Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jaona

Jaona

[Anarana gr. mifanitsy amin’ilay anarana heb. hoe Johanana, ary midika hoe “I Jehovah dia Niantra; I Jehovah dia Tsara Fanahy”].

1. Jaona Mpanao Batisa, zanak’i Zakaria sy Elizabeta. Nialoha lalana an’i Jesosy i Jaona. Taranak’i Arona mpisorona na ny rainy na ny reniny. Mpisorona tao amin’ny fizarana nisy an’i Abia i Zakaria rainy.​—Lk 1:5, 6.

Fahagagana no nampisy azy. Rehefa tonga ny fotoana nanompoan’ny fizarana nisy an’i Abia tao amin’ny toerana masina, dia anjaran’i Zakaria no nanolotra emboka manitra. Tombontsoa niavaka izany! Taona 3 T.K. tamin’izay. Niseho tamin’i Zakaria ny anjely Gabriela, tamin’izy nijoro teo anoloan’ny alitaran’ny emboka manitra. Nilaza taminy ilay anjely fa hiteraka zazalahy izy ary hataony hoe Jaona ny anaran’izy io. Ho Nazirita mandra-pahafatiny, toa an’i Samsona, izy io. Ho lehibe eo anatrehan’i Jehovah izy satria handeha eo alohany “mba hanomana vahoaka ho an’i Jehovah, eny, vahoaka voaomana.” Fahagagana avy amin’Andriamanitra no nampisy an’i Jaona, satria efa antitra i Zakaria sy Elizabeta tamin’izay.​—Lk 1:7-17.

Bevohoka enim-bolana i Elizabeta, rehefa nitsidika azy i Maria havany, izay efa bevohoka noho ny herin’ny fanahy masina. Nibitaka ny zaza tao an-kibon’i Elizabeta, raha vao nandre ny fiarahaban’i Maria izy. Feno fanahy masina izy, ka niaiky fa ‘ny Tompony’ ilay zaza haterak’i Maria.​—Lk 1:26, 36, 39-45.

Teraka ny zanak’i Elizabeta. Saika nataon’ny mpiara-monina taminy sy ny havany hoe Zakaria, araka ny anaran-drainy, ny anaran’ilay zaza. Hoy anefa i Elizabeta: “Tsy izany mihitsy! Jaona no hatao anarany.” Nanontaniana àry ny rain’ilay zaza. Tsy afaka niteny anefa i Zakaria nanomboka tamin’ny fotoana niresahan’ny anjely Gabriela taminy. Koa nosoratan’i Zakaria teo amin’ny takela-kazo hoe: “Jaona no anarany.” Nanjary afaka niteny indray izy taorian’izay. Niaiky daholo ny rehetra fa nomba an’ilay zaza tokoa ny tanan’i Jehovah.​—Lk 1:18-20, 57-66.

Nanomboka ny fanompoany izy. Niara-nipetraka tamin’ny ray aman-dreniny tany amin’ny faritra be tendrombohitra, tany Jodia, i Jaona tamin’izy mbola kely. “Nitombo hatrany ilay zaza ka nihamato-tsaina, ary nitoetra tany an-tany efitra izy mandra-pisehony an-karihary tamin’ny Israely.” (Lk 1:39, 80) Nanomboka ny fanompoany izy tamin’ny taona faha-15 nanjakan’i Tiberio Kaisara. Tokotokony ho 30 taona izy tamin’izay. Izany no taonan’ny mpisorona, rehefa nanomboka ny fanompoany. Tsy voalaza anefa raha nanao ny asan’ny mpisorona tao amin’ny tempoly i Jaona, na tsia. (No 4:2, 3) Nanomboka tamin’ny faramparan’ny taona 28 A.K. ka hatramin’ny Aogositra na Septambra taona 29 A.K. io taona faha-15 io. Nahoana isika no milaza izany? Satria maty tamin’ny 17 Aogositra 14 i Aogosto, ary notendren’ny Antenimieran-doholona Romanina ho mpanjaka i Tiberio tamin’ny 15 Septambra. Tsy maintsy ho tamin’ny voalohandohan’ny taona 29 i Jaona no nanomboka ny fanompoany, satria zokin’i Jesosy enim-bolana izy ary tamin’ny faramparan’ny taona 29 i Jesosy no tonga mba hatao batisa (30 taona teo ho eo koa izy tamin’izay).​—Lk 3:1-3, 23.

