Jatira
(Jatìra) [avy amin’ny fototeny midika hoe “manana amby ampy; mihoatra”].
Tanànan’ny mpisorona, tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Joda. (Js 15:20, 48; 21:9, 10, 14; 1Ta 6:54, 57) Rehefa resin’i Davida ireo Amalekita mpandroba dia nandefasany tamin’ny zavatra azo babo ny tao Jatira. Nataony angamba izany ho fankasitrahana ny fandraisan’izy ireo tsara azy, tamin’izy nandositra an’i Saoly Mpanjaka.—1Sa 30:17-20, 26, 27, 31.
Maro no mihevitra an’i Jatira ho i Kirbet ʽAttira (Horvat Yattir), tokony ho 21 km any atsimo atsimoandrefan’i Hebrona.