Javana
(Javàna).
Voatonona fahefatra amin’ireo zanakalahin’i Jafeta. Rain’i Elisaha, Tarsisy, Kitima, ary Dodanima (na Rodanima) izy. Taranak’i Noa velona taorian’ny Safodrano izy ireo, ary anisan’ireo nonina tany amin’ny “nosin’ireo firenena”, izay mety ho tany voahodidina ranomasina nefa koa mety ho morontsiraka. (Ge 10:2, 4, 5; 1Ta 1:5, 7) Porofoin’ny tantara fa nonina tany amin’ireo nosy sy morontsiraky ny Ranomasina Mediterane nanomboka hatreo Sipra (Kitima) ka hatrany andrefan’i Mediterane, ireo taranak’i Javana sy ny zanany efatra.—Jereo DODANIMA; ELISAHA; KITIMA; TARSISY No. 1.
Maro no mihevitra fa i Javana (heb: Yavan) no razamben’ny Ionianina fahiny, izay antsoin’ny sasany hoe “foko niavian’ireo Grika.” (Fanazavana ny Testamenta Taloha, nataon’i C. Keil sy F. Delitzsch, 1973, Boky I, Ny Boky Voalohany Nosoratan’i Mosesy, p. 163) Iaônes no niantsoan’i Homera poety (angamba tamin’ny taonjato fahavalo T.K.) an’ireo Grika fahiny. Ny anarana foko hoe Javano kosa no hita teo amin’ireo soratra asyrianina, nanomboka
tamin’ny andron’i Sargona II (taonjato fahavalo T.K.).Ireto faritra ireto sisa no nantsoina hoe Ionia tatỳ aoriana: I Attique (faritra manodidina an’i Atena), ny morontsiraka andrefan’i Azia Minora (morontsiraky ny faritanin’i Lydia sy Karia tatỳ aoriana), ary ireo nosin’ny Ranomasina Égée. Mbola antsoina hoe Ionianina ihany ilay ranomasina manelanelana ny faritra atsimon’i Gresy sy ny faritra atsimon’i Italia. Maro no miaiky fa teny efa tranainy be ny hoe Ionianina, izay mety ho avy amin’ilay anarana hoe Javana. Porofo izany fa nantsoina tokoa hoe Ionianina i Gresy taloha sy ilay faritra kely kokoa nantsoina tatỳ aoriana hoe “Ionia.”
Aorian’ny Genesisy, dia ny bokin’i Joela indray no miresaka momba ny taranak’i Javana. Tamin’ny faramparan’ny taonjato fahasivy T.K. tany ho any izy io no nosoratana. Nomelohin’ilay mpaminany ny mponin’i Tyro sy Sidona ary Filistia, satria namidin’izy ireo tamin’ny “zanaky ny Grika” (ara-bakiteny: Javanita na Ionianina) ny taranak’i Joda sy Jerosalema. (Jl 3:4-6) Naminany koa i Isaia tamin’ny taonjato fahavalo T.K., fa i “Javana” no anisan’ireo tany halehan’ireo Jiosy sasany tsy maty amin’ny fotoana hampiharan’Andriamanitra ny fahatezerany. Hanambara ny voninahitr’i Jehovah izy ireo any.—Is 66:19.
Voalaza tamin’ny faramparan’ny taonjato fahafito na teo am-piandohan’ny taonjato fahenina T.K. fa andevo sy zavatra vita amin’ny varahina no entam-barotra nomen’i “Javana sy Tobala ary Meseka [tany amin’ny faritra atsinanan’i Azia Minora na avaratr’izy io angamba ireo toerana roa farany ireo]” an’i Tyro, foibe ara-barotra nanan-karena. (Ezk 27:13) Mbola voaresaka ihany i Javana eo amin’ny Ezekiela 27:19. Any Syria sy Palestina ary Arabia anefa ireo toerana hafa voatanisa eo amin’ireo andininy manodidina, ka misy mihevitra fa fahadisoan’ny mpanao dika soratra ilay hoe Javana eto. Ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo sy ny Dikan-teny Mahazatra Nohavaozina kosa manao hoe “divay” fa tsy hoe “Javana.” Ny hafa indray anefa milaza fa mety ho tanàna grika tany Arabia ilay hoe Javana eto, na mety ho anarana foko na tanàna arabo.
Matetika no adika hoe “Gresy” ilay teny hoe “Javana” ao amin’ny faminanian’i Daniela, satria asehon’ny tantara fa i Gresy no nanatanteraka ilay faminaniana. (Da 8:21; 10:20; 11:2) Naminany koa i Zakaria (520-518 T.K.) fa handresy an’i Javana (Gresy) ny ‘zanak’i Ziona.’—Za 9:13.