Nitory toy izao i Jaona rehefa nanomboka ny fanompoany tany an-tany efitr’i Jodia: “Mibebaha, fa efa manakaiky ny fanjakan’ny lanitra.” (Mt 3:1, 2) Nanao akanjo volon-drameva izy, ary nisy fehikibo hoditra teo amin’ny andilany. Toy izany koa ny fitafiana nanaovan’i Elia mpaminany. Valala sy tantelidia no sakafo fihinan’i Jaona. (2Mp 1:8; Mt 3:4; Mr 1:6) Mpampianatra izy ka nantsoin’ny mpianany hoe “Raby.”​—Jn 3:26.

Ny tanjon’ny fanompoany. Nirahin’Andriamanitra i Jaona mba hitory momba ny batisa mariky ny fibebahana hahazoana famelan-keloka. Ny Jiosy sy ireo niova ho amin’ny Fivavahana Jiosy ihany no nataony batisa. (Mr 1:1-5; As 13:24) Te haneho hatsaram-panahy feno fitiavana tamin’ny Jiosy mantsy i Jehovah, satria izy ireo no nanao fifanekena taminy, nefa nandika an’ilay fifaneken’ny Lalàna ka meloka ho nanota. Nampirisika an’izay Jiosy tso-po àry i Jaona mba hibebaka ka hanaiky hatao batisa ao anaty rano. Nampiana izy ireo avy eo mba hanaiky an’ilay Mesia. (As 19:4) Tonga mba hataon’i Jaona batisa ny olona isan-karazany, anisan’izany ny mpamory hetra sy ny mpivaro-tena. (Mt 21:32) Nisy Fariseo sy Sadoseo koa tonga teo amin’ny toerana nanaovana batisa. Nanameloka mafy azy ireo i Jaona sady nilaza fa efa akaiky ny fandringanana azy ireo. Tsy nitsitsy teny mihitsy izy, fa niantso azy ireo hoe “taranaky ny menarana.” Nirehareha mantsy izy ireo hoe taranak’i Abrahama, nefa nilaza i Jaona fa tsy nisy dikany izany.​—Mt 3:7-12.

Nampianatra an’izay nanatona azy i Jaona hoe tokony halala-tanana izy ireo, ary tsy hanambaka fa hianina amin’izay ananany sy tsy hila sotasota amin’olona. (Lk 3:10-14) Nampianariny hivavaka koa ireo mpianany vita batisa. (Lk 11:1) “Efa niandriandry ny olona” tamin’izany, ary “samy nihevitra tao am-pony momba an’i Jaona hoe: ‘Izy angamba no Kristy?’” Nanda anefa i Jaona ary nilaza fa mahery lavitra noho izy Ilay ho avy. (Lk 3:15-17) Nisy mpisorona sy Levita tonga tany aminy tany Betania, teny ampitan’i Jordana, ka nanontany raha izy no Elia na “Ilay Mpaminany.” Namaly i Jaona hoe tsy izany mihitsy izy.​—Jn 1:19-28.

Tsy toa an’i Elia i Jaona satria tsy nanao fahagagana izy. (Jn 10:40-42) Nanana ny risi-po sy ny herin’i Elia kosa izy ka nahavita asa lehibe, satria ‘nampody ny fon’ny ray ho amin’ny zanany ary ny tsy mankatò ho amin’ny fahendren’ny marina.’ Notanterahiny ny antony nanirahana azy, dia ny “hanomana vahoaka ho an’i Jehovah, eny, vahoaka voaomana.” Vitany tokoa ny ‘namerina ny maro amin’ny zanak’Israely ho amin’i Jehovah Andriamaniny.’ (Lk 1:16, 17) Nialoha lalana an’i Jesosy Kristy, solontenan’i Jehovah, izy.

Nampahafantatra an’ilay “Zanak’ondrin’Andriamanitra.” Tonga mba hataon’i Jaona batisa i Jesosy, tany amin’ny faramparan’ny taona 29. Tsy nety i Jaona tamin’ny voalohany, satria fantany fa mpanota izy nefa i Jesosy olo-marina. Nisisika ihany anefa i Jesosy. Efa nampanantena an’i Jaona koa Andriamanitra hoe hisy famantarana hahalalany an’ilay Zanak’Andriamanitra. (Mt 3:13; Mr 1:9; Lk 3:21; Jn 1:33) Tanteraka tokoa ilay famantarana rehefa natao batisa i Jesosy. Hitan’i Jaona mantsy ny fanahin’Andriamanitra nidina teo amin’i Jesosy, ary henony ny feon’Andriamanitra nilaza fa Zanany i Jesosy. Azo inoana fa tsy nisy olon-kafa nanatrika ny batisan’i Jesosy.​—Mt 3:16, 17; Mr 1:9-11; Jn 1:32-34; 5:31, 37.

