Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jazania

Jazania

(Jazanìa) [Nihaino i Jehovah].

Toa betsaka no nanana an’io anarana io, rehefa hifarana ny fanjakan’ny Joda. Velona tamin’izay fotoana izay daholo ireo olona efatra ao amin’ny Baiboly nantsoina hoe Jazania. Nisy an’ilay anarana ny Vakin-tanimanga Tany Lakisy. Nisy soratra toy izao koa ny tombo-kase iray hita tany Tell en-Nasbeh: “Yaʼazanyaho, mpanompon’ny [manamboninahitry ny] mpanjaka.” (Ny Mpikaroka Momba ny Baiboly, 1947, p. 71) Tsy voaporofo anefa hoe ny iray tamin’izy efatra ilay resahina eo.

1. Mpitarika an’ireo Rekabita nentin’i Jeremia mpaminany nankao amin’ny iray tamin’ireo efitra fisakafoana tao amin’ny tempoly, ary norosoany divay mba hitsapana azy, araka ny didin’i Jehovah. Tsy nety nisotro anefa izy ireo, satria tsy te handika ny didy nomen’i Jonadaba zanak’i Rekaba razambeny, 200 taona mahery talohan’izay. Hoy àry i Jehovah: “Hisy olona avy amin’ny taranak’i Jonadaba zanak’i Rekaba foana hitsangana eo anatrehako mandrakariva.” Zanak’i Jeremia (tsy ilay mpaminany) i Jazania.​—Je 35:1-10, 19.

2. Zanak’i Safana. Izy ihany tao amin’ny fahitan’i Ezekiela (612 T.K.), no voatonona anarana tamin’izy 70 lahy nanolotra emboka manitra ho an’ireo sarina sampy voasokitra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema.​—Ezk 8:1, 10, 11.

3. Zanak’i Azora ary anisan’ireo 25 lahy nijoro teo amin’ny vavahady atsinanan’ny tempolin’i Jehovah, tao amin’ny fahitan’i Ezekiela. ‘Nitetika hanisy ratsy sy nanolo-kevi-dratsy hahavoa an’ilay tanàna’ i Jazania sy ny namany, ka nasaina naminany ny amin’ny loza hanjo azy ireo i Ezekiela.​—Ezk 11:1-4.

4. Lehiben’ny tafiky ny Joda raha vao avy noravan’ny Babylonianina i Jerosalema. Anisan’ny nanohana avy hatrany an’i Gedalia izay voatendry ho governora izy, ary nanaiky ny fiadidiany izay tsy naharitra ela akory (607 T.K.). (2Mp 25:23; Je 40:7-9) Azo inoana fa anisan’ireo “lehiben’ny tafika rehetra” nampitandrina an’i Gedalia izy hoe nifofo ny ainy i Ismaela. Nanenjika an’i Ismaela sy nanafaka an’ireo olona babony koa izy ireo, rehefa novonoin’izy io i Gedalia. (Je 40:13, 14; 41:11-16) Nangataka torohevitra tamin’i Jeremia i Jazania sy ireo lehibe ireo, nefa tsy nanaraka ny teniny akory fa nitondra an’ireo sisa tavela ho any Ejipta. (2Mp 25:26; Je 42:1-3, 8; 43:1-5) Mety ho rahalahin’i Jazania i “Azaria zanak’i Hosaia”, nefa azo inoana kokoa hoe izy ihany io.​—Je 43:2.