Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jaziela

Jaziela

(Jazièla).

1. [Andriamanitra no Mizara]. Fomba hafa nanoratana ny anarana hoe Jazila (Ge 46:24), ary ny anarany no voatonona voalohany tamin’ireo zanakalahin’i Naftaly.​—1Ta 7:13.

2. Levita mpitendry zavamaneno tao amin’ilay fizarana faharoa izay nanaraka ny Vata misy ny fifanekena, rehefa nafindra avy tao an-tranon’i Obeda-edoma nankany Jerosalema izy io. (1Ta 15:18) Antsoina hoe Aziela izy eo amin’ny andininy faha-20. Miantso azy hoe Jeiela kosa ny 1 Tantara 16:5 (ilay “Jeiela” voalohany ao amin’io andininy io). Voatendry ho mpitendry zavamaneno teo anoloan’ny Vata masina izy tatỳ aoriana.