Nijanona tany an-tany efitra nandritra ny 40 andro teo ho eo i Jesosy, rehefa vita batisa. Rehefa niverina izy, dia hoy i Jaona tamin’ny mpianany: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao!” (Jn 1:29) Ny ampitson’iny, dia nampahafantariny an’i Andrea sy ny mpianatra iray hafa (angamba i Jaona zanak’i Zebedio) ilay Zanak’Andriamanitra. (Jn 1:35-40) Hita hoe “mpiandry vavahady” nanao tsara ny asany i Jaona Mpanao Batisa, satria nanomboka notarihiny ho amin’ilay “mpiandry tena tsara” ny mpianany, izany hoe ny Israelita tao anaty valan’ondry.​—Jn 10:1-3, 11.

Nanao batisa tany amin’ny faritr’i Jodia ny mpianatr’i Jesosy. Nanao batisa koa i Jaona saingy tao Ainona, akaikin’i Saleima. (Jn 3:22-24) Nisy nitati-bolana tany amin’i Jaona hoe nahazo mpianatra be dia be i Jesosy. Tsy nialona anefa i Jaona, fa hoy izy: “Efa feno ankehitriny izany fifaliako izany. Tsy maintsy mitombo iny olona iny, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.”​—Jn 3:26-30.

Nifarana ny fanompoany. Tanteraka tokoa izany tenin’i Jaona izany, satria voatery niala teny amin’ny saha fanompoana izy, rehefa avy niasa mafy nandritra ny herintaona na mahery. Nampiditra azy am-ponja mantsy i Heroda Antipasy, satria izy niteny mafy an’i Heroda noho i Heroda naka an’i Herodiasy vadin’i Filipo rahalahiny. Fantatr’i Heroda Antipasy fa olo-marina i Jaona, ka natahorany. Izy rahateo nilaza ny tenany hoe nanaraka ny Fivavahana Jiosy sy ny Lalàna.​—Mr 6:17-20; Lk 3:19, 20.

Tamin’i Jaona tany am-ponja, dia henony fa nanao fahagagana maro i Jesosy, anisan’izany ny nananganany ny zanakalahin’ny vehivavy mpitondratena iray tao Naina. Te hahazo toky avy tamin’i Jesosy i Jaona, ka naniraka mpianatra roa mba hanontany azy hoe: “Ianao ve Ilay ho avy, sa hafa no tokony handrasanay?” Tsy namaly nivantana i Jesosy fa nanasitrana olona maro teo anatrehan’ireo mpianatr’i Jaona ireo, ary namoaka demonia mihitsy aza. Nasainy nolazain’izy ireo tany amin’i Jaona, avy eo, hoe sitrana ny jamba sy ny marenina ary ny malemy tongotra, ary nitoriana ny vaovao tsara ny mahantra. Tsy tamin’ny teny fotsiny àry, fa tamin’ny atao koa, no nampaherezany an’i Jaona sy nanomezany toky azy fa i Jesosy tokoa no Mesia (Kristy). (Mt 11:2-6; Lk 7:18-23) Rehefa lasa ireo irak’i Jaona, dia nolazain’i Jesosy tamin’ny vahoaka teo fa mihoatra noho ny mpaminany i Jaona, ary izy raha ny marina no ilay nambaran’i Malakia mpaminanin’i Jehovah. Nampihariny tamin’i Jaona koa ny faminanian’i Isaia (Is 40:3), toy ny efa nataon’i Zakaria rain’i Jaona.​—Ml 3:1; Mt 11:7-10; Lk 1:67, 76; 7:24-27.

Nohazavain’i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany koa fa tonga i Jaona mba hahatanteraka ny faminanian’i Malakia. (Ml 4:5, 6) Resahina ao fa haniraka an’i Elia mpaminany Andriamanitra alohan’ny hiavian’ny andron’i Jehovah, dia ilay andro lehibe sady mampahatahotra. Voalaza fa “amin’izay natera-behivavy, dia mbola tsy nisy lehibe noho i Jaona Mpanao Batisa.” Tsy ho anisan’ilay “ampakarina” anefa i Jaona, izany hoe tsy handova an’ilay Fanjakana any an-danitra miaraka amin’i Kristy. (Ap 21:9-11; 22:3-5) Nilaza mantsy i Jesosy fa ‘izay kely indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra dia lehibe noho izy.’ (Mt 11:11-15; 17:10-13; Lk 7:28-30) Nampangain’ny olona hoe misy demonia i Jaona, nefa niaro azy tsy nivantana i Jesosy.​—Mt 11:16-19; Lk 7:31-35.

