Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jareda

Jareda

(Jarèda).

1. Rain’i Enoka ary anisan’ireo olona talohan’ny Safodrano lasa razamben’i Jesosy Kristy. Taranaka fahadimy taorian’i Adama i Jareda. (1Ta 1:2; Lk 3:37) I Mahalalila no rainy. Velona 962 taona (3566-2604 T.K.) i Jareda. Izy no olona ela velona indrindra, manarakaraka an’i Metosela zafikeliny. Nanan-janaka maro lahy sy vavy izy. Niteraka an’i Enoka, ohatra, izy tamin’izy 162 taona.​—Ge 5:15-20.

2. Taranak’i Joda i Jareda, ary rain’i Gedora na rain’ireo nonina tao Gedora.​—1Ta 4:1, 18; jereo ATROTA-BETI-JOABA.