Bilaha vadikelin-drainy, izay renin’i Dana sy Naftaly. Nihevitra angamba i Robena fa efa antitra loatra i Jakoba ka hamela an’ilay izy amin’izao fotsiny. Tsy nankasitrahan’i Jehovah anefa izay nataon’i Robena. Nesorina taminy àry ny zon’ny lahimatoa, noho izy nanao firaisana tamin’ny havany akaiky.​—Ge 35:21-26; 49:3, 4; De 27:20; 1Ta 5:1.

Nifindra tany Hebrona ry Jakoba, tatỳ aoriana. Tsy tena fantatra anefa ny datin’izany, fa angamba talohan’ny nivarotana an’i Josefa zanany ho andevo tany Ejipta. Mbola velona tany Hebrona i Isaka rainy tamin’izay.​—Ge 35:27.

Naniraka an’i Josefa (izay 17 taona) i Jakoba, indray andro. Nasainy nojerena sao nisy naninonaninona ireo rahalahin’i Josefa, izay lasa niandry ny ondrin-drainy. Hitan’i Josefa tany Dotana izy ireo nony farany, izany hoe 100 km teo ho eo tany avaratr’i Hebrona. Nosamborin’ireo rahalahiny anefa izy, ary namidin’izy ireo tamin’ny mpivarotra ho any Ejipta. Tamin’ny 1750 T.K. no nitrangan’izany. Nataon’izy ireo avy eo izay hinoan’ny rainy hoe novonoin’ny bibidia i Josefa. Nisaona an-janany andro maro i Jakoba, sady tsy nety nampiononina. Hoy izy: “Hidina amin’alahelo ho any amin-janako any amin’ny Fasana aho!” (Ge 37:2, 3, 12-36) Nanampy trotraka ny alahelony ny nahafatesan’i Isaka rainy tamin’ny 1738 T.K.​—Ge 35:28, 29.

Nifindra tany Ejipta. Folo taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Isaka, dia nisy mosary lehibe ka voatery naniraka ny zanany folo lahy mba hitady sakafo tany Ejipta i Jakoba, saingy tsy nalefany i Benjamina. Nahatadidy an’ireo rahalahiny i Josefa, rehefa tonga tany Ejipta izy ireo. Efa notendren’i Farao ho mpiandraikitra ny sakafo izy tamin’izay, ka nitaky ny hitondran’izy ireo an’i Benjamina zandrin’izy ireo, rehefa nankany Ejipta indray izy ireo. (Ge 41:57; 42:1-20) Tsy nanaiky anefa i Jakoba tamin’ny voalohany, satria natahotra sao hisy loza hanjo an’ilay zanaky ny fahanterany, izay 22 taona fara fahakeliny. (Ge 42:29-38) Nanaiky ihany anefa izy tamin’ny farany, rehefa lany tanteraka ny sakafo avy tany Ejipta.​—Ge 43:1-14; As 7:12.

Nihavana indray i Josefa sy ireo rahalahiny. Nasain’i Josefa nifindra nankao amin’ny tany lonak’i Gosena, tany Ejipta, àry i Jakoba sy ny ankohonany, ary biby fiompin’izy ireo sy ny fananany rehetra, satria mbola haharitra dimy taona ilay mosary lehibe. Nanome sarety sy vatsy hoentin’izy ireo eny an-dalana mihitsy aza i Farao. (Ge 45:9-24) Nanome toky an’i Jakoba i Jehovah fa nankasitrahany ny hifindran’i Jakoba tany Ejipta ary hotahiny izy. (Ge 46:1-4) Voalaza fa 70 ny olona rehetra tao amin’ny ankohonan’i Jakoba, ka anisan’izany i Manase sy Efraima ary ny olon-kafa teraka tany Ejipta talohan’ny nahafatesan’i Jakoba. (Ge 46:5-27; Ek 1:5; De 10:22) Tsy anisan’ireo 70 ireo i Lea (izay maty tany amin’ny Tany Nampanantenaina), sy ireo zanakavavin’i Jakoba (tsy voatonona anarana), ary ireo vinantovaviny.​—Ge 49:31; 46:26; ampit. 37:35.