Taoriana kelin’izay, dia nampamono an’i Jaona i Herodiasy, izay efa nitana lolompo taminy. Nankalaza ny andro nahaterahany i Heroda tamin’izay, ary faly izy nahita ny zanakavavin’i Herodiasy nandihy. Nianiana tamin’ilay zazavavy i Heroda fa homeny azy izay rehetra nangatahiny. Nampirisihan-dreniny àry ilay zazavavy mba hangataka ny lohan’i Jaona. Nanaiky tsy sazoka i Heroda, satria efa nianiana teo anatrehan’ireo nasaina. Notapahina tany am-ponja àry ny lohan’i Jaona, natao teo ambony vilia, ary nomena an’ilay zazavavy, ka natolony an-dreniny. Tonga ny mpianatr’i Jaona avy eo, ka naka ny faty sy nandevina azy, ary nitantara tamin’i Jesosy an’izay nitranga.​—Mt 14:1-12; Mr 6:21-29.

Taorian’ny nahafatesan’i Jaona, dia ren’i Heroda fa nitory sy nanasitrana ary namoaka demonia i Jesosy. Natahotra izy sao dia i Jaona tafatsangana tamin’ny maty i Jesosy. Tena te hahita an’i Jesosy àry izy, nefa tsy hoe mba handre ny fitorian’i Jesosy fa mba hahalalany raha nitombina ny ahiahiny, na tsia.​—Mt 14:1, 2; Mr 6:14-16; Lk 9:7-9.

Tsy nilaina intsony ny batisan’i Jaona. Hatramin’ny andro Pentekosta taona 33 ihany no mbola nilaina ny batisan’i Jaona. Tamin’io mantsy no nilatsaka ny fanahy masina, ary ny “batisa amin’ny anaran’ny Ray sy amin’ny anaran’ny Zanaka ary amin’ny anaran’ny fanahy masina” no notorina nanomboka teo. (Mt 28:19; As 2:21, 38) Tsy maintsy natao batisa indray tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo àry ireo efa natao an’ilay batisa notorin’i Jaona. Tsy hahazo ny fanahy masina izy ireo, raha tsy izany.​—As 19:1-7.

2. Rain’ny apostoly Simona Petera. Nantsoina hoe Jaona izy, ao amin’ny Jaona 1:42 sy 21:15-17, rehefa jerena ny Sora-tanana Sinaiticus sy ireo dikan-teny “Latinina Tranainy.” Misy sora-tanana sy Baiboly sasany miantso azy hoe Jona. Niantso azy hoe Jona i Jesosy ao amin’ny Matio 16:17.

3. Ny apostoly Jaona, zanak’i Zebedio, ary toa i Salome no reniny. (Ampit. Mt 27:55, 56; Mr 15:40.) Rahalahin’ny apostoly Jakoba i Jaona. Azo inoana fa i Jakoba no zokiny, satria izy matetika no tononina voalohany rehefa resahina miaraka izy roa lahy. (Mt 10:2; Mr 1:19, 29; 3:17; 10:35, 41; Lk 6:14; 8:51; 9:28; As 1:13) Nanambady an’i Salome, avy amin’ny taranak’i Davida, i Zebedio. Mety ho rahavavin’i Maria, renin’i Jesosy, i Salome.

Ny mombamomba azy. Toa nanan-karena ihany ny fianakavian’i Jaona. Nanana orinasa kely fanaratoana izy ireo ary nandroso be izy io matoa niray asa tamin’olon-kafa ry zareo, sady nanana mpikarama maro. (Mr 1:19, 20; Lk 5:9, 10) Anisan’ireo vehivavy nanaraka an’i Jesosy sy nikarakara azy, tamin’izy tany Galilia, i Salome vadin’i Zebedio. (Ampit. Mt 27:55, 56; Mr 15:40, 41.) Anisan’ireo nitondra zavamaniry mani-pofona mba hikarakarana ny fatin’i Jesosy koa izy. (Mr 16:1) Azo inoana fa nanana trano i Jaona.​—Jn 19:26, 27.

Hebreo i Zebedio sy Salome, ary tsy nivadika tamin’Andriamanitra. Miharihary fa nitaiza an’i Jaona araka ny Soratra Masina izy ireo. Maro no mihevitra fa izy ilay mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa izay niaraka tamin’i Andrea, tamin’i Jaona nilaza hoe: “Iny ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra!” Tonga izy dia nanaiky hoe i Jesosy no Kristy. Hita amin’izany fa nahay ny Soratra Hebreo izy. (Jn 1:35, 36, 40-42) Marina fa tsy voalaza mihitsy hoe lasa mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa na mpianatr’i Kristy i Zebedio, nefa toa tsy nanohitra mihitsy izy rehefa lasa mpitory manontolo andro niaraka tamin’i Jesosy ny zanany roa lahy.

