Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jedidia

Jedidia

(Jedidià) [Malalan’i Jah].

Anaran’ny zanakalahy faharoa naterak’i Davida sy Batseba. I Natana mpaminanin’i Jehovah no nanome an’io anarana io. (2Sa 12:24, 25) Hita taratra tamin’ilay anarana fa tian’i Jehovah sy nankasitrahany ilay zaza vao teraka, fa tsy toy ilay zaza talohany, izay azo tamin’ny fanitsakitsaham-bady ary maty raha vao teraka kelikely. (2Sa 12:13-19) I Jedidia ihany no Solomona, saingy Solomona no tena niantsoana azy.​—Jereo SOLOMONA.