Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jamba

Jamba

Ilay teny hebreo hoe ʽivver sy ilay grika hoe tyflôs no nadika hoe “jamba” ara-bakiteny sy an’ohatra.​—De 27:18; Is 56:10; Mt 15:30; 23:16.

Mpahazo ny olona fahiny tany Israely sy ny manodidina ny fahajambana. Ankoatra ny Baiboly, dia miresaka imbetsaka azy io koa ny asa soratra tsy ara-pivavahana. Imbetsaka, ohatra, ny Horonana Papyrus Ebers avy any Ejipta no miresaka momba ny fahajambana isan-karazany, ny soritr’aretina namantarana azy ireny, ny ranom-panafody fanadiovana maso, ary ny fitaovana fandidiana sasany nampiasaina tamin’izany. Nisy lalàna teo amin’ny Israely nitaky ny hanomezana aina ho solon’ny aina, maso ho solon’ny maso, nify ho solon’ny nify, tanana ho solon’ny tanana, tongotra ho solon’ny tongotra. Nasongadin’io lalàna io fa masina ny aina, ary tokony hitandrina mafy ny Israelita mba tsy handratra ny hafa. Asehon’io lalàna io koa fa tokony ho marina tsara ny tenin’ny vavolombelona any amin’ny fitsarana. Raha diso mantsy izany, dia hifotitra amin’ilay nandainga izay sazy saika nampiharina tamin’ilay tsy nanan-tsiny. (Ek 21:23, 24; De 19:18-21; Le 24:19, 20) Raha nanimba ny mason’ny mpanompo iray ny tompony dia tsy nesorina ny mason’ilay tompo, fa tokony havelany handeha kosa ilay mpanompo mba ho olona afaka. (Ek 21:26) Tsy tokony hasiaka tafahoatra àry ilay tompo, na dia azony nampanaovina asa aza ny mpanompony, sady azony nokapohina raha nikomy.

Fanaon’ny Asyrianina sy ny Babylonianina ny nanapotsitra ny mason’ireo resy an’ady. Nopotsirin’ny Filistinina, ohatra, ny mason’i Samsona, ary nopotsirin’i Nebokadnezara ny mason’i Zedekia Mpanjaka. (Mpts 16:21; 2Mp 25:7; Je 39:7) Nangataka ny hitolo-batana tamin’i Nahasy mpanjakan’ny Amonita ny tanànan’i Jabesy tany Gileada. Nilaza anefa i Nahasy fa tsy hanaiky izy raha tsy ‘hopotsirina daholo ny mason’izy ireo ankavanana, ka hataony fanalam-baraka ny Israely rehetra izany.’​—1Sa 11:2; jereo NAHASY No. 1.

Misy olona jamba noho ny fahanterana fa tsy noho ny aretina, ka lasa “nanjavozavo” na “pahina” na “tsy mihetsika” ny masony. Miresaka olona toy ireny ny Baiboly. Nanjavozavo, ohatra, ny mason’i Isaka, ka izany no nahatonga azy hitso-drano an’i Jakoba, ilay tena mendrika ny hahazo tsodrano. Nanjary tsy nahita intsony koa ny mason’i Ely Mpisoronabe taloha kelin’ny hahafatesany, tamin’izy 98 taona. Efa antitra sy jamba i Ahia mpaminany, ka saika hanararaotra izany ny vadin’i Jeroboama. Nataon’i Jehovah tsy nahomby anefa ilay tetika. (Ge 27:1; 1Sa 3:2; 4:14-18; 1Mp 14:4, 5) “Tsy nihananjavozavo” kosa anefa ny mason’i Mosesy na dia efa 120 taona aza izy.​—De 34:7.