Nihevitra an’i Jaona sy Petera ho olona ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ ireo mpitondra jiosy. Tsy te hilaza anefa izy ireo hoe tsy nianatra mihitsy izy roa lahy na hoe tsy nahay namaky teny sy nanoratra. Nidika kosa izany hoe tsy nianatra tany amin’ny sekolin’ireo raby izy ireo. Fantatr’ireo mpitondra ireo anefa fa “niaraka tamin’i Jesosy izy roa lahy.”​—As 4:13.

Lasa mpianatr’i Kristy. Tamin’ny faramparan’ny taona 29 no nilazana tamin’i Jaona hoe i Jesosy no Kristy. Azo inoana fa nanaraka an’i Jesosy tany Galilia izy taorian’izay, ary nanatri-maso an’ilay fahagagana voalohany nataony tany Kana. (Jn 2:1-11) Mety ho niaraka tamin’i Jesosy koa izy na tamin’i Jesosy niala tany Galilia mba hankany Jerosalema, na tamin’i Jesosy niverina tany Galilia rehefa avy namakivaky an’i Samaria. Toa nanatri-maso an’ireo zava-nitranga notantarainy mantsy izy, ary hita amin’ny fomba fitantarany izany, na dia tsy voalazan’ny Soratra Masina aza. (Jn 2-5) Mbola nanohy kely ny asan’ny mpanarato ihany i Jaona, taorian’ny nahafantarany hoe i Jesosy no Kristy. Teny an-tsambokely, ohatra, izy sy Jakoba ary Zebedio rain’izy ireo, ny taona nanaraka, ary nanamboatra ny simba tamin’ny haraton’izy ireo. Tamin’izay i Jesosy no nandeha teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia, ary niantso azy roa lahy mba ho “mpanarato olona” manontolo andro. Mitantara i Lioka fa “naverin’izy ireo teny an-tanety ny sambokely, ary nandao ny zava-drehetra ireo ka lasa nanaraka azy.” (Mt 4:18-22; Lk 5:10, 11; Mr 1:19, 20) Voafidy ho apostolin’i Jesosy Kristy Tompo izy ireo tatỳ aoriana.​—Mt 10:2-4.

Anisan’ireo apostoly telo akaiky indrindra an’i Jesosy i Jaona. Izy sy Petera ary Jakoba, ohatra, no nentin’i Jesosy tany an-tendrombohitra rehefa niova tarehy izy. (Mt 17:1, 2; Mr 9:2; Lk 9:28, 29) Izy telo lahy ihany no apostoly navelan’i Jesosy niaraka taminy rehefa niditra tao an-tranon’i Jairo izy. (Mr 5:37; Lk 8:51) Izy ireo koa no nentin’i Jesosy nihataka lavidavitra tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, tamin’ilay alina namadihana azy. Tsy takatr’izy telo lahy anefa tamin’izay hoe hisy zava-dehibe hitranga, ka intelo izy ireo no resin-tory sy nofohazin’i Jesosy. (Mt 26:37, 40-45; Mr 14:33, 37-41) Nandry ilika teo akaikin’i Jesosy i Jaona, tamin’ilay Paska farany natrehin’i Jesosy sy tamin’izy nanomboka nankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo. (Jn 13:23) I Jaona ilay mpianatra nasain’i Jesosy nikarakara an-dreniny, tamin’izy efa ho faty. Voninahitra lehibe ho an’i Jaona izany!​—Jn 21:7, 20; 19:26, 27.

Fomba ilazany ny tenany ao amin’ny Filazantsarany. Tsy mampiasa ny anarany mihitsy i Jaona ao amin’ny Filazantsarany. Lazainy hoe zanak’i Zebedio kosa ny tenany, na hoe ilay mpianatra tian’i Jesosy. Tsy nanao toa an’ireo mpanoratra Filazantsara hafa i Jaona rehefa niresaka momba an’i Jaona Mpanao Batisa, satria nantsoiny fotsiny hoe “Jaona” izy. Ara-dalàna izany satria nitovy anarana izy ireo, ka tonga dia nazava hoe tsy ny tenany no tiany holazaina. Raha olon-kafa kosa no niteny, dia tsy maintsy nampiasa anaram-bosotra na anaram-boninahitra na fomba hafa izy mba hanavahana olona nitovy anarana. Nanao toy izany i Jaona rehefa niresaka momba ireo vehivavy izay samy nantsoina hoe Maria.​—Jn 11:1, 2; 19:25; 20:1.