Tonga tany Ejipta i Jakoba tamin’ny 1728 T.K. Nentina tao an-dapan’i Farao izy, tsy ela taorian’izay, ary notsofiny rano ilay mpanjaka. Nilaza i Jakoba fa mpivahiny izy (toa an’i Abrahama sy Isaka, satria samy tsy nandova an’ilay tany nampanantenain’Andriamanitra izy ireo). Nanontanian’i Farao ny taonan’i Jakoba, ka namaly izy hoe 130 taona. Nilaza anefa izy fa “vitsy sady nampahory” izany, raha oharina tamin’ny taona niainan’ireo razambeny.​—Ge 47:7-10.

Nitso-drano an’ireo zanakalahin’i Josefa i Jakoba, taloha kelin’ny nahafatesany. I Efraima no nomeny tombony fa tsy i Manase, ary avy tamin’Andriamanitra izany. I Efraima anefa no zandriny. Hoy i Jakoba avy eo tamin’i Josefa, izay tokony hahazo anjaran-droa, izany hoe ny lova ho an’ny lahimatoa: “Homeko tany iray fanampiny ianao, mihoatra noho ny an’ny rahalahinao. Nalaiko tamin’ny sabatro sy ny tsipìkako teo an-tanan’ny Amorita izany tany izany.” (Ge 48:1-22; 1Ta 5:1) Tsy ilay sombin-tany teo akaikin’i Sekema no noresahiny teo, satria tsy nila sabatra sy tsipìka izy mba hahazoana azy io, fa novidiny tamin’ny zanakalahin’i Hamora izy io. (Ge 33:19, 20) Toa niresaka momba an’i Kanana kosa i Jakoba teo. Faminaniana izy io ary hita tamin’io fa nino izy hoe hiady sy handresy an’i Kanana ny taranany. Taminy àry dia toy ny hoe efa tanteraka ilay izy, ka ny sabany sy ny tsipìkany mihitsy no nahazoany an’ilay tany. (Jereo AMORITA.) Ny anjara lova nomena ny fokon’i Efraima sy ilay nomena ny fokon’i Manase no anjaran-droa tokony ho an’i Josefa tao amin’io tany io.

Nanangona ny heriny rehetra i Jakoba, talohan’ny nahafatesany, mba hitso-drano ny tsirairay tamin’ireo zanany lahy 12. (Ge 49:1-28) Nasehony fa nino izy hoe ho tanteraka ny sitrapon’i Jehovah. (He 11:21) Matetika àry ny Soratra Masina no milaza fa Andriamanitr’i Jakoba koa i Jehovah, fa tsy Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka fotsiny. Nanam-pinoana mantsy i Jakoba, ary naverin’Andriamanitra taminy ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama.​—Ek 3:6; 1Ta 29:18; Mt 22:32.

Maty i Jakoba tamin’ny 1711 T.K. rehefa avy nipetraka 17 taona tany Ejipta. Efa 147 taona izy tamin’izay. (Ge 47:27, 28) Nifarana teo ny tantarany. Ny antsasany mahery amin’ny bokin’ny Genesisy (Toko 25-50) no mitantara ny nahaterahany ka hatramin’ny nahafatesany. Nasain’i Josefa nokarakarain’ireo Ejipsianina mpitsabo ilay faty satria handeha lavitra izy ireo. Fanirian’i Jakoba mantsy ny hoe halevina any Kanana izy. Be dia be ny mpandevina nitanjozotra niala tao Ejipta, satria olona ambony i Josefa zanak’i Jakoba. Nanao fombafomba fisaonana nandritra ny fito andro izy ireo, rehefa tonga tao amin’ny faritr’i Jordana. Nalevin’ireo zanany lahy tao amin’ilay lava-bato tao Makpela i Jakoba, avy eo. Tao koa no nandevenana an’i Abrahama sy Isaka.​—Ge 49:29-33; 50:1-14.

2. Matetika no ampiasain’ireo mpaminany ny hoe “Jakoba” mba hilazana an’ilay firenena taranak’i Jakoba. (Is 9:8; 27:9; Je 10:25; Ezk 39:25; Am 6:8; Mi 1:5; Ro 11:26) Nampiasa an’ilay hoe “Jakoba” koa i Jesosy, indray mandeha, ary ireo ho “ao amin’ny fanjakan’ny lanitra” no tiany holazaina.​—Mt 8:11.

