Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jare-oregima

Jare-oregima

(Jarè-ôregìma).

Ao amin’ny 2 Samoela 21:19 ihany no ahitana an’io anarana io. Maro no mihevitra fa fahadisoana nataon’ny mpanao dika soratra izy io, fa ilay anarana ao amin’ny 1 Tantara 20:5 no marina. Io mantsy no andininy mifanitsy amin’ny 2 Samoela 21:19. Novana hoe “Jare”, hono, ilay hoe “Jaira”, ary ilay hoe “oregima” (ʼôregim, “mpanenona”) kosa heverina fa voadika tsy nahy avy teo amin’ny andalana teo ambany ao amin’ilay andininy ihany.