Mazava avy amin’izany fomba fanoratr’i Jaona izany àry, fa izy ihany ilay mpianatra tsy voatonona anarana izay niaraka tamin’i Andrea, rehefa nampahafantatra an’i Jesosy Kristy tamin’izy roa lahy i Jaona Mpanao Batisa. (Jn 1:35-40) Nisongona an’i Petera i Jaona tamin’izy roa lahy nihazakazaka nankany amin’ny fasan’i Jesosy, rehefa avy nandre hoe nitsangana tamin’ny maty i Jesosy. (Jn 20:2-8) Ny harivan’io ihany i Jaona dia nahita an’i Jesosy (Jn 20:19; Lk 24:36), ary mbola nahita azy izy ny herinandro nanaraka. (Jn 20:26) Anisan’ireo apostoly fito lahy niverina nanarato sy nisehoan’i Jesosy i Jaona. (Jn 21:1-14) Tany amin’ilay tendrombohitra tany Galilia koa izy, tamin’i Jesosy efa nitsangana tamin’ny maty. Ren’i Jaona mihitsy àry i Jesosy nandidy hoe: “Ataovy mpianatra ny olona any amin’ny firenena rehetra.”​—Mt 28:16-20.

Ny fiainany tatỳ aoriana. Niara-nivory tamin’ireo mpianatra 120 teo ho eo tany Jerosalema i Jaona, taorian’ny niakaran’i Jesosy tany an-danitra. Tamin’izay i Matia no voafidy tamin’ny antsapaka mba hanampy isa an’ireo apostoly 11. (As 1:12-26) Teo i Jaona rehefa nilatsaka ny fanahy masina tamin’ny andro Pentekosta. Hitany ireo olona vaovao 3000 nanampy isa an’ilay fiangonana, tamin’io andro io. (As 2:1-13, 41) Izy sy Petera no nilaza tamin’ireo mpitondra jiosy hoe: “Ianareo no aoka hitsara raha marina eo imason’Andriamanitra na tsia ny hihaino anareo, fa tsy hihaino an’Andriamanitra. Raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.” (As 4:19, 20) Izany no toro lalana arahin’ny vahoakan’Andriamanitra. Mbola i Jaona sy ny apostoly hafa koa no niteny tamin’ny Fitsarana Avo Jiosy hoe: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.”​—As 5:27-32.

Rehefa novonoin’ny vahoaka romotra i Stefana, dia nenjehina mafy ny fiangonana tany Jerosalema ary niparitaka ny mpianatra. Nijanona tao Jerosalema ihany anefa i Jaona sy ny apostoly hafa. Nirahin’ny filan-kevi-pitantanana hankany Samaria i Petera sy Jaona, satria re fa nisy olona maro nanaiky ny tenin’Andriamanitra tany, rehefa nandre an’i Filipo mpitory ny vaovao tsara. Nila nampiana mantsy ireny mpianatra vaovao ireny mba hahazo ny fanahy masina. (As 8:1-5, 14-17) Nilaza i Paoly, tatỳ aoriana, fa anisan’ireo ‘nekena ho andrin’ny fiangonana’ tany Jerosalema i Jaona. Anisan’ny filan-kevi-pitantanana i Jaona, ka notolorany “ny tanany ankavanana” i Paoly sy Barnabasy “ho mariky ny fiaraha-miasa”, rehefa nirahina hitory tamin’ny hafa firenena izy roa lahy. (Ga 2:9) Teo i Jaona rehefa nivory ny filan-kevi-pitantanana, tamin’ny taona 49 tany ho any, mba hanapa-kevitra raha tokony hoforana, na tsia, ireo hafa firenena lasa Kristianina.​—As 15:5, 6, 28, 29.

Hita tamin’ny tenin’i Jesosy Kristy, tamin’izy mbola tetỳ an-tany, fa ho ela velona noho ny apostoly hafa i Jaona. (Jn 21:20-22) Nanompo an’i Jehovah nandritra ny 70 taona teo ho eo tokoa izy. Natao sesitany tany amin’ny nosy Patmo izy, tany amin’ny faramparan’ny fiainany, ‘satria niresaka ny amin’Andriamanitra sady vavolombelona nanambara an’i Jesosy.’ (Ap 1:9) Hita amin’izany fa tena nafana fo nitory ny vaovao tsara izy, na dia efa antitra be aza (tamin’ny taona 96 tany ho any).

Nahazo fahitana izy tany Patmo, ary nosoratany tamin’ny an-tsipiriany ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy izany. (Ap 1:1, 2) Maro no mihevitra fa i Domitien Mpanjaka no nanao sesitany an’i Jaona tany ary i Nerva Mpanjaka (taona 96-98), ilay nandimby an’i Domitien, no nanafaka azy. Voalazan’ny lovantsofina fa nankany Efesosy i Jaona, ary tany izy no nanoratra ny Filazantsarany sy ireo taratasy telo (Jaona Voalohany, Faharoa ary Fahatelo), tamin’ny taona 98. tany ho any. Maty tany Efesosy tamin’ny taona 100 tany ho any izy, tamin’ny fotoana nitondran’i Trajan Mpanjaka, araka ny lovantsofina.

