Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jakoba, Fantsakan’i

Jakoba, Fantsakan’i

“Lavadrano” na “loharano” teo amin’ilay toerana nakan’i Jesosy Kristy aina, ary niresahany tamin’ny vehivavy samaritanina iray. (Jn 4:5-30) Maro no milaza azy io ho i Bir Yaʽkob (Beʼer Yaʽakov), tokony ho 2,5 km any atsimoatsinanan’i Naplouse ankehitriny, any akaikin’i Tell Balata (toerana nisy an’i Sekema). Lalina be io fantsakan’i Jakoba io, ka tsy tonga hatreny amin’ny tampony mihitsy ny ranony. Tokotokony ho 23 m ny halalin’ilay lavadrano, rehefa norefesina izy io tamin’ny taonjato faha-19. Tokotokony ho 2,5 m ny savaivony, ary mihakely izany any amin’ny tampony. Matetika no ritra ilay lavadrano amin’ny faran’ny volana Mey any ho any ka hatramin’ny fotoanan’ny orana. Misy mihevitra àry fa ranonorana sy rano mitsika any anaty tany no mamatsy rano an’ilay lavadrano. Ny hafa indray milaza fa misy loharano koa mamatsy rano an’ilay lavadrano, ka izay no mahatonga azy io ho azo antsoina hoe loharano.

Tsy milaza mivantana ny Baiboly hoe i Jakoba no nandavaka an’ilay lavadrano. Voalaza ao kosa anefa fa nanana tany teo akaiky teo izy. (Ge 33:18-20; Js 24:32; Jn 4:5) Nilaza tamin’i Jesosy ilay vehivavy samaritanina hoe: “I Jakoba ... nanome anay ity lavadrano ity, sady izy sy ny zanany ary ny biby fiompiny no nisotro teto.” (Jn 4:12) Toa i Jakoba àry no nandavaka an’ilay lavadrano, na naniraka olona hanao izany. Tsy tiany hijaly rano angamba ny ankohonany sy ireo biby fiompiny maro be. Nisoroka olana àry izany, satria azo antoka fa efa an’ny tompon-tany ny fantsakana nanodidina teo. Mety hoe nila fantsakana afaka namatsy rano betsaka kokoa sy maharitra kokoa izy, rehefa ritra ny lavadrano hafa teo amin’ilay faritra.