3. [Avy amin’ny fototeny midika hoe “mihazona voditongotra; mangala-toerana”]. Mpiadidy teo amin’ny fokon’i Simeona, ary anisan’ireo nanitatra ny faritanin’ny fokony ka nandringana ny mponina tao amin’ny lohasaha lonaka tany akaikin’i Gedora, tamin’ny andron’i Hezekia.​—1Ta 4:24, 36-41.

4. Rain’i Josefa. Io Josefa io ilay vadin’i Maria, renin’i Jesosy.​—Mt 1:15, 16.

5. Rain’ilay apostoly antsoina hoe Jodasy (tsy i Jodasy Iskariota).​—Lk 6:16; As 1:13.

6. Zanakalahin’i Zebedio. Rahalahin’i Jaona izy, ary anisan’ireo apostoly 12 nofidin’i Jesosy Kristy. (Mt 10:2) Toa i Salome no reniny. Hita izany rehefa mampitaha andininy samy hafa mitantara zava-nitranga iray ihany isika. “Renin’ny zanak’i Zebedio” mantsy no iantsoana azy ao amin’ny andininy iray, fa “Salome” kosa ao amin’ny andininy hafa. (Mt 27:55, 56; Mr 15:40, 41; jereo SALOME No. 1.) Raha mbola ampitahaina amin’ny Jaona 19:25 ireo andininy ireo, dia hita fa mety ho iray tam-po tamin’i Maria, renin’i Jesosy, i Salome. Zanaky ny rahavavin-drenin’i Jesosy àry i Jakoba, raha izany no izy.

Mpanarato niara-niasa tamin-drainy i Jakoba sy Jaona rahalahiny. Mbola teo am-piasana niaraka tamin’i Petera sy Andrea izy roa lahy, tamin’ny taona 30, rehefa niantso azy ireo i Jesosy mba ho lasa mpianany sy ho “mpanarato olona.” Namaly ny antson’i Jesosy i Jakoba sy Jaona. Midika izany fa nialany ny orinasa kely nikambanany tamin’i Petera sy Andrea, ary namoy asa nampidi-bola be sy nisy mpikarama maro izy roa lahy.​—Mt 4:18-22; Mr 1:19, 20; Lk 5:7-10.

Ny taona nanaraka (taona 31), dia nifidy 12 tamin’ireo mpianany i Jesosy mba ho apostoly. Iray tamin’ireo voafidy i Jakoba.​—Mr 3:13-19; Lk 6:12-16.

Imbetsaka ny Soratra Masina no miresaka an’i Petera sy Jakoba ary Jaona hoe niaraka matetika kokoa tamin’i Kristy. Izy telo lahy ireo ihany, ohatra, no niaraka tamin’i Kristy teo an-tendrombohitra, tamin’izy niova tarehy. (Mt 17:1, 2) Izy ireo irery koa no apostoly nasain’i Jesosy hiditra tao an-trano, tamin’izy nanangana ny zanakavavin’i Jairo. (Lk 8:51) Mbola izy ireo ihany tao Getsemane no nentin’i Jesosy niaraka taminy, rehefa nandeha nivavaka izy tamin’ilay alina farany niainany teto an-tany. (Mr 14:32-34) Izy telo lahy, niaraka tamin’i Andrea, no nanontany an’i Jesosy hoe rahoviana no ho tonga ny fandravana ny tempolin’i Jerosalema ary inona no famantarana ny fanatrehan’i Kristy sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity. (Mr 13:3, 4) Voatonona miaraka amin’i Jaona rahalahiny foana i Jakoba, ary saika izy foana no voatonona voalohany. Midika angamba izany fa izy no zokiny.​—Mt 4:21; 10:2; 17:1; Mr 1:19, 29; 3:17; 5:37; 9:2; 10:35, 41; 13:3; 14:33; Lk 5:10; 6:14; 8:51; 9:28, 54; As 1:13.