Toetrany. Maro ny manam-pahaizana nilaza fa olona tsy dia navitrika i Jaona, sady be fihetseham-po no tia mandini-tena. Hoy ny olona iray mpivaofy teny: “Tia mamakafaka i Jaona, ary ambony be sy lalina ny fomba fisainany, ka toy ny fiainan’anjely ny fiainany.” (Fanazavana ny Soratra Masina nataon’i Lange, ary nadika sy nataon’i P. Schaff, 1976, Boky Faha-9, p. 6) Nahoana izy ireo no nihevitra an’i Jaona ho toy izany? Satria niresaka momba ny fitiavana foana izy, ary toa tsy voaresaka firy izy ao amin’ny Asan’ny Apostoly, tsy mba hoatran’i Petera sy Paoly. Voamarik’izy ireo koa fa i Petera no toa navelany handray fitenenana, rehefa niaraka izy roa lahy.

Marina tokoa fa nisongadina i Petera satria izy foana no nitondra teny, rehefa tafaraka izy sy Jaona. Tsy midika anefa izany hoe nangina foana i Jaona. Samy tsy natahotra niteny, ohatra, izy sy Petera rehefa nampanantsoin’ny mpitondra sy ny anti-panahy. (As 4:13, 19) Niteny tamim-pahasahiana toa an’ireo apostoly hafa koa i Jaona, teo anatrehan’ny Fitsarana Avo Jiosy, na dia ny anaran’i Petera aza no voatonona. (As 5:29) Tena navitrika sy natanjaka izy, matoa nisongona an’i Petera rehefa nihazakazaka nankany amin’ny fasan’i Jesosy izy roa lahy.​—Jn 20:2-8.

Nantsoin’i Jesosy hoe Boanerjesy (midika hoe “Zanaky ny Varatra”) i Jaona sy Jakoba rahalahiny, taoriana kelin’ny nanendrena azy ireo ho apostoly. (Mr 3:17) Tsy olona be fihetseham-po na malemilemy no antsoina toy izany, fa olona mavitrika. Efa vonona hiantso afo avy tany an-danitra mihitsy ireo “Zanaky ny Varatra” ireo, mba handringana an’ireo Samaritanina tao amin’ny tanàna iray tsy nandray an’i Jesosy. Nisakana lehilahy iray tsy hamoaka demonia tamin’ny anaran’i Jesosy i Jaona, talohan’izay. Nananatra sy nanitsy azy i Jesosy tamin’izany rehetra izany.​—Lk 9:49-56.

Diso hevitra izy roa lahy tamin’izany rehetra izany, sady tena mbola tsy nahay nandanjalanja na naneho fitiavana na namindra fo. Na izany aza, dia hita tamin’izany fa tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy ireo sady mailaka handray andraikitra ary tena nafana fo. Lasa vavolombelona be herim-po sy navitrika ary tsy nivadika izy roa lahy, noho izany. Maty maritiora i Jakoba, satria novonoin’i Heroda Agripa I (As 12:1, 2), fa i Jaona kosa mbola andrin’ny fiangonana teny ihany. Izy no apostoly ela velona indrindra izay ‘niombona fahoriana sy fanjakana ary fiaretana’ tamin’i Jesosy.​—Ap 1:9.

Hita hoe tia fahefana i Jakoba sy Jaona, satria toa nasain’izy roa lahy niresaka tamin’i Kristy ny renin’izy ireo, ka nangataka ny hipetrahan’izy ireo eo anilan’i Kristy ao amin’ny Fanjakany. Tezitra ireo apostoly hafa noho izany. Nohararaotin’i Jesosy anefa izany mba hampianarana azy ireo fa izay lehibe eo amin’izy ireo no hanompo azy ireo. Nohazavainy avy eo fa izy aza tonga mba hanompo ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro. (Mt 20:20-28; Mr 10:35-45) Marina fa tia tena izy ireo matoa nangataka izany, nefa hita koa fa nino izy ireo hoe tena misy ilay Fanjakana.

Tsy ho nampiasa an’i Jaona mba hanoratra ny bokin’ny Apokalypsy i Jesosy Kristy, raha marina ny filazan’ireo mpivaofy teny hoe tsy nanana hazondamosina i Jaona sady tsy nijery ny tena zava-misy, nalemilemy, ary nifantoka be tamin’ny tenany. Ny Apokalypsy mantsy mampientanentana sy misy hafatra mahery. Imbetsaka i Kristy ao no milaza didim-pitsarana henjana avy amin’Andriamanitra, ary mampirisika ny Kristianina mba handresy an’izao tontolo izao sy mba hitory ny vaovao tsara eran-tany.

