Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jazera

Jazera

(Jazèra).

1. Mpisorona, ary nonina tany Jerosalema ny taranany, taorian’ny sesitany tany Babylona. (1Ta 9:12) Toa izy ihany ilay Ahazay resahin’ny Nehemia 11:13.

2. [[Andriamanitra] Anie Hanampy]. Tanàna tany atsinanan’i Jordana. An’ny Amorita izy io sy ireo tanàna niankina taminy. Tamin’ny andron’i Mosesy, no nalain’ny Israelita i Jazera sy ny faritra manodidina. (No 21:25, 32) Nomena ny fokon’i Gada izy io tany am-boalohany ary nohamafisin’izy ireo. Nomena ny Levita anefa izy io tatỳ aoriana. (No 32:1, 3-5, 34, 35; Js 13:24, 25; 21:34, 38, 39; 1Ta 6:77, 81) Nandalo tao i Joaba sy ireo lehiben’ny tafika, rehefa naniraka azy ireo i Davida mba hanisa vahoaka. Tsy niera tamin’Andriamanitra akory i Davida tamin’izay. (2Sa 24:4, 5) Rehefa hifarana ny fotoana nanjakan’i Davida dia nisy lehilahy mahery hebronita nonina tany Jazera voatendry hanao raharaham-panjakana, teo amin’ny tanin’ny Israely tany atsinanan’i Jordana.​—1Ta 26:31, 32.

Tamin’ny taonjato faha-8 T.K., dia nofehezin’ny Moabita i Jazera. Nalaza tamin’ny fambolena voaloboka iny faritra iny tamin’izany, na talohan’izay mihitsy aza. Nilaza ny faminaniana fa hisy loza hanjo an’i Jazera sy ny tanàna moabita hafa.​—Is 16:8-10; Je 48:32, 33.

Maromaro ny toerana nolazaina fa nisy an’ilay Jazera fahiny, nefa mbola tsy fantatra hatramin’izao izay tena nisy azy.