Nomen’i Jesosy anarana hoe Boanerjesy i Jakoba sy Jaona rahalahiny. Teny semitika izy io ary midika hoe “Zanaky ny Varatra.” (Mr 3:17) Navitrika sy nafana fo be mantsy izy ireo. Rehefa nisy Samaritanina, ohatra, tsy nety nandray an’i Jesosy, dia hoy i Jakoba sy Jaona tamin’i Jesosy: “Tianao ve ny hitenenanay mba hisy afo hilatsaka avy any an-danitra handringana an’ireo?” Nibedy azy roa lahy i Jesosy noho izy ireo te hamaly faty. Na izany aza, dia hita fa nanam-pinoana izy ireo ary marim-pototra ny hatezerany. (Lk 9:51-55) Te hahazo ny toerana ambony indrindra (eo ankavanan’i Jesosy sy eo ankaviany) tao amin’ilay Fanjakana koa izy roa lahy, ka ny reniny, izay angamba nenitoan’i Jesosy, no nasainy nangataka izany tamin’i Jesosy. Nanazava i Jesosy fa ny Rainy no manapa-kevitra momba izany. Hoy izy avy eo: “Na iza na iza te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy manompo anareo.”​—Mt 20:20-28.

Toa tamin’ny taona 44 no maty i Jakoba. Nasain’i Heroda Agripa I novonoina tamin’ny sabatra izy. Izy no apostoly voalohany maty maritiora.​—As 12:1-3.

7. Zanakalahin’i Alfeo, ary anisan’ny apostolin’i Jesosy Kristy. (Mt 10:2, 3; Mr 3:18; Lk 6:15; As 1:13) Maro no mino fa i Alfeo ihany no Klopa, ary tena azo inoana izany. Raha izany no izy, dia i Maria no renin’i Jakoba, izany hoe ilay Maria “renin’i Jakoba kely sy Josesy.” (Jn 19:25; Mr 15:40; Mt 27:56) Nantsoina hoe Jakoba kely i Jakoba, satria angamba kely kokoa na zandriny kokoa noho ilay apostoly hafa nantsoina hoe Jakoba, ilay zanak’i Zebedio.

8. Zanakalahin’i Josefa sy Maria, ary rahalahin’i Jesosy, iray reny taminy. (Mr 6:3; Ga 1:19) Tsy apostoly izy, nefa azo inoana fa izy ilay Jakoba mpiandraikitra teo anivon’ny fiangonana kristianina tao Jerosalema. (As 12:17) Izy koa no nanoratra ilay boky ao amin’ny Baiboly mitondra ny anarany. (Jk 1:1) Mety ho zandrin’i Jesosy kely fotsiny izy, satria izy no voatonona voalohany tamin’ireo zanakalahy hafa naterak’i Maria, araka izao filaharana izao: Jakoba, Josefa, Simona, ary Jodasy. (Mt 13:55; jereo RAHALAHY, ANADAHY.) Toa nanambady i Jakoba, rehefa jerena ny taratasy nosoratan’i Paoly ho an’ny Korintianina, tamin’ny taona 55 tany ho any.​—1Ko 9:5.

Azo inoana fa nahafantatra tsara momba ny fanompoana nataon’i Jesosy rahalahiny i Jakoba. (Lk 8:19; Jn 2:12) Toa tsy nanohitra azy izy, nefa koa mbola tsy lasa mpianany sy mpanara-dia azy. (Mt 12:46-50; Jn 7:5) Tsy nino an’i Jesosy ireo rahalahiny. Niaraka tamin’izy ireo angamba i Jakoba rehefa nampirisika an’i Jesosy izy ireo mba ho sahy hanatrika ny Fetin’ny Tranolay, nefa ny mpitondra teo amin’ny Jiosy efa nitady hamono an’i Jesosy. (Jn 7:1-10) Niaraka tamin’ny havan’i Jesosy koa angamba i Jakoba rehefa nilaza izy ireo hoe: ‘Voa ny sain’i Jesosy.’​—Mr 3:21.

Taorian’ny nahafatesan’i Jesosy anefa, ary talohan’ny Pentekosta taona 33, dia efa anisan’ireo nivavaka tao amin’ny efitrano ambony rihana tany Jerosalema i Jakoba, niaraka tamin’ny reniny sy ny rahalahiny ary ny apostoly. (As 1:13, 14) Azo inoana fa izy ilay Jakoba nisehoan’i Jesosy, araka ny resahin’ny 1 Korintianina 15:7. Efa nitsangana tamin’ny maty i Jesosy tamin’izay, ary nandresy lahatra an’io rahalahiny tsy nino azy io fa izy tokoa no Mesia. Mampahatsiaro antsika an’ilay nisehoan’i Jesosy tamin’i Paoly izany.​—As 9:3-5.