Marina fa miresaka momba ny fitiavana imbetsaka kokoa noho ireo mpanoratra Filazantsara hafa i Jaona, nefa tsy midika izany fa be fihetseham-po izy. Toetran’olona manana hazondamosina kosa ny fitiavana. Fototry ny Lalàna manontolo sy ny Mpaminany izy io. (Mt 22:36-40) “Tsy ho levona mandrakizay ny fitiavana.” (1Ko 13:8) “Fatorana mampiray tonga lafatra izy io.” (Kl 3:14) Manaraka akaiky ny fitsipik’Andriamanitra koa ny olona manana an’ilay karazam-pitiavana nampianarin’i Jaona, ka mahasahy mananatra mafy sy manitsy ary manafay, nefa koa tsara fanahy sy mamindra fo.

Tena tia an’i Jesosy Kristy sy Jehovah Rainy foana i Jaona sady tsy nivadika tamin’izy ireo. Hita izany na ao amin’ireo Filazantsara telo voalohany, na ao amin’ireo boky nosoratan’i Jaona mihitsy koa. Tena tsy nivadika izy sady nankahala ny ratsy, matoa tonga dia tsikariny rehefa ratsy ny antony mahatonga ny hafa hanao zavatra. Izy irery, ohatra, no nitantara fa nimenomenona i Jodasy rehefa nohosoran’i Maria menaka lafo vidy ny tongotr’i Jesosy. Izy irery koa no nilaza fa i Jodasy no nitana ny boatim-bola sady mpangalatra, ka izany no tena antony nampimenomenona azy. (Jn 12:4-6) I Jaona koa no nanazava fa tonga tao amin’i Jesosy i Nikodemosy “rehefa alina.” (Jn 3:2) Voamariny koa ny lesoka lehibe tamin’ny toetran’i Josefa avy any Arimatia: “Mpianatr’i Jesosy io Josefa io, saingy tsy niseho ho mpianany noho ny fahatahorany ny Jiosy.” (Jn 19:38) Tsy noleferin’i Jaona mihitsy ny hoe olona nilaza ho mpianatry ny Tompony nefa menatra ka nanafina izany.

Efa tena nanana ny vokatry ny fanahy i Jaona, tamin’izy nanoratra ny Filazantsarany sy taratasy hafa. Tsy toy izany izy tamin’ny mbola tovolahy vao lasa mpianatr’i Jesosy. Azo antoka fa efa niova izy fa tsy toy ny tamin’izy nangataka toerana miavaka ao amin’ilay Fanjakana. Hita ao amin’ireo boky nosoratany fa tena matotra izy. Misy torohevitra manampy antsika tsy hivadika sy hafana fo toa azy koa ao.

4. Jaona Marka. Anisan’ny mpianatr’i Jesosy izy, ary mpanoratra ny Vaovao Tsara Nosoratan’i Marka. Matetika izy no atao hoe Marka Mpitory Evanjely. Nantsoina koa hoe Marka izy. Tao an-tranon’i Maria reniny, tany Jerosalema, no nivory ireo mpianatra. (As 12:12) Niaraka tamin’i Paoly sy Barnabasy i Marka, tamin’ny dia misionera voalohany nataon’i Paoly. (As 12:25; 13:5) Nandao azy ireo anefa izy tany Perga, any Pamfylia, ary niverina tany Jerosalema. (As 13:13) Tsy nety nitondra an’i Marka àry i Paoly, tatỳ aoriana, rehefa nanao dia misionera hafa. Nankany an-toeran-kafa i Barnabasy ary nentiny i Marka. (As 15:36-41) Lasa mpiara-miasa azo nianteherana sy nazoto anefa i Marka, tatỳ aoriana, ka hoy i Paoly tamin’i Timoty, tamin’izy nigadra tany Roma: “Ento miaraka aminao i Marka fa mahasoa ahy amin’ny fanompoana izy.”​—2Ti 4:11; jereo MARKA.

5. Mpitondra jiosy (angamba havan’i Anasy lehiben’ny mpisorona) izay niaraka tamin’i Anasy sy Kaiafa, ary nanome baiko hisamborana ny apostoly Petera sy Jaona, sy hitondrana azy roa lahy teo amin’izy ireo. Mbola noraran’izy ireo tsy hitory ihany i Petera sy Jaona, sady mbola norahonany, nefa efa hitany ny porofo fa nanasitrana tamin’ny fomba mahagaga lehilahy iray nalemy i Petera. Nafahan’izy ireo anefa ireo apostoly ireo, avy eo, satria tsy nisy antony tokony hanasaziana azy, ary satria natahotra ny vahoaka ireo mpitondra ireo.​—As 3:1-8; 4:5-22.