Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jedotona

Jedotona

(Jedotòna) [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “midera”].

1. Levita mpitendry zavamaneno. Toa “Etana” no anarany tamin’ny voalohany. Inona no mahatonga antsika hilaza izany? Satria ilay hoe “Etana” no voatonona miaraka amin’i Hemana sy Asafa (samy mpitendry zavamaneno koa) talohan’ny nahatongavan’ny Vata misy ny fifanekena tany Jerosalema, fa “Jedotona” kosa no voatonona miaraka amin’ireo anarana ireo taorian’izay. (1Ta 15:17, 19; 25:1) Ankoatra izany, dia tsy voalaza koa ny razamben’i Jedotona, fa voatonona kosa ny an’i Etana. (1Ta 6:44-47) Tsy voalaza hoe iza avy no taranak’i Etana, fa voatonona kosa ny an’i Jedotona. (1Ta 9:16) Mifanaraka tsara amin’ny andraikitra nomena azy ny nanovana an’ilay anarany taloha hoe Etana [midika hoe “Mikoriana Foana; Tondraka”] ho lasa hoe Jedotona [mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “midera”].​—1Ta 16:41; jereo ETANA No. 3.

Mpitendry zavamaneno koa ny fianakavian’i Jedotona, ary nandray anjara izy mianakavy tamin’ny fotoan-dehibe maromaro ‘nisaorana sy niderana an’i Jehovah’ (1Ta 25:3), ohatra hoe rehefa nentina tao Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena. (1Ta 16:1, 41, 42) Rehefa nalamin’i Davida ho antokony 24 ny mpitendry zavamaneno tao amin’ny toerana masin’i Jehovah, dia voafidy tamin’ny antsapaka ny enina tamin’ny zanakalahin’i Jedotona mba ho lehiben’ny antokony faha-2, 4, 8, 10, 12, ary 14. Samy teo ambany fiadidian’ny rainy izy ireo. (1Ta 25:1, 3, 6, 7, 9, 11, 15, 17, 19, 21) Samy niandraikitra antokona mpitendry zavamaneno i Jedotona sy Asafa ary Hemana, ka midika izany fa nanana solontena teo amin’ireo mpitendry mozika tao amin’ny tempoly ireo fianakaviana levita telo lehibe (Merary sy Gersoma ary Kehata). (1Ta 6:31-47) Nidera an’i Jehovah tamin’ny mozika ireo fizarana telo lehibe ireo, rehefa nitokana ny tempoly i Solomona. (2Ta 5:12, 13) Mbola voaresaka ny taranak’i Jedotona tamin’ny andron’i Hezekia Mpanjaka, ary na dia taorian’ny sesitany avy tany Babylona aza.​—2Ta 29:1, 12, 14, 15; Ne 11:17.

Ahitana ny anaran’i Jedotona eo amin’ny teny mampiditra ny Salamo faha-39 sy 62 ary 77. I Davida no nanoratra ny roa voalohany, ary i Asafa no nanoratra ilay fahatelo. Tsy i Jedotona àry no nanoratra azy ireo, na dia voalaza any amin’ny andininy hafa aza hoe “mpahita fahitana ho an’ny mpanjaka” izy, ary “naminany niaraka tamin’ny harpa.” (2Ta 35:15; 1Ta 25:1, 3) Inona àry no lazain’ny teny mampiditra an’ireo hira na salamo telo ireo? Azo inoana fa toromarika izany, angamba momba ny fomba tokony hanaovana azy ireo, na momba ny zavamaneno tokony hampiasain’i Jedotona mihitsy aza. Na angamba koa i Jedotona na ny taranany namorona sy nampahafantatra zavamaneno vaovao, na nanatsara be an’ilay zavamaneno, na nahatonga azy io ho be mpampiasa.

2. Levita i Jedotona, ary zanany na taranany i Obeda-edoma, izay mpiandry vavahady rehefa nentin’i Davida tao Jerosalema ny Vata misy ny fifanekena.​—1Ta 16:1, 37, 38.