Nanana andraikitra lehibe teo anivon’ny fiangonan’i Jerosalema i Jakoba tatỳ aoriana, ary mety ho ‘apostolin’io’ fiangonana io. (Jereo APOSTOLY [Apostolin’ny fiangonana].) Marina izany rehefa jerena ny tenin’i Paoly, tamin’izy nitsidika voalohany an’ireo rahalahy tany Jerosalema (taona 36 tany ho any). Nilaza izy fa nijanona 15 andro tany amin’i Petera, nefa “tsy nahita apostoly hafa, ankoatra an’i Jakoba rahalahin’ny Tompo.” (Ga 1:18, 19) Nanome toromarika an’ireo rahalahy tao an-tranon’i Jaona Marka koa i Petera, taorian’ny nanafahana azy tamin’ny fomba mahagaga avy tao am-ponja. Hoy izy: “Lazao amin’i Jakoba sy ny rahalahy izany.” (As 12:12, 17) Hita amin’izany fa nanana andraikitra lehibe i Jakoba. Nisy adihevitra momba ny famorana koa nentina teo anatrehan’ny “apostoly sy ny anti-panahy” tany Jerosalema, tamin’ny taona 49 tany ho any. Rehefa avy nitantara ny zavatra hitany nataon’Andriamanitra i Petera sy Barnabasy ary Paoly, dia nandray fitenenana i Jakoba ka nanambara ny heviny, ary neken’ireo nivory teo izany. (As 15:6-29; ampit. As 16:4.) Izany no nahatonga an’i Paoly hilaza fa “ekena ho andrin’ny fiangonana” tany Jerosalema i Jakoba sy Kefasy ary Jaona. (Ga 2:1-9) Nanao tatitra momba ny fanompoany tamin’i Jakoba sy “ny anti-panahy rehetra” i Paoly, tamin’ny faramparan’ny dia misionera nataony tatỳ aoriana. Nanome torohevitra mba harahin’i Paoly izy ireo avy eo.​—As 21:15-26; jereo koa Ga 2:11-14.

Io Jakoba ‘rahalahin’i Jesosy’ io no nanoratra ny bokin’i Jakoba, fa tsy ireo apostoly antsoina hoe Jakoba (zanak’i Zebedio na zanak’i Alfeo). Toa manaporofo izany ny teny nanombohany ny bokiny. Nilaza mantsy izy hoe “mpanompon’Andriamanitra sy mpanompon’i Jesosy Kristy Tompo” izy fa tsy apostoly. Toy izany koa no nataon’i Joda rahalahiny. Nilaza izy hoe “mpanompon’i Jesosy Kristy, sady rahalahin’i Jakoba.” (Jk 1:1; Jd 1) Samy nanetry tena izy mirahalahy ka tsy nilaza hoe rahalahin’i Jesosy Kristy Tompo izy ireo.

Nantsoina hoe “Jakoba ilay Marina” izy. Milaza ny lovantsofina fa noho ny fomba fiainany no anton’izany. Tsy miresaka momba ny nahafatesan’i Jakoba ny Soratra Masina. Nanoratra i Josèphe, mpahay tantara, fa “namory ny mpitsara tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy” i Ananus (Ananiasy) mpisoronabe, taoriana kelin’ny nahafatesan’i Festosy governora, tamin’ny taona 62 tany ho any. Mbola tsy nandray fahefana i Albinus mpandimby azy tamin’izay. “Anisan’ireo nentin’i Ananus teo anoloan’ny mpitsara ny lehilahy iray atao hoe Jakoba, izay rahalahin’i Jesosy, ilay atao hoe Kristy. Ary nisy hafa koa nentina teo. Niampanga azy ho nandika ny lalàna izy ireo, ka nanolotra azy mba hotoraham-bato.”​—Rakitry ny Ela Jiosy, XX, 200 (ix, 1).