Jegara-sahadota
(Jegàra-sahadòta) [Teny aram. midika hoe “Antontam-bato Vavolombelona”].
Teny aramianina (syrianina) niantsoan’i Labana an’ilay antontam-bato nisakafoanan’izy sy Jakoba ho marik’ilay fifanekena nifanaovan’izy ireo. Io antontam-bato atao hoe Jegara-sahadota io no “vavolombelona” fa tsy hisy amin’izy ireo hihoatra an’ilay antontam-bato mba hamely ny ankilany. I Jakoba kosa niantso azy io tamin’ny teny hebreo hoe “Galeda”, izay mitovy dika amin’ny hoe Jegara-sahadota ihany.—Ge 31:25, 46-53; jereo GALEDA.