I Jehovah no nanao ny maso, ka azony atao lasa jamba ny olona. (Ek 4:11) Efa nilazany ny Israely fa raha nandika ny lalàny izy ireo ary tsy nanaja ny fifanekena nataony tamin’izy ireo, dia hasiany amin’ny fanaviana mahery ka ho simba ny mason’izy ireo. (Le 26:15, 16; De 28:28) Lasa jamba tampoka ireo lehilahy ratsy toetra tao Sodoma, ary koa i Elyma mpilalao ody. (Ge 19:11; As 13:11) Lasa jamba i Saoly avy any Tarsosy vokatry ny hazavana iray namirapiratra. Niseho taminy mantsy i Jesosy, “toy ny hoe niseho tamin’ny zaza teraka tsy tonga volana.” Nahita indray anefa i Saoly rehefa avy nametra-tanana taminy i Ananiasy ka “nisy zavatra toy ny kiran-trondro nilatsaka avy tamin’ny masony.” (1Ko 15:8; As 9:3, 8, 9, 12, 17, 18) Lazain’ny faminanian’i Zakaria fa hataon’i Jehovah lasa jamba ny soavalin’ireo tonga hamely an’i Jerosalema (Za 12:4), ary ‘ho lo ao anaty taolamasony’ ny mason’ireo miaramila rehetra izay hiady amin’i Jerosalema, amin’ny andron’i Jehovah.​—Za 14:1, 12.

Lasa jamba ny tafika syrianina noho ny fangatahan’i Elisa. Tsy jamba ara-bakiteny anefa izy ireo satria tsy voatery notantanana. Hoy fotsiny i Elisa tamin’izy ireo: “Tsy ity ilay lalana, ary tsy ity ilay tanàna. Manaraha ahy.” Izao no nolazain’i William James momba an’io karazana aretina io: ‘Mahavariana fa rehefa tsy miasa tsara ny ao amin’ny fonon’ny atidoha, dia mety ho lasa toy ny jamba ny saina. Tsy ny maso no lasa tsy mahita fa ny saina no tsy mahay mamantatra an’ilay zavatra hitan’ny maso. Azo lazaina hoe tsy misy ifandraisany intsony ny fahitan’ny maso sy ny fanazavana azon’ny atidoha momba ilay zavatra hitan’ny maso. Mitranga izany rehefa misy tapaka ny fampitana hafatra avy any amin’ny maso mankany amin’ny atidoha.’ (Toro Lalana Momba ny Psikolojia, 1981, Boky I, p. 59) Toa io karazana fahajambana io no nahazo ny tafika syrianina, fa nositranin’i Jehovah izy ireo rehefa tonga tany Samaria. (2Mp 6:18-20) Mety ho io karazana fahajambana io koa no nahazo an’ireo lehilahy tany Sodoma. Tsy nitaraina mantsy izy ireo hoe tsy nahita intsony fa mbola nikiry nitady ny varavaran’ny tranon’i Lota ihany.​—Ge 19:11.

Tsy navelan’i Jehovah nanao ny asan’ny mpisorona tao amin’ny toerana masina ny lehilahy jamba. (Le 21:17, 18, 21-23) Tsy nekeny hatao sorona koa ny biby jamba. (De 15:21; Ml 1:8) Nanaja ny jamba sy nangoraka azy ireo anefa i Jehovah ka hita taratra tao amin’ny lalàny izany. Voaozona izay nanisy sakana teo anoloan’ny jamba na nandiso lalana azy. (Le 19:14; De 27:18) “Nanjary maso ho an’ny jamba aho”, hoy i Joba, izay nanompo an’Andriamanitra sady nanao ny marina. (Jb 29:15) Nilaza mihitsy aza i Jehovah fa hofoanany ny fahajambana.​—Is 35:5.

Nanao fahagagana i Jesosy Kristy teto an-tany, ary maro ny jamba nositraniny ka nahita indray. (Mt 11:5; 15:30, 31; 21:14; Lk 7:21, 22) Teo akaikin’i Jeriko i Jesosy no nampahiratra ny mason’i Bartimeo sy ny an’ilay namany jamba. (Mt 20:29-34; Mr 10:46-52; Lk 18:35-43) Nanasitrana jamba roa lahy koa izy indray mandeha. (Mt 9:27-31) Nanasitrana lehilahy iray nisy demonia izay sady jamba no moana koa izy. (Mt 12:22; ampit. Lk 11:14.) Nataon’i Jesosy nahita tsikelikely ny jamba iray, angamba mba hanazarana azy tamin’ny hazavan’ny masoandro satria tao amin’ny haizina foana izy talohan’izay. (Mr 8:22-26) Nositranin’i Jesosy koa ny lehilahy iray jamba hatrany an-kibon-dreniny, ka nanjary nino azy. (Jn 9:1, 35-38) Marina fa nampiasa rora na rora niharo tanimanga i Jesosy tamin’ireo fanasitranana roa ireo, kanefa tsy midika izany hoe tsy tena fahagagana no nataony. Ilay lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny dia nasain’i Jesosy nisasa tany amin’ny dobon’i Siloama, izay vao sitrana. (Jn 9:7) Azo inoana fa mba hitsapana ny finoany no nanaovana izany, toy ny natao tamin’i Namàna izay nasaina nandro impito tao amin’ny Reniranon’i Jordana aloha, vao sitrana ny habokany.​—2Mp 5:10-14.

Heviny an’ohatra. Rehefa jamba ny olona dia mitsapatsapa, ary matetika no oharina amin’izany ny olona latsaka an-katerena nefa tsy afa-manoatra. (De 28:29; Ft 4:14; Is 59:10; Ze 1:17; Lk 6:39) Nilaza tamin’i Davida ny Jebosita fa afaka niaro an’i Ziona ireo jamba teo aminy na nalemy aza. Natoky be mantsy izy ireo hoe tena voaro mafy ny tanànany ka tsy ho azon’ny Israely.​—2Sa 5:6, 8.

Nolazaina fa jamba izay nanao ny tsy rariny tany amin’ny fitsarana vokatry ny kolikoly. Imbetsaka ny Lalàna no nampitandrina ny olona mba tsy hanao kolikoly, tsy ho tia tolotolotra ary tsy hiangatra, satria manajamba ny mpitsara ireny sady misakana azy tsy hampihatra ny rariny amin’ny olon-drehetra. “Manajamba ny mason’ny mahiratra ny kolikoly” (Ek 23:8), sady “manajamba ny mason’ny hendry.” (De 16:19) Na tia rariny sy mahira-tsaina toy inona aza ny mpitsara iray, dia mety hanimba azy ihany ny tolotolotra ataon’ny olona, na tsapan’ilay mpitsara izany na tsia. Asehon’ny lalàn’Andriamanitra hoe tsy ny kolikoly ihany no manajamba fa ny fihetseham-po koa. Hoy izy io: “Aza momba ny mahantra satria hoe mahantra izy, nefa aza iangarana koa ny manankarena.” (Le 19:15) Tsy tokony ho ny fihetseham-po na ny fitia te ho mamy hoditra àry no hibaiko ny mpitsara, ka hoe hanameloka ny mpanankarena izy satria fotsiny hoe manankarena ilay olona.​—Ek 23:2, 3.

Jamba ara-panahy. Asehon’ny Baiboly fa zava-dehibe kokoa noho ny fahitana ara-bakiteny ny fahitana ara-panahy. Rehefa nanasitrana an’ilay lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny i Jesosy, dia nasehony fa meloka ireo Fariseo satria nihambo ho nahiratra ara-panahy nefa jamba ary tsy nety niala tamin’izany fahajambany izany. Naleon’izy ireo ny haizina toy izay ny mazava. (Jn 9:39-41; 3:19, 20) Nilaza ny apostoly Paoly fa nampahiratina ny mason’ny fon’ny fiangonana tany Efesosy. (Ef 1:16, 18) Nasehon’i Jesosy fa ireo mihambo ho Kristianina nefa tsy mahatsapa hoe mila an’Andriamanitra dia jamba sy mitanjaka, satria tsy fantatr’izy ireo akory hoe mampalahelo sy mitsapatsapa toy ny mandeha ao anaty haizina izy ireo. (Ap 3:17) Mety ho lasa jamba ara-bakiteny ny olona mijanona ela be ao anaty haizina. Nampitovin’ny apostoly Jaona tamin’izany ny Kristianina mankahala ny rahalahiny. Toy ny hoe miraparapa ao anaty haizim-pito mahajamba izy ireo. (1Jn 2:11) Nilaza ny apostoly Petera fa ‘jamba ka manakimpy ny masony tsy hahita ny mazava’ ireo tsy miezaka hanana toetra kristianina, indrindra fa ny fitiavana. (2Pe 1:5-9) I Satana Devoly no mampisy izany haizina sy fahajambana ara-panahy izany. Miseho ho anjelin’ny mazava mantsy izy, nefa izy ilay “andriamanitr’ity tontolo ity”, ilay andriamanitry ny haizina izay manajamba ny sain’ny tsy mino, mba tsy hahalalan’izy ireo ny vaovao tsara momba an’i Kristy.​—Lk 22:53; 2Ko 4:4; 